Slovenian

Malagasy

Ezekiel

2

1In veli mi: Sin človečji, postavi se pokonci, in govoril bom s teboj.
1[Ny niantsoana an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, mitsangàna, fa hiteny aminao Aho.
2In ko me je ogovoril, pride duh v mene in me postavi pokonci; in čul sem glas, ki mi je govoril.
2Ary nisy fanahy tonga tao anatiko, raha niteny tamiko Izy, ka nampitsangana ahy, ary reko Izay niteny tamiko.[Na: nody ny aiko]
3In mi reče: Sin človečji, jaz te pošiljam k sinovom Izraelovim, k narodom upornežem, ki so se uprli meni; oni in njih očetje so odpadli od mene prav do tega dne.
3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, maniraka anao ho amin'ny zanak'Isiraely Aho, eny, ho amin'ireo jentilisa mpiodina, izay efa niodina tamiko; izy sy ny razany dia samy efa nanota tamiko avokoa mandraka androany.
4In ti sinovi so brezsramnega obličja in trdega srca; k njim te pošiljam, in reci jim: „Tako pravi Gospod Jehova!“
4Ary ho any amin'ny zanaka mafy handrina sy madi-po no anirahako anao, ary ianao hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo.
5Oni pa, najsi poslušajo ali ne poslušajo (kajti uporna so družina), vendar bodo vedeli, da je bil prorok med njimi.
5Ary na hihaino izy na tsy hihaino (fa taranaka maditra izy), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany teo aminy.
6Ti pa, sin človečji, ne boj se jih in ne prestraši se njih besed, čeprav so res koprive in trnje okoli tebe in prebivaš med škorpijoni. Ne boj se njih besed in ne ustraši se njih obličja, kajti uporna so družina.
6Ary ianao, ry zanak'olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin'ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy. [Na: maditra]
7In govóri jim besede moje, najsi poslušajo ali ne, kajti uporneži so.
7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
8Ali ti, sin človečji, poslušaj, kar ti govorim; ne bodi uporen kakor tista uporna družina: odpri usta in jej, kar ti dam!
8Fa ianao kosa, ry zanak'olona, mihainoa izay lazaiko aminao; aza maditra tahaka izany taranaka maditra izany ianao; akafy ny vavanao, ka hano izay afahako anao.
9In videl sem, in glej: roka iztegnjena proti meni, in glej, v njej je zvitek knjige.In razgane jo pred menoj, in bila je popisana spredaj in zadaj, in bilo je pisano v njej žalovanje in zdihovanje in gorje.
9Ary hitako fa, indro, nisy tanana nahinjitra tamiko, ary, indro, nisy horonan-taratasy ny aminy.Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.
10In razgane jo pred menoj, in bila je popisana spredaj in zadaj, in bilo je pisano v njej žalovanje in zdihovanje in gorje.
10Dia novelariny teo anatrehako izany, ary nisy soratra teo anatiny sy teo ivoany; ary fitomaniana sy fidradradradrana loza no voasoratra teo.