1In duh me je vzdignil in me prenesel k vzhodnim vratom hiše GOSPODOVE, ki so obrnjena proti vzhodu. In glej, ob vhodu v vrata je bilo petindvajset mož; in videl sem sredi njih Jaazanija, sina Azurjevega, in Pelatija, sina Benajevega, kneza ljudstva.
1[Filazana ny amin'ny loza hanjo, sy fampanantenana ny famindram-po] Ary nisy fanahy nanainga ahy koa, dia nitondra ahy ho eo amin'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah, dia ilay manatrika ny atsinanana; ary, indreo, nisy olona dimy amby roa-polo lahy teo anoloan'ny vavahady; dia hitako teo amin'ireo Jazania, zanak'i Azora, sy Pelatia, zanak'i Benaia, lehiben'ny vahoaka.[Na: rivotra]
2In mi je rekel: Sin človečji, to so tisti možje, ki izmišljajo krivico in sklepajo hudobne svete v tem mestu,
2Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireo no lehilahy izay mamoron-tsain-dratsy sady manolo-tsain-dratsy eto amin'ity tanàna ity,
3ki govore: Ni blizu čas, da bi zidali hiše; to mesto je lonec, mi pa meso.
3dia izay manao hoe: Mbola lavitra ny hanaovana trano; ity tanàna ity no vilany, ary isika no hena;
4Zatorej prorokuj zoper nje, prorokuj, sin človečji!
4ka dia maminania hamely azy, eny, maminania, ry zanak'olona.
5In duh GOSPODOV pride nadme in mi veli: Reci: Tako pravi GOSPOD: Tako ste govorili, o hiša Izraelova; kajti jaz vem, kar preudarjate v srcu svojem.
5Ary tonga tao amiko ny Fanahin'i Jehovah, ka hoy Izy tamiko: Lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Izany no fiteninareo, ry taranak'Isiraely, ary fantatro izay rehetra ao an-tsainareo.
6Vi ste pomnožili prebodence svoje v tem mestu in ulice njegove ste napolnili s prebodenci.
6Hianareo efa nahamaro ny voavononareo teto amin'ity tanàna ity, ary ny lalambeny efa nofenoinareo faty.
7Zato pravi tako Gospod Jehova: Prebodenci vaši, ki ste jih ob tla pometali sredi mesta, oni so meso, to mesto pa je lonec; vas pa odpeljejo ven iz njega.
7Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny voavononareo, izay nataonareo tao aminy, no hena, ary ity tanàna ity no vilany; nefa havoaka avy ao aminy ianareo.
8Meča ste se bali, in meč pripeljem nad vas, govori Gospod Jehova.
8Natahotra ny sabatra ianareo; nefa hataoko mahatratra anareo ihany ny sabatra, hoy Jehovah Tompo.
9In peljal vas bom iz mesta in vas dal v roke tujcem, in izvršim sodbe nad vami.
9Ary havoakako avy ato aminy ianareo ka hatolotro ho eny an-tànan'ny hafa firenena, ary hanao fitsarana aminareo Aho.
10Od meča boste padali: ob meji Izraelovi vas bom sodil. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
10Ho lavon'ny sabatra ianareo; any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
11To mesto vam ne bo lonec, tudi vi ne boste meso sredi njega: ob meji Izraelovi vas bom sodil.
11Ity tanàna ity tsy ho vilaninareo, ary ianareo tsy ho hena ato anatiny; fa any amin'ny sisin-tanin'ny Isiraely no hitsarako anareo
12In spoznate, da sem jaz GOSPOD, po čigar postavah niste živeli in čigar ustanovil niste izpolnjevali, temuč ravnali ste po naredbah poganskih narodov, ki so okoli vas. –
12ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, satria tsy nandeha araka ny lalàko ianareo na nanaraka ny fitsipiko, fa araka ny fitsipiky ny jentilisa izay manodidina anareo ihany no nataonareo.
13In zgodilo se je, ko sem prorokoval, da je umrl Pelatija, sin Benajev. Tedaj padem na obraz in zavpijem z močnim glasom in rečem: Ah, Gospod Jehova! hočeš li docela pokončati ostanek Izraelov?
