Slovenian

Malagasy

Ezekiel

13

1In pride mi beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny amin'ireo mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, prorokuj zoper proroke Izraelove, ki prorokujejo, in reci njim, ki prorokujejo iz lastnega srca svojega: Čujte besedo GOSPODOVO!
2Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
3Tako pravi Gospod Jehova: Gorje brezpametnim prorokom, ki gredo za lastnim duhom svojim in za tistim, česar niso videli!
3Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
4Kakor lisice v razvalinah so bili tvoji proroki, o Izrael!
4Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
5Niste stopali pred razpoke zidov in niste gradili obzidja pri hiši Izraelovi, da bi trdno stala v boju na dan GOSPODOV.
5Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.
6Ničevost in lažnivo vedeževanje so videli, kateri pravijo: „GOSPOD govori!“ dasi jih ni poslal GOSPOD; in tolažijo jih z nado, da se njih beseda potrdi.
6Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny
7Niste li videli ničeve prikazni in niste li govorili lažnivega vedeževanja, ko ste pravili: „GOSPOD govori!“ in vendar jaz nisem govoril?
7Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
8Zato pravi tako Gospod Jehova: Ker ste govorili ničemurnost in videli laž, zato, glejte, sem jaz zoper vas, govori Gospod Jehova;
8Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
9in roka moja bode zoper proroke, ki vidijo ničemurnost in ki pripovedujejo laž. Ne bodo v svetovalstvu ljudstva mojega in v popisu družine Izraelove ne bodo zapisani, tudi v zemljo Izraelovo ne pridejo. In spoznate, da sem jaz Gospod Jehova.
9Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
10Zato, prav zato, ker zapeljujejo ljudstvo moje, govoreč: Mir! In ga ni miru; in če kdo gradi steno, jo mažejo z belilom –
10Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,
11reci tistim mazačem z belilom, da bo padla; ploha se ulije nanjo in toča bo padala in vihar jo razdere.
11koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
12Glejte, ko pade stena, ali vam ne bodo pravili: Kje je belilo, s katerim ste jo mazali?
12Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
13Zato pravi tako Gospod Jehova: V togoti svoji naredim, da jo razdere hrumeč vihar, in vsled srda mojega se ulije nanjo ploha in usuje toča od jeze moje v pogubo.
13Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
14Tako razvalim steno, ki ste jo mazali z belilom, in porušim jo do tal, da se odkrije njena podlaga; in padla bo in vi poginete sredi nje. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
14Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
15In tako dopolnim togoto svojo nad steno in nad njimi, ko so jo mazali z belilom, in vam porečem: Stene ni več, tudi tistih ni, ki so jo mazali,
15Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
16prorokov Izraelovih, ki prorokujejo o Jeruzalemu in vidijo zanj prikazni miru, dasi ni miru, govori Gospod Jehova.
16dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
17Ti pa, sin človečji, obrni obličje proti hčeram ljudstva svojega, ki prorokujejo iz lastnega srca svojega, in prorokuj zoper nje
17Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
18in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Gorje jim, ki šivajo obveze za vse členke rok in obglavne zavoje, prilične vsaki postavi, da bi lovile duše! Hočete li uloviti duše pri ljudstvu mojem, a svoje duše ohraniti v življenju?
18ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]
19In mene ste onečastile med ljudstvom mojim za peščico ječmena in za nekoliko grižljajev kruha, da se v smrt pripravijo duše, ki bi ne imele umreti, in pri življenju ohranijo duše, ki bi ne imele živeti, s tem, da lažete ljudstvu mojemu, ki posluša laži.
19Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
20Zato pravi tako Gospod Jehova: Glejte, jaz sem zoper obveze vaše, s katerimi lovite duše kakor ptice, in jih vam iztrgam iz rok, duše pa pustim v prostost, duše, ki jih lovite kakor ptice.
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
21Tudi obglavne zavoje vaše raztrgam in otmem ljudstvo svoje iz vaše roke, da vam ne bodo več za plen v pesti vaši. In zvedele boste, da sem jaz GOSPOD.
21Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
22Ker ste z lažmi užalostile srce pravičnega, ki mu jaz nisem žalosti prizadel, in krepčale ste roke brezbožnega, da se ne bi vrnil s hudobne poti svoje, da se ohrani v življenju:zato ne boste več videle ničemurnosti in se več ne pečale z vedeževanjem; in otmem ljudstvo svoje iz roke vaše. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
22Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
23zato ne boste več videle ničemurnosti in se več ne pečale z vedeževanjem; in otmem ljudstvo svoje iz roke vaše. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
23dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.