Slovenian

Malagasy

Ezekiel

12

1In pride mi beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny nasain'Andriamanitra nataon'i Ezekiela hahalalan'ny Isiraely fa samy ho lasan-ko babo, na ny mpanjaka, na ny vahoaka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, prebivaš sredi uporne družine: imajo oči, da bi videli, a ne vidijo, ušesa, da bi slišali, a ne slišijo, ker so uporna družina.
2Ry zanak'olona, ianao monina eto amin'ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
3Zato si ti, sin človečji, pripravi reči za selitev, in seli se po dnevi pred njih očmi. In preseliš se z mesta svojega v drugi kraj, njim pred očmi: morebiti spoznajo, da so uporna družina.
3Koa ianao, ry zanak'olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin'ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin'izay itoeranao ho any amin'ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4In po dnevi pred njih očmi iznosi svoje reči kakor za selitev; sam pa odrini zvečer vpričo njih, kakor odidejo ljudje v pregnanstvo.
4Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin'ny fahababoana.
5Pred njih očmi si prederi steno in skozi njo jih iznosi;
5Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6njim pred očmi jih zadeni na ramo in odnesi v temi; obraz si zagrni, da ne vidiš zemlje; zakaj v zgledno znamenje sem te postavil hiši Izraelovi.
6Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an'ny taranak'Isiraely ianao.
7In storil sem, kakor mi je bilo ukazano. Reči svoje sem odnesel kakor za selitev po dnevi in zvečer sem predrl steno z roko svojo; iznosil sem jih v temi in jih na ramo zadeval pred njih očmi.
7Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan'ny olona handeha ho any amin'ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin'ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8In zjutraj mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
8Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9Sin človečji, ni li ti rekla družina Izraelova, tista uporna družina: Kaj delaš?
9Ry zanak'olona, moa ny taranak'Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
10Reci jim: Tako pravi Gospod Jehova: To breme [Ali: prorokovanje.] se tiče kneza v Jeruzalemu in vse hiše Izraelcev, ki so sredi njega.
10Ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin'ny mpanjakan'i Jerosalema sy ny taranak'Isiraely rehetra izay ao aminy.
11Reci: Jaz sem vam v zgledno znamenje. Kakor sem storil, tako se bo godilo ž njimi: pojdejo v pregnanstvo, v ujetništvo.
11Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin'ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
12In knez, ki je med njimi, ponese svoje reči na rami v črni temi in pojde strani; predrli bodo steno, da spravijo ven prtljago; on si zagrne obraz, da ne bo videl zemlje z očmi svojimi.
12Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan'ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan'ny masony ny tany.
13In vržem mrežo nanj in ga ujamem v lovnico svojo; in storim, da pride v Babilon, v zemljo Kaldejcev, ali ne bo je videl, dasi umrje ondi.
13Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin'ny tanin'ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
14In vse, ki so okoli njega, njegove pomočnike in vsa krdela njegova razkropim na vse vetrove in meč potegnem za njimi.
14Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15In spoznajo, da sem jaz GOSPOD, kadar jih razkropim med narode in raztresem po deželah.
15Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin'ny jentilisa sy ampieleziko any amin'ny tany samy hafa izy.
16Ali pridržim malo mož izmed njih, ki ostanejo po meču, po lakoti in po kugi, da naj pripovedujejo vse gnusobe svoje med narodi, kamor pridejo. In vedeli bodo, da sem jaz GOSPOD.
16Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan'ny sabatra.sy ny mosary sy ny areti- mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin'ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17In pride mi beseda GOSPODOVA in reče:
17Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18Sin človečji, jej kruh z drgetom in pij vodo s trepetom in strahom!
18Ry zanak'olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin'ahiahy ny ranonao.
19In reci ljudstvu dežele: Tako pravi Gospod Jehova o prebivalcih v Jeruzalemu in o deželi Izraelovi: Jedli bodo kruh s strahom in vodo pili strmeč, ker opustoši se njih dežela in izprazni svoje obilosti zaradi zlobnosti vseh prebivalcev svojih.
19Ary lazao amin'ny vahoaka hoe Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'ny mponina ao Jerosalema, ao amin'ny tanin'ny Isiraely: Amin'ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan'izay rehetra monina ao aminy.
20In mesta, ki v njih mnogi prebivajo, bodo razdejana, in dežela bode pustinja. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
20Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21Še mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
21Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
22Sin človečji, kaj pomeni ta pregovor, ki ga imate v deželi Izraelovi, ko pravite: Dnevi se na dolgo vlečejo in vsaka prikazen pride v nič.
22Ry zanak'olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin'ny tanin'ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23Povej jim torej: Tako pravi Gospod Jehova: Konec storim temu pregovoru, in ne sme se več rabiti v rek v Izraelu. In povej jim tudi: Blizu so dnevi in izpolnitev vsake prikazni.
23Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin'ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin'ny fahitana rehetra.
24Kajti ne bode več ničeve prikazni in laskavega vedeževanja v hiši Izraelovi.
24Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin'ny taranak'Isiraely.
25Zakaj jaz, GOSPOD, govorim; beseda, ki jo govorim, se mora zgoditi, ne bo se več zavlačevala. Kajti v vaših dneh, o družina uporna, izgovorim besedo in jo tudi izpolnim, govori Gospod Jehova.
25Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin'ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
26Zopet mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
26Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
27Sin človečji, glej, hiša Izraelova govori: Prikazen, ki jo ta vidi, velja za mnogo dni, in prorokuje za čase, ki so še daleč.Zatorej jim reci: Tako pravi Gospod Jehova: Nobena mojih besed se ne bo zavlačevala več, temuč beseda, ki jo izgovorim, se mora zgoditi, govori Gospod Jehova.
27Ry zanak'olona, indro, ny taranak'Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin'ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
28Zatorej jim reci: Tako pravi Gospod Jehova: Nobena mojih besed se ne bo zavlačevala več, temuč beseda, ki jo izgovorim, se mora zgoditi, govori Gospod Jehova.
28Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.