1Zopet mi je prišla beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny nivadihan'i Jerosalema, sy ny nahafoizany an'i Jehovah, ary ny hamaliany azy amin'izany] Tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, oznani Jeruzalemu gnusobe njegove
2Ry zanak'olona, ampahafantaro an'i Jerosalema ny fahavetavetany,
3in reci: Tako pravi Gospod Jehova Jeruzalemu: Izvir tvoj in rojstvo tvoje je iz dežele Kanaancev; oče tvoj je bil Amorejec, mati tvoja pa Hetejka.
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.
4In kar se tiče rojstva tvojega – v dan, ko si bila rojena, ti ni bil popek odrezan, tudi nisi bila z vodo umita, da bi bila očiščena, niti s soljo nisi bila odrgnjena, ne v plenice povita.
4Ary ny amin'ny nahaterahanao, dia tsy voatapaka akory ny tadim-poitrao tamin'ny andro nahaterahanao, ary tsy voampandro tamin'ny rano ianao, na voahosotra sira, na voahodidina lamban-jaza akory.
5Nobeno oko se ni milosrčno ozrlo nate, da ti stori teh reči eno, da se ti izkaže usmiljenje; bila si pa na polje vržena, ker jim je mrzelo življenje tvoje, v dan rojstva svojega.
5Tsy nisy maso niantra anao hanao izany aminao, na dia iray akory amin'ireo zavatra ireo aza, mba hamindra fo aminao; fa nariana tany an-tsaha ianao, satria natao ho zava-maharikoriko ianao tamin'ny andro nahaterahanao.
6Tedaj sem šel mimo tebe in, videč te, da se valjaš v krvi svoji, sem ti rekel: Čeprav si v krvi svoji, žívi! res, rekel sem ti: v krvi svoji žívi!
6Ary raha nandalo Aho ka nahita anao nihosinkosina teo amin'ny rànao, dia hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao; eny, hoy Izaho taminao, raha mbola tamin'ny rànao ianao: Ho velona anie ianao.
7V desettisoči, kakor rastline na polju, sem te naredil, in vzrasla si in postala velika in dospela do dražestne milobe: prsi so se ti napele in lasje ti zrasli; ali naga si bila in gola.
7Efa nataoko alinalina, toy ny zava-maniry any an-tsaha, ny isanao, ka nitombo sy nihalehibe ary tonga tsara tarehy tokoa ianao; naniry nono ianao sady naniry volo, nefa mbola nitanjaka sy nihanjahanja ihany
8Ko sem pa šel mimo tebe in te pogledal, glej, čas tvoj je bil čas ljubezni; tedaj sem čezte pregrnil krilo svoje in zakril goloto tvojo; in prisegel sem ti ter zavezo storil s teboj, govori Gospod Jehova, in postala si moja.
8Ary raha nandalo Aho ka nijery anao, dia hitako fa izay no fotoanao, dia ny fotoam-pitiavana: ary narakotro anao ny lambako, ka nosaronako ny fitanjahanao; eny, nianiana taminao Aho ka nanao fanekena taminao, hoy Jehovah Tompo, ka dia efa Ahy ianao.
9Nato sem te umil z vodo in te opral tvoje krvi in te pomazilil z oljem.
9Dia nampandroiko rano ianao, eny, nosasako tsara ho afaka tamin'ny rànao, dia nohosorako diloilo.
10In oblekel sem te s pisanim oblačilom in ti obul tjulenje kože in te opasal s tenčico in ogrnil s svilo;
10Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.[Hoditra voasoka ho menamena. na hodi-biby tsy fantatra]
11in olepotil sem te z lepotičjem: zapestnice sem ti del na roke in verižico na grlo,
11Noravahako firavaka koa ianao, ka nasiako haba ny tananao ary rojo ny vozonao
12in vtaknil sem ti obroček v nos in uhane v ušesa in ti položil krasen venec na glavo.
