1In beseda GOSPODOVA mi je prišla, govoreč:
1[Ny famalian'Andriamanitra ny olona araka ny asany avy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Kaj menite, da rabite ta pregovor o zemlji Izraelovi, govoreč: Očetje so zobali kislo grozdje in otrokom so zobje skominasti?
2Nahoana no manao izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'ny Isiraely ianareo: Ny ray no mihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo?
3Kakor resnično živim, govori Gospod Jehova, ne boste več rabili tega pregovora v Izraelu!
3Rana velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany ao amin'ny Isiraely intsony.
4Glej, vse duše so moje; kakor duša očetova, tako duša sinova je moja; duša, ki greši, umrje.
4Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin'ny ray, dia toy izany koa ny fanahin'ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.
5In ako je kdo pravičen, in dela, kar je postavno in pravično,
5Fa raha marina ny olona ka manao izay marina sy mahitsy,
6po gorah ne jé in oči ne vzdiguje proti grdim malikom Izraelove hiše, bližnjega svojega žene ne oskrunja in ženi v nesnagi njeni se ne bliža,
6fa tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany, na manakaiky ny vehivavy izay mararin'ny fadim-bolana,
7nikomur ne škoduje, ampak dolžniku povrne zastavo, s silo ne vzame ničesar, lačnemu podeli kruh svoj in nagega odene z obleko,
7na mampahory olona, fa mamerina ny natao tsatòka, ary tsy mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny matanjaka,
8na obresti ne posoja in ne lihvuje, od krivice odvrača roko, po resnici sodi med možem in možem,
8tsy mampanàna vola, na maka tombony akory, fa miaro ny tanany tsy hanao ratsy ary manao fitsarana marina amin'ny miady,
9po postavah mojih živi in pazi na sodbe moje, da bi stregel resnici: ta je pravičen, gotovo bo živel, govori Gospod Jehova.
9ary mandeha araka ny lalàko sy ny mitandrina ny fitsipiko ka manao izay marina, dia marina izy ka ho velona tokoa, hoy i; Jehovah Tompo.
10Ako rodi sina silovitneža, ki preliva kri in stori katero onih reči,
10Fa raha miteraka zazalahy mpanao an-keriny sy mpandatsa-drà izy, ka manao na dia iray ihany amin'ireo zavatra ireo aza iny
11tistih čednosti pa ne dela, marveč jé po gorah in oskrunja bližnjega svojega ženo,
11(nefa tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny tenany), na mihinana eny an-tendrombohitra, na mandoto ny vadin'ny namany,
12ubožcu in potrebnemu škoduje, siloma jemlje, zastave ne vrne in oči vzdiguje h grdim malikom, počenja gnusobe,
12na mampahory ny malahelo sy ny mahantra, na mandroba, na tsy mamerina ny natao tsatòka, na manandratra ny masony ho amin'ny sampy ka manao izay fahavetavetana,
13posoja na obresti in lihvuje: ali bo živel? Ne bo živel! Vse te gnusobe je počenjal, mora umreti; kri njegova bodi nad njim!
13na mampanana vola, na maka tombony moa ho velona va izy? Tsy ho velona izy; nanao ireo fahavetavetana rehetra ireo izy; ho faty tokoa izy, ary ny ràny dia ho aminy ihany.
14A glej, rodi sina, ki vidi vse očeta svojega grehe, ki jih ta dela, pa se boji in enakega ne počenja:
14Ary, indro, raha iny kosa indray miteraka zazalahy, izay mahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, nefa nony mahita izany izy, dia tsy mba manao tahaka izany,
15ne jé po gorah, ne vzdiguje oči h grdim malikom Izraelove hiše, ne oskrunja bližnjega svojega žene,
15ka tsy mihinana eny an-tendrombohitra, na manandratra ny masony ho amin'ny sampin'ny taranak'Isiraely, na mandoto ny vadin'ny namany,
16ne škoduje nikomur, ne zahteva ničesar v zastavo, ne jemlje s silo, ampak daje lačnemu kruh svoj in odeva nagega z obleko;
16na mampahory olona, na maka tsatòka, na mandroba, fa manome ny haniny ho an'ny noana ary manafy lamba ny mitanjaka,
17varuje se roko položiti na reveža, ne posoja na obresti in ne lihvari, izpolnjuje sodbe moje in živi po postavah mojih: ta ne umrje zaradi krivičnosti očeta svojega, gotovo bo živel.
17miaro ny tànany tsy hampahory ny mahantra, tsy mampanana vola, na maka tombony, fa manaraka ny fitsipiko sy mandeha araka ny lalàko, dia tsy ho faty noho ny helo-drainy izy; ho velona tokoa izy.
18Oče njegov, ker je kruto stiskal, brata svojega siloma plenil in počenjal med ljudstvom svojim, kar ni dobro: glej, ta umre zaradi krivičnosti svoje.
