Slovenian

Malagasy

Exodus

3

1Mojzes pa je pasel čredo Jetra, tasta svojega, duhovnika madianskega. In žene čredo onkraj puščave in pride na goro Božjo, Horeb.
1Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
2In prikaže se mu angel GOSPODOV v plamenu ognja iz sredi grma; in pogleda, in glej, grm gori v ognju, pa grm ne zgori.
2Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
3In reče Mojzes: Stopim vendar tja in pogledam to veliko prikazen, zakaj grm ne zgori?
3Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy.
4Ko pa vidi GOSPOD, da stopa bliže, da bi pogledal, mu zakliče Bog iz sredi grma in veli: Mojzes, Mojzes! On pa reče: Tukaj sem.
4Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
5In veli: Ne bližaj se semkaj! Sezuj obuvalo z nog svojih, zakaj mesto, ki na njem stojiš, je sveta zemlja.
5Ary hoy Izy: Aza manakaiky etỳ; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io.
6In reče: Jaz sem Bog očeta tvojega, Bog Abrahamov, Bog Izakov in Bog Jakobov. In Mojzes si zastre obraz, kajti boji se ozreti v Boga.
6Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy.
7In GOSPOD reče: Videl sem, videl stisko ljudstva svojega, ki je v Egiptu, in njih vpitje pred njih priganjači sem slišal, kajti jaz poznam bolečine njegove.
7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
8In stopil sem doli, da ga otmem iz rok Egipčanov in odpeljem iz one dežele v dobro in prostrano deželo, v deželo, v kateri teče mleko in med, v kraj Kanaancev in Hetejcev in Amorejcev in Ferizejcev in Hevejcev in Jebusejcev.
8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
9In sedaj, glej, vpitje sinov Izraelovih je prišlo do mene, in videl sem tudi stisko, s katero jih stiskajo Egipčani.
9Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby atỳ amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy.
10Sedaj torej pojdi, da te pošljem k Faraonu, in popelji moje ljudstvo, sinove Izraelove, iz Egipta.
10Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
11In reče Mojzes Bogu: Kdo sem jaz, da naj grem k Faraonu ter popeljem sinove Izraelove iz Egipta?
11Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta?
12On pa reče: Jaz bodem s teboj, in to ti bodi znamenje, da sem te jaz poslal: ko popelješ ljudstvo iz Egipta, boste služili Bogu na tejle gori.
12Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
13In Mojzes odgovori Bogu: Glej, ko pridem k sinovom Izraelovim in jim porečem: Bog očetov vaših me je poslal k vam, in mi oni reko: Katero je ime njegovo? kaj naj jim povem?
13Ary hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin'ny Zanak'Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy?
14In Bog reče Mojzesu: JAZ SEM, KI SEM. In reče: Tako boš rekel sinovom Izraelovim: JAZ SEM me je poslal k vam.
14Ary hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo.
15In Bog reče dalje Mojzesu: Tako reci sinovom Izraelovim: GOSPOD, Bog očetov vaših, Bog Abrahamov, Bog Izakov in Bog Jakobov, me je poslal k vam. To je moje ime vekomaj in to je spomin moj od roda do roda.
15Ary hoy koa Andriamanitra tamin'i Mosesy: Izao no holazainao amin'ny Zanak'Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'i Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin'ny taranaka fara mandimby.
16Pojdi in zberi starejšine Izraelove in jih govóri: GOSPOD, Bog očetov vaših, se mi je prikazal, Bog Abrahamov, Izakov in Jakobov, govoreč: Zares sem vas obiskal in videl, kako se vam godi v Egiptu,
16Mandehana, dia angòny ny loholon'ny Isiraely, ka lazao aminy hoe: Efa niseho tamiko Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka nanao hoe: Efa namangy anareo tokoa Aho ka nahita ny anaovana anareo atỳ Egypta;
17in rekel sem: Izvesti vas hočem iz stiske egiptovske v deželo Kanaancev in Hetejcev in Amorejcev in Ferizejcev in Hevejcev in Jebusejcev, v deželo, v kateri teče mleko in med.
17ary hoy Izaho: Hitondra anareo hiakatra Aho ho afaka amin'ny fahoriana atỳ Egypta ho any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ho any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely.
18In poslušali bodo tvoj glas. Potem pojdeš ti in starejšine izraelski h kralju egiptovskemu in mu porečete: GOSPOD, Bog Hebrejcev, nam je prišel naproti. In sedaj dovoli, da gremo tri dni hoda v puščavo in darujemo GOSPODU, Bogu svojemu.
18Dia hihaino ny feonao izy; ary hankao amin'ny mpanjakan'i Egypta ianao sy ny loholon'ny Isiraely ka hilaza aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, efa nihaona taminay; ary ankehitriny, trarantitra ianao, aoka handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray.
19Pa jaz vem, da vam kralj egiptovski ne dovoli, da bi šli, tudi ne, če z mogočno roko pridem nadenj.
19Kanefa Izaho mahalala fa tsy havelan'ny mpanjakan'i Egypta handeha ianareo, tsia, na dia amin'ny tanana mahery aza.
20In iztegnem roko svojo in udarim Egipt z vsemi čudovitimi deli svojimi, katera bom storil sredi njega; in potem vas izpusti.
20Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an'i Egypta amin'ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
21In dam milost temu ljudstvu v očeh Egipčanov, in zgodi se, ko izidete, ne pojdete prazni:marveč vsaka žena bo izprosila od sosede in domačinke svoje srebrnih in zlatih dragotin ter oblačil, in naložite jih sinovom in hčeram svojim in oplenite Egipčane.
21Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana ity firenena ity, ka raha handeha ianareo, dia tsy mba handeha maina;fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.
22marveč vsaka žena bo izprosila od sosede in domačinke svoje srebrnih in zlatih dragotin ter oblačil, in naložite jih sinovom in hčeram svojim in oplenite Egipčane.
22fa ny vehivavy samy hangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana amin'ny miray monina aminy sy amin'izay mivahiny ao an-tranony; dia hataonareo amin'ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy izany, ka dia hofoananareo ny Egyptiana.