12Ary nasiako kavina ny oronao sy ny sofinao ary satro-boninahitra tsara tarehy ny lohanao,
13In tako si bila olepšana z zlatom in srebrom, in obleka tvoja je bila iz tenčice, svile in pisane tkanine; jedla si belo moko in med in olje. In bila si silno lepa ter si dosegla kraljestva.
13ka dia niravaka volamena sy volafotsy ianao, ary rongony fotsy madinika sy amparasily ary lamba misoratsoratra ny fitafianao; koba tsara toto sy tantely ary diloilo no fihinanao; ary efa nihatsara tarehy dia nihatsara tarehy ianao sady nambinina ho miendrik'andriana
14In tvoje ime je zaslovelo med narodi zaradi lepote tvoje, ker je bila dovršena po veličastju mojem, s katerim sem te obdal, govori Gospod Jehova.
14Ary dia niely tany amin'ny jentilisa aza ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao; fa tanteraka izany noho ny voninahitro izay nataoko taminao, hoy Jehovah Tompo.
15Ali ti si se zanesla na lepoto svojo in si se vdala nečistovanju vsled slovečega imena svojega, trosila si nečistosti svoje na vsakega mimogredočega: lahko je užival lepote tvoje.
15kanjo natoky ny hatsaran-tarehinao ianao ka nijangajanga noho ny lazanao sady nanaram-po nijangajanga tamin'ny mpandalo rehetra, ka nafoy ho azy izany[Heb, anarana]
16In vzela si od svojih oblačil in sebi napravila pisane višave in na njih nečistovala – kaj takega se več ne primeri in ne zgodi.
16Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
17Vzela si tudi krasne dragotine svoje iz mojega zlata in iz mojega srebra, ki sem ti jih bil dal, in naredila si sebi moških podob in nečistovala ž njimi;
17Ary nalainao koa ny firavakao tamin'ny volamenako sy ny volafotsiko, izay nomeko anao, dia nataonao sarin-dehilahy ho anao ka nijangajanganao;
18in s pisanimi oblačili svojimi si jih pregrinjala in moje olje in kadilo si prednje polagala.
18nalainao koa ny fitafianao misoratsoratra ka natatinao ireo; ary ny diloiloko sy ny ditin-kazo manitro dia napetrakao teo anoloany
19Tudi kruh moj, ki sem ti ga dal, belo moko in olje in med, s katerim sem te hranil, si polagala prednje v prijetno dišavo. To se je godilo, govori Gospod Jehova.
19Ary ny haniko izay nomeko anao koa, dia ny koba tsara toto sy ny diloilo ary ny tantely, izay nafahako anao, dia napetrakao teo anoloan'ireo ho hanitra ankasitrahana; teo tokoa izany, hoy Jehovah Tompo.
20Vrhutega si jemala sinove in hčere svoje, ki si jih rodila meni, in jih darovala njim v žrtje. Je li majhna reč nečistovanje tvoje,
20Ary nentinao ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, izay naterakao ho Ahy, dia novonoinao ho fanatitra ho an'ireo mba hohanina. Moa zavatra kely va izany fijangajanganao izany?
21da si morila otroke moje ter jih izročala, naj gredo njim v čast skozi ogenj?
21Ary novonoinao ny zanakao, fa natolotrao ka nampandehaninao namaky ny afo ho an'ireo.
22In pri vseh gnusobah svojih in nečistovanju svojem se nisi spominjala dni mladosti svoje, kako si bila naga in gola in si se valjala v krvi svoji!
22Ary tamin'ny fahavetavetanao sy ny fijangajanganao rehetra dia tsy nahatsiaro ny andro fahakelezanao ianao, fony ianao nitanjaka sy nihanjahanja sady nihosinkosina teo amin'ny rànao.