18Ny amin'ny rainy, noho ny nanaovany an-keriny sy ny nandrobany ny rahalahiny ary ny nanaovany izay tsy mety tao amin'ny fireneny, dia, indro, ho faty noho ny helony izy.
19A vi pravite: Zakaj ne nosi sin krivice očeta svojega? Ker je sin delal, kar je postavno in pravično, in je hranil vse postave moje ter jih izpolnjeval: gotovo bo živel.
19Nefa, hoy ianareo: Nahoana moa ny zanaka no tsy mba hitondra ny helo-drainy? Raha ny zanaka manao izay marina sy mahitsy sy mitandrina ny didiko rehetra ka mankatò azy, dia ho velona tokoa izy.
20Duša, ki greši, umrje. Sin ne bo nosil očeta svojega krivice, tudi oče ne krivice sina svojega; pravičnost pravičnega ostane na njem, in brezbožnost ostane na brezbožnem.
20Ny fanahy izay manota no ho faty. Ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy, ary ny ray tsy mba hitondra ny heloky ny zanany; ny fahamarinan'ny marina ho aminy ihany ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy kosa ho aminy ihany.
21Ako pa se brezbožnik odvrne od vseh grehov svojih, ki jih je storil, in bo hranil vse postave moje in delal, kar je postavno in pravično, gotovo bo živel, ne umrje.
21Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
22Nobeden od prestopkov njegovih, ki jih je zakrivil, se mu ne bo spominjal; zaradi pravičnosti svoje, ki jo je storil, bo živel.
22Ny fahadisoany rehetra izay nataony tsy hotsarovana aminy intsony; ho velona izy noho ny fahamarinana izay nataony.
23Ali mi je res po volji smrt brezbožnikova? govori Gospod Jehova; ni li mi bolj všeč, da se izpreobrne od svojega dejanja ter živi?
23Moa sitrako akory va ny fahafatesan'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo, fa tsy ny hialany amin'ny alehany mba ho velona izy ?
24Ako pa se odvrne pravičnik od pravičnosti svoje ter dela nepravičnost po vseh gnusobah, ki jih počenja brezbožnik, ali naj živi? Nobeno od pravičnih del njegovih, ki jih je storil, se ne bo spominjalo: zavoljo nezvestobe svoje, s katero se je pregrešil, in zavoljo greha svojega, ki ga je zakrivil, mora umreti.
24Fa raha ny marina no miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka ary manaraka ny fahavetavetana rehetra izay nataon'ny ratsy fanahy, ho velona va izy? Ny fahamarinany rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana; noho ny fahadisoana izay nandisoany sy ny fahotana izay nanotany dia ho faty izy.
25In še pravite vi: Ni ravna pot Gospodova! Poslušajte vendar, o družina Izraelova: Moja li pot ni ravna? Ni li tako, da vaše poti niso ravne?
25Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak'Isiraely: Moa ny fitondrako va no tsy marina ? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?[Heb. lalana]
26Ko se pravičnik odvrne od pravičnosti svoje in se vda nepravičnosti in umre v tem: umre zavoljo nepravičnosti svoje, ki jo je storil.
26Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27In ko se brezbožnik izpreobrne od brezbožnosti svoje, s katero je grešil, in dela, kar je postavno in pravično, ohrani dušo svojo v življenju.
27Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.
28Ker je izprevidel in se je izpreobrnil od vseh prestopkov svojih, ki jih je zakrivil, gotovo bo živel, ne umrje.
28Raha mahita izy ka miala amin'ny fahadisoana rehetra izay nataony, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
29A vendar govori družina Izraelova: Pot Gospodova ni ravna. O družina Izraelova, moja li pot ni ravna? Ni li tako, da vaše poti niso ravne?
29Nefa hoy ny taranak'Isiraely: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. Ry taranak'Isiraely, ny fitondrako va no tsy marina? Tsy ny fitondranareo va no tsy marina?[Heb. lalana]
30Zatorej vas bom sodil, družina Izraelova, vsakega po dejanju njegovem, govori Gospod Jehova. Izpreobrnite se in odvrnite se od vseh prestopkov svojih, in krivica vam ne bo v padec.
30Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
31Vrzite od sebe vse prestopke svoje, s katerimi ste se pregrešili, in oskrbite si novo srce in novega duha! kajti čemu naj bi mrli, o družina Izraelova?Zakaj meni ni po volji smrt njega, ki gine, govori Gospod Jehova. Zato se izpreobrnite in živite!
31Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.
32Zakaj meni ni po volji smrt njega, ki gine, govori Gospod Jehova. Zato se izpreobrnite in živite!
32Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Hira fahalahelovana ny amin'ireo lehiben'ny Isiraely.