Slovenian

Malagasy

Ezekiel

17

1In beseda GOSPODOVA mi pride, govoreč:
1[Ny amin'ny nanetrena ny taranak'i Dasida, sy ny mbola hanandratana azy indray] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, zastavi uganko in govóri priliko hiši Izraelovi
2Ry zanak'olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin'ny taranak'Isiraely,
3in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Velik orel z velikimi perutnicami in dolgimi letalnimi peresi, poln pisanega perja, je priletel na Libanon in odtrgal vrh cedrovega drevesa.
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon'elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin'ny rantsan'ny sedera;
4Najgorenjo vejico je odtrgal in jo odnesel v deželo tržnikov in jo postavil v mestu kupčevalcev.
4ny tendron'ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin'ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan'ny mpandranto no namboleny azy.[Heb. Kanana; izahao xxvi. 29]
5In vzame semena dežele ter ga vseje na žitno njivo; nesel ga je k obilim vodam, gojil ga je kakor vrbo.
5Nangalany koa ny voan-javatra tamin'ny tany ka namboleny tao amin'ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron'ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin'ny hazomalahelo.
6In vzraslo je in postalo bohotna vinska trta nizke rasti, da so se njene veje obračale proti orlu in korenine njene bile pod njim; tako je postala vinska trta in poganjala mladike in raztezala grebenice.
6Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan'ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7Bil je pa drug velik orel z velikimi perutnicami in obilim perjem. In glej, ta vinska trta je od gredic svojega sadišča krivo iztezala korenine svoje žejno do njega in razgibala svoje veje proti njemu, da bi jo namakal.
7Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin'ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8Na dobri njivi, pri obilnih vodah je bila zasajena, da bi poganjala mladike in rodila sad, da postane slavna vinska trta.
8Voavoly tao amin'ny saha tsara teo amoron'ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9Reci: Tako pravi Gospod Jehova: Bo li imela srečo? Ne izruje li oni korenin njenih in odreže njenega sadu, da usahne? Vse njeno mlado listje, ki ga je pognala, se posuši; in ne bode treba velike moči in mnogega ljudstva, da jo vzdignejo od korenin njenih.
9Ataovinao hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin'ny fakany intsony.[Na: na dia tsy misy sandry mahery na vahoaka betsaka manongotra azy amin'ny fakany aza]
10In glej, čeprav zasajena, bo li imela srečo? Se li ne posuši docela, kakor hitro se je dotakne vzhodni veter? Usahne na gredicah, na katerih raste.
10Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian'ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin'ny tany voafaritra naniriany izy.
11Še mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
11Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
12Govóri vendar tisti uporni družini: Ne veste li, kaj to pomeni? Reci: Glejte, kralj babilonski je prišel v Jeruzalem in je vzel kralja in kneze v njem ter jih odpeljal k sebi v Babilon.
12Lazao amin'ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr'ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan'i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13In vzel je enega od kraljevega semena in ž njim sklenil zavezo in ga zaprisegel; mogočnike v deželi pa je vzel s seboj,
13Ary naka ny anankiray tamin'ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin'ny tany dia nentiny nandeha,
14da bodi kraljestvo ponižno, da bi se ne povzdignilo, temuč da bi, držeč zavezo svojo, obstalo.
14mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15Ali on se mu je uprl; poslal je sporočnike svoje v Egipt, da naj mu dado konj in dosti ljudstva. Bo li imel srečo? ubeži li, ko je to storil? Prelomil je zavezo, pa bi ubežal?
15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16Kakor res živim, govori Gospod Jehova: v kraju, kjer prebiva kralj, ki ga je postavil za kralja, pa mu je prisego v nič dejal in zavezo ž njim prelomil, pri njem umre v Babilonu.
16Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin'ny tanin'ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin'io, any Babylona, no hahafatesany.
17In nič ne opravi Faraon zanj z veliko vojsko in z veliko množico v boju, ko bodo nanašali nasipe in zidali obležne utrdbe, da iztrebijo mnogo duš.
17Ary amin'ny hanandratan'ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin'ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18Ker je v nič dejal prisego, prelomivši zavezo, – in glej, v roko je bil nanjo segel, in vendar je storil vse to – ne ubeži.
18Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin'ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Kakor resnično živim, prisego meni, ki jo je v nič dejal, in zavezo z menoj, ki jo je prelomil, prav to mu pripravim nad glavo!
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20In vržem mrežo svojo nanj in ulovljen bo v lovnici moji, in privedem ga v Babilon in tam se bom ž njim pravdal zaradi nezvestobe, ki jo je zagrešil zoper mene.
20Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan'ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21In vsi ubežniki njegovi od vseh krdel njegovih popadajo pod mečem, in kar jih preostane, bodo razkropljeni na vse vetrove. In spoznate, da sem jaz, GOSPOD, govoril.
21Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin'ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22Tako pravi Gospod Jehova: Tudi jaz vzamem od vršiča visoke cedre in ga zasadim; od najgorenjih vejic njenih odtrgam eno mlado in jo zasadim ne gori visoki in vzvišeni.
22Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin'ny rantsana avo indrindra amin'ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron'ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin'ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23Na visoki gori Izraelovi jo zasadim, in požene mladike in prinese sad in postane slavna cedra; in pod njo bodo prebivali vsi ptiči, vsakršna perutnina: v senci mladik njenih se nastanijo.In spoznajo vsa drevesa na polju, da sem jaz, GOSPOD, ponižal visoko drevo, povišal nizko drevo, posušil zeleno drevo in suhemu drevesu dal zeleneti. Jaz, GOSPOD, sem govoril in storil.
23Ao amin'ny tendrombohitra avon'ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin'ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.
24In spoznajo vsa drevesa na polju, da sem jaz, GOSPOD, ponižal visoko drevo, povišal nizko drevo, posušil zeleno drevo in suhemu drevesu dal zeleneti. Jaz, GOSPOD, sem govoril in storil.
24Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.