23In zgodilo se je po vsej hudobnosti tvoji (gorje, gorje ti! govori Gospod Jehova),
23Ary rehefa vitanao izany faharatsianao rehetra izany (lozanao! lozanao! hoy Jehovah Tompo),
24da si si zgradila hram in naredila vzvišen kraj v vsaki ulici;
24dia nanao trano fijangajangana ho anao ianao sady nanao fitoerana avo ho anao teny an-kalalahana rehetra teny.
25ob vsakem razpotju si zgradila vzvišen kraj svoj, in skrunila si lepoto svojo in svoje noge razvirala vsem, ki so mimo šli, in množila si nečistovanje svoje.
25Ary teny an-tsampanan-dalana rehetra no nanaovanao ny fitoerana avonao, ary novetavetainao ny hatsaran-tarehinao, ka nabahanao ho amin'ny mpandalo rehetra ny tongotrao, ary nampitomboinao ny fijangajanganao.
26Nečistovala si tudi z Egipčani, sosedi svojimi velikih udov, in si množila nečistovanje svoje, da bi me dražila v jezo.
26Hianao efa nijangajanga tamin'ny zanak'i Egypta be nofo izay mifanila fonenana aminao; ary nampitomboinao ny fijangajanganao ka nampahatezitra Ahy.
27In glej, iztegnil sem roko svojo zoper tebe in zmanjšal določeni ti živež in te izročil volji sovražilk tvojih, hčer filistejskih, ki jih je bilo sram nesramnega počenjanja tvojega.
27Ary, indro, nahinjitro taminao ny tanako. ka nahenako ny anjara-haninao, ary natolotro ho amin'ny sitrapon'izay mankahala anao ianao, dia ny zanakavavin'ny Filistina, izay menatra noho ny fahavetavetana fanaonao.
28Vdala si se nečistovanju tudi z Asirci, ker se nisi mogla nasititi, in nečistovala si ž njimi, pa še nisi bila sita.
28Ary nijangajanga tamin'ny zanak'i Asyria koa ianao noho ny tsi-fahafaham-ponao; eny, nijangajanga taminy ianao, nefa mbola tsy afa-po ihany.
29Potem si pomnožila nečistovanje svoje proti deželi tržnikov, proti Kaldeji, a še tega nisi bila sita.
29Ary mbola nampandrosoinao ihany ny fijangajanganao hatrany amin'ny tanin'ny mpandranto. Dia hatrany Kaldea; fa na tia tamin'izany aza dia mbola tsy afa-po ihany ianao. [Heb tany Kanana: izaho xxvv 4]
30Kako ti omedleva srce, govori Gospod Jehova, ko vse to počenjaš, delo razuzdane nečistnice,
30Akory ny fahamaimain'ny fonao! hoy Jehovah Tompo, tamin'ny nanaovanao ireo rehetra ireo, dia ny fanaon'ny janga tsivalahara!
31da si gradiš hram ob vsakem razpotju in vzvišen kraj svoj v vsaki ulici. In nisi bila kakor navadna nečistnica, ker si zaničevala plačilo,
31Tamin'ny nanaovanao ny trano fijangajanganao teny an-tsampanan-dalana rehetra sy ny nanaovanao ny fitoerana avonao teny an-kalalahana rehetra dia tsy mba tahaka ny vehivavy janga ianao. satria tsy nahoanao akory izay tangy.
32tudi ne kakor žena prešeštnica, ki namesto svojega moža sprejema druge.
32Ny vadin'olona mijangajanga dia maka olon-kafa ho solon'ny vadiny!
33Vsem nečistnicam dajó darila, ali ti si dajala darila vsem ljubovnikom svojim in si jih podkupovala, da bi od vseh strani prihajali k tebi nečistovat s teboj.
33Sy vehivavy janga rehetra dia omen-tangy; fa ianao kosa manangy ireo lehilahinao rehetra sady manome azy fanambatambazana hanatonan'ny ny manodidina rehetra anao mba hijangajangany aminao.
34In bilo je pri tebi naopak kakor pri drugih ženskah, da niso hodili za teboj nečistovat: zakaj sama si dajala plačilo, tebi pa niso dajali plačila, bilo je torej s teboj naopak.