13Ary raha mbola naminany aho, dia maty Pelatia, zanak'i Benaia. Dia niankohoka aho ka nitaraina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô, holevoninao va ny hany sisa amin'ny Isiraely?
14In beseda GOSPODOVA pride do mene, govoreč:
14Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
15Sin človečji, tvoji bratje, tvoji bratje, tvojega sorodništva možje in vsa družina Izraelova, vsi sploh so tisti, katerim so govorili prebivalci v Jeruzalemu: Ostanite daleč od GOSPODA! nam je ta dežela dana v posest.
15Ry zanak'olona, ny rahalahinao, eny, ny rahalahinao no andraikitrao, dia ny taranak'Isiraely rehetra, izay nitenenan'ny mponina any Jerosalema hoe: Manalavira an'i Jehovah; izahay no nomena ity tany ity ho lova.[Na: iray firazanana aminao]
16Zato reci: Tako pravi Gospod Jehova: Čeprav sem jih daleč pregnal med narode in čeprav sem jih razkropil po deželah, jim vendar hočem biti majhno svetišče po deželah, kamor so prišli.
16Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Na dia nampandehaniko lavitra any amin'ny jentilisa aza izy ka naeliko tany amin'ny tany maro, dia ho fitoerana masina ho azy vetivety Aho any amin'ny tany izay alehany.[Na: kely ho azy]
17Zato reci: Tako pravi Gospod Jehova: Res, zberem vas izmed ljudstev in skupim vas iz dežel, v katere ste se razkropili, in dam vam zemljo Izraelovo.
17Koa lazao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hovoriko avy any amin'ny firenena ianareo, ary hangoniko avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo, ka homeko ny tanin'ny Isiraely ianareo.
18In ko pridejo vanjo, odpravijo iz nje vse ostude njene in vse gnusobe njene.
18Ary ho tonga ao izy ka hanaisotra ny zava-dratsiny rehetra sy ny fahavetavetany rehetra.
19In dam jim eno srce in dodelim novega duha v njih osrčje, in vzamem kameneno srce iz njih telesa in jim dam meseno srce:
19Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony ny fo vato, ka homeko fo nofo izy,
20da bi živeli po mojih postavah in sodbe moje izpolnjevali in po njih ravnali. In bodo mi ljudstvo in jaz jim bodem Bog.
20mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
21Tistim pa, katerih srce živi po mislih njih grdob in gnusob, tistim spravim njih dejanje nad glavo, govori Gospod Jehova.
21Fa ny amin'izay manana fo manina ny zava-dratsiny sy ny fahavetavetany, dia hatsingeriko ho eo an-dohany ihany ny nataony, hoy Jehovah Tompo.[Heb. manaraka ny fon'ny zava-dratsiny][Heb. lalana]
22Tedaj so vzdignili kerubimi peruti in kolesa so šla vzporedno ž njimi; in slava Boga Izraelovega je bila zgoraj nad njimi.
22Dia nasandratry ny kerobima ny elany sy ny kodia teo anilany; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
23In slava GOSPODOVA se je vzdignila iznad sredi mesta in se je ustavila na gori, ki je proti jutru pred mestom.
23Ary ny voninahitr'i Jehovah niakatra niala tao amin'ny tanàna ka nijanona teo an-tampon'ny tendrombohitra atsinanan'ny tanàna.
24In duh me vzdigne kvišku in me prenese v prikazni po duhu Božjem k ujetnikom v Kaldejo. In prikazen, ki sem jo videl, izgine gori pred menoj.In govoril sem ujetnikom besede GOSPODOVE, ki mi jih je bil pokazal.
24Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin'ny fahitana, dia tamin'ny Fanahin'Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin'ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.[Na: rivotra]Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.
25In govoril sem ujetnikom besede GOSPODOVE, ki mi jih je bil pokazal.
25Ary nolazaiko tamin'ny babo ny teny rehetra izay nasehon'i Jehovah ahy.