34Ary hafa noho ny amin'ny vehivavy sasany mihitsy ny fanaonao tamin'ny fijangajanganao, fa tsy nisy nanaraka anao hijangajanga taminao; eny, satria nanome tangy ianao, fa tsy mba nomena, dia izany indrindra no mahahafa anao
35Zato čuj, nečistnica, besedo GOSPODOVO!
35Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah. ry kala janga:
36Tako pravi Gospod Jehova: Ker se je razlila nesramnost tvoja in je nagota tvoja bila odkrita v nečistovanju tvojem z ljubovniki tvojimi in zaradi vseh pregnusobnih malikov tvojih in za kri otrok tvojih, ki si jih jim dala:
36Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin'ny nijangajanganao tamin'ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra. izay fahavetavetanao. ary noho ny ran'ny zanakao izay naterinao ho an'ireo. [Heb. nanidinanao varahina]
37zato, glej, zberem vse ljubovnike tvoje, ki si jim bila prijetna, in vse, ki si jih ljubila, z vsemi, ki si jih sovražila, zberem jih od vseh strani zoper tebe in odgrnem pred njimi nagoto tvojo, da bi videli vso nagoto tvojo.
37dia, indro, hovoriko ireny lehilahinao rehetra ireny, izay mankamany anao sy izay tianao rehetra mbamin'ireny rehetra izay halanao koa, eny hovoriko avy amin'ny manodidina ireny mba hamely anao, ka hampisehoiko aminy ny fitanjahanao, dia hahita ny fitanjahanao rehetra izy;
38In sodil te bom, kakor so sojene žene, ki kršijo zakon in moré otroke, in pustim te izkrvaveti v srdu in gorečnosti.
38ary hotsaraiko ianao araka ny fitsara vehivavy mijangajanga sy izay mandatsa-drà, ka halatsako ny rànao noho ny fahatezerana sy ny fahasaro-piaro.
39In izročim te v njih pest, da podero hrame tvoje in porušijo vzvišene kraje tvoje ter strgajo s tebe oblačilo in pobero krasne dragotine tvoje in te puste nago in razodeto ležati.
39Dia hatolotro ho eny an-tànan'ireny ianao, ka harodany ny trano fijangajanganao, ary horavany ny fitoerana avonao; dia hendahany koa ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa, ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40In pripeljejo gori nadte zbor sovražnikov in te s kamenjem posujejo in razsekajo z meči.
40Dia hitondra vahoaka maro be hiakatra hamely anao koa izy ka hotorahany vato sady hotetitetehiny amin'ny sabany ianao.
41In požgó hiše tvoje z ognjem ter store sodbo nad teboj pred očmi mnogih žen. In tako storim, da nehaš nečistovati in plačila tudi ne boš več dajala.
41Ary hodorany amin'ny afo ny tranonao, ka hotanterahiny eo imason'ny vehivavy maro ny famaliana anao ary hatsahatro tsy hijangajanga ianao ka tsy hanangy intsony.
42In s tem pomirim togoto svojo nad teboj in gorečnost moja se umakne od tebe, in bodem miren in se ne bom več jezil.
42Toy izany no hialako fo aminao, ary ho afaka ny fahasaro-piaroko aminao, dia hionona Aho ka tsy ho tezitra intsony.
43Ker se nisi spominjala dni mladosti svoje, temuč si me dražila z vsem tem, zato, glej, sem ti spravil tvoje dejanje na glavo, govori Gospod Jehova, da ne bi več počenjala te nesramnosti poleg vseh gnusob svojih.
43Noho ny tsy nahatsiarovanao ny andro fahakelezanao, fa niempo nanohitra Ahy tamin'ireo rehetra ireo ianao, dia; indro, ny nataonao ihany no hatsingeriko ho eo an-dohanao, hoy Jehovah Tompo. Ary tsy nanao izany ratsy izany ho fanampin'ny fahavetavetanao rehetra va ianao?[Heb. lalanao][Na: Fa raha tsy izany, dia Izao indray no hanao ratsy miohatra noho ny fahavetavetanao rehetra]
44Glej, sleherni, kdor rabi pregovore, obrne ta pregovor nate, govoreč: Kakršna mati, taka njena hči.
44Indro, ny mpanao ohabolana rehetra dia hamely anao amin'izao ohabolana izao hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zananivavy.
45Ti si matere svoje hči, ki je odpahnila moža svojega in otroke svoje, in sestra si svojih sester, ki so se iznebile mož in otrok svojih. Mati vaša je bila Hetejka in oče vaš Amorejec.
45Hianao dia zanakavavin-dreninao, izay mahafoy ny vadiny aman-janany; ary ianao dia rahavavin'ireo rahavavinao, izay nahafoy ny vadiny aman-janany; Hetita no reninareo, ary Amorita no rainareo.
46Starejša sestra tvoja pa je Samarija s hčerami svojimi, ki prebiva tebi na levici; in mlajša sestra, ki prebiva tebi na desno, je Sodoma s hčerami svojimi.
46Samaria no zokinao-vavy, dia izy sy ny zananivavy izay monina eo an-kavianao; ary ny zandrinao vavy, izay monina amin'ny an-kavananao, dia Sodoma sy ny zananivavy.
47Toda nisi hodila po njih potih, ne delala po njih gnusobah; ali kakor da bi to bilo malo, si bolj popačeno ravnala na vseh svojih potih nego one.
47Nefa tsy araka ny alehan'ireo ihany no nalehanao, ary tsy araka ny fahavetavetan'ireo ihany no nataonao; fa hoatra ny zavatra kely loatra izany, ka dia nanao ratsy mihoatra noho ireo indray ianao tamin'ny nalehanao rehetra.
48Resnično, kakor živim, govori Gospod Jehova: Sodoma, sestra tvoja, ona in hčere njene niso delale kakor ti s svojimi hčerami!
48Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, na dia Sodoma rahavavinao sy ny zananivavy aza tsy mba nanao tahaka ny nataonao sy ny zanakao-vavy.
49Glej, to je bila pregreha sestre tvoje Sodome: v prevzetnosti, v vsem obilju in brezskrbnem pokoju je živela s hčerami svojimi, roke pa ubogim in potrebnim ni pokrepčala;
49Indro, izao no helok'i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin'ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
50a prevzetovale so in počenjale gnusobe pred mojimi očmi. Zato sem jih odpravil, ko sem bil to videl.
50Niavonavona izy ka nanao fahavetavetana teo anatrehako; ary nony nahita izany Aho, dia nanaisotra azy.
51Samarija tudi polovice tvojih grehov ni zagrešila; ti si pomnožila gnusobe svoje bolj nego onidve in si pravičnejši izkazala sestri svoji po vseh gnusobah, kar si jih zakrivila.
51Ary tsy ampy antsasaky ny fahotanao ny nataon'i Samaria; fa ianao efa nampitombo ny fahavetavetanao mihoatra noho izy, ary nampiseho ny rahavavinao ho toa marina indray tamin'ny fahavetave-tanao rehetra izay nataonao.
52Zatorej nosi tudi ti sramoto svojo, ki si jo prisodila svojima sestrama; po tvojih grehih, ki si jih gnusneje počenjala nego onidve, sta oni pravičnejši od tebe. Torej bodi tudi ti osramočena in nosi sramoto svojo, ker si pravičnejši izkazala sestri svoji.
52Hianao koa dia aoka hitondra ny henatrao araka ny efa nitsaranao ny rahavavinao. Noho ny fahotanao izay nahatonga anao ho vetaveta mihoatra noho ireo, ka dia miseho ho toa marina noho ianao izy, eny, menara koa ianao, ka mitondrà ny henatrao noho ny nampisehoanao ny rahavavinao ho toa marina.
53Hočem pa nazaj pripeljati njiju ujetništvo, ujetnike Sodome in njenih hčera in ujetnike Samarije in njenih hčera, pa tudi tvoje ujetnike med njimi;
53Ary hampodiko avy amin'ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin'izay olonao voababo,
54da naj nosiš sramoto svojo in se sramuješ vsega, kar si storila, ko jima bodeš v tolažbo.
54mba hitondranao ny henatrao sy hangaihaizanao noho izay rehetra nataonao amin'ny hampiononanao azy.[Na: tamin'ny nampiononanao azy]
55In tvoji sestri, Sodoma in hčere njene, tudi Samarija in hčere njene se povrnejo v prejšnji stan svoj, pa tudi ti in hčere tvoje se povrnete v prejšnji stan svoj.
55Ary ny rahavavinao, dia Sodoma sy ny zananivavy, dia hody amin'ny toetrany taloha, ary Samaria sy ny zananivavy dia hody amin'ny toetrany taloha, ary ianao sy ny zanakaovavy dia hody amin'ny toetrareo taloha koa.
56Kajti o Sodomi, sestri tvoji, ni bilo slišati iz ust tvojih v dan prevzetovanja tvojega,
56Nefa tsy mbola mba notononin'ny vavanao akory ny nanjo an'i Sodoma rahavavinao tamin'ny andro niavonavonanao,
57preden je bila razodeta hudobnost tvoja, kakor ob času, ko so te zasmehovale hčere sirske in vse, ki so okoli nje, hčere filistejske, ki so te zaničevale kroginkrog.
57fony tsy mbola niseho ny faharatsianao, toy ny tamin'ny andro nandatsan'ny zanakavavin'i Syria sy izay rehetra manodidina azy ary ny zanakavavin'ny Filistina, izay namingavinga anao manodidina.
58Nesramnost svojo in gnusobe svoje, ti jih boš nosila, govori GOSPOD.
58Ny faharatsianao sy ny fahavetavetanao no ho entinao, hoy Jehovah.
59Kajti tako pravi Gospod Jehova: Prav tako bom s teboj delal, kakor si ti delala, ki si v nič dejala prisego, prelomivši zavezo.
59Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Araka ny nataonao ihany no hataoko aminao, izay namingavinga ny fianianana ka nivadika ny fanekena.
60Vendar se bom spominjal zaveze svoje s teboj v dneh mladosti tvoje in ti ustanovim zavezo večno.
60Nefa hotsarovako ny fanekena nataoko taminao, tamin'ny andro fahakelezanao, ka hanorina fanekena mandrakizay aminao Aho.
61Tedaj se boš spominjala potov svojih in se sramovala, ko prejmeš k sebi sestri svoji, starejši od tebe, z mlajšimi vred, ko ti jih dam za hčere, ali ne na podlagi zaveze tvoje.
61Dia hotsarovanao ny nalehanao, ka ho menatra ianao, raha mandray ireo rahavavinao, dia ny zokinao sy ny zandrinao; ka homeko ho zanakao-vavy ireo, na dia tsy mba isan'ilay nanaovako fanekena taminao aza.
62In ustanovim s teboj zavezo svojo, in spoznaš, da sem jaz GOSPOD:da bi se spominjala in sramovala in nikdar ne odprla ust svojih zaradi sramote svoje, ko ti odpustim vse, kar si storila, govori Gospod Jehova.
62Izaho hanorina ny fanekeko aminao, ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah,mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.
63da bi se spominjala in sramovala in nikdar ne odprla ust svojih zaradi sramote svoje, ko ti odpustim vse, kar si storila, govori Gospod Jehova.
63mba hahatsiarovanao sy hangaihainao ary tsy hiloahanao vava intsony noho ny henatrao, raha mamela ny helokao ny amin'ny nataonao rehetra Aho, hoy Jehovah Tompo.