Slovenian

Malagasy

Ezekiel

3

1In mi veli: Sin človečji, jej, kar najdeš; jej ta zvitek in pojdi, govóri hiši Izraelovi.
1Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, hano izay hitanao, eny, hano ity horonan-taratasy ity, dia mandehana, ka mitenena amin'ny taranak'Isiraely.
2In odprem usta, in on mi da jesti tisti zvitek.
2Dia nosokafako ny vavako, ary nafahany ahy izany horonan-taratasy izany.
3In mi reče: Sin človečji, nasiti si trebuh in napolni život svoj s tem zvitkom, ki ti ga dajem. In použil sem ga, in bil je v ustih mojih sladek kakor med.
3Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ny horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao. Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.
4Nato mi veli: Sin človečji, pojdi k Izraelovi hiši in govori jim z mojimi besedami!
4[Ny nanirahana an'i Ekeziela hilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny Isiraely] Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, andeha mankany amin'ny taranak'Isiraely, ka lazao aminy ny teniko.
5Zakaj nisi poslan k ljudstvu globokega govora in neznanega jezika, temuč k hiši Izraelovi;
5Fa tsy ho any amin'ny firenena miboediboedi-piteny sy miboeriboerika no anirahana anao, fa ho any amin'ny taranak'Isiraely ihany;
6ne k mnogim ljudstvom globokega govora in neznanega jezika, katerih besede ne moreš umeti. Res, ko bi te k takim poslal, bi te radi poslušali.
6tsy ho amin'ny firenena maro, izay miboediboedi-piteny sy miboeriboerika, ka tsy ho azonao ny teniny, fa raha maniraka anao ho amin'ireto Aho, dia hihaino anao izy.
7Ali hiša Izraelova te ne bo hotela poslušati, ker nočejo mene poslušati; zakaj vsa hiša Izraelova je trdega čela in otrplega srca.
7Fa ny taranak'Isiraely dia tsy mety mihaino anao, satria tsy mety mihaino Ahy izy; fa ny taranak'Isiraely rehetra dia mafy handrina sady madi-po.
8Glej, jaz sem naredil obličje tvoje trdo proti njih obličju in čelo tvoje trdo proti njih čelu;
8Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin'ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny.
9kakor demant, trše od skale sem naredil čelo tvoje. Ne boj se jih in ne ustraši se njih obličja, kajti uporna so družina.
9Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
10Še mi veli: Sin človečji, vse besede moje, ki ti jih bom govoril, sprejmi v srce svoje in poslušaj z ušesi svojimi.
10Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ny teny rehetra izay holazaiko aminao dia aoka ho mamin'ny fonao, ka henoy amin'ny sofinao.[Heb. raiso amin'ny fonao]
11Vstani pa idi k odpeljanim v sužnost, k svojega ljudstva otrokom, pa jim govori in jim reci: „Tako pravi Gospod Jehova!“ najsi poslušajo ali pa ne.
11Dia mandehana mankany amin'ny babo, dia ireo zanaky ny firenenao ary mitenena aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo na hihaino izy na tsy hihaino.
12Tedaj me je vzdignil duh, in slišal sem za seboj glas velikega grmenja, govoreč: „Hvaljena bodi slava GOSPODOVA s svojega mesta!“
12Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr'i Jehovah avy amin'ny fitoerany. [Na: rivotra]
13in šumenje perutnic živih stvari, ki so se dotikale druga druge, in ropot koles vzporedno ž njimi in glas velikega grmenja.
13Ary reko koa ny fikopakopaky ny elatry ny zava-manan'aina, izay nifanendry, sy ny fidilodilotry ny kodia teo anilany sy ny horakoraka be.
14In duh me je vzdignil in odnesel, in šel sem v bridkosti, v gorečnosti duha svojega in roka GOSPODOVA je bila mogočna nad menoj.
14Ary nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy, dia lasa aho sady nirehitra tamin'ny fahavontosan'ny fanahiko; ary ny tànan'i Jehovah dia nahery tao amiko.[Na: rivotra][Heb. mangidy]
15In prišel sem v Telabib k preseljenim v sužnost, bivajočim pri reki Kebarju, in ondi, kjer so oni sedeli, sem sedel strmeč sedem dni.
15Dia tonga tany amin'ny babo tany Telabiba aho, dia teo amin'izay nonina teo amoron'ny ony Kebara, teo amin'izay nipetrahany, ary mandritra ny hafitoana dia tahaka ilay torana iny aho.
16In zgodi se ob koncu sedmih dni, da mi je prišla beseda GOSPODOVA, govoreč:
16Ary nony afaka ny hafitoana, dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
17Sin človečji, za čuvaja sem te postavil hiši Izraelovi, da bi jih, čujoč besedo iz mojih ust, svaril v mojem imenu.
17Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.
18Ako rečem brezbožniku: Gotovo umreš! A ti ga ne posvariš in ne govoriš, da odvrneš brezbožnika s krivične poti njegove, da ga ohraniš v življenju; umre ta brezbožnik v krivici svoji, ali kri njegovo bom zahteval iz tvojih rok.
18Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao! ary tsy mananatra azy ianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin'ny lalany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin'ny helony ihany ilay ratsy fanahy; nefa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
19Toda če posvariš brezbožnika, on pa se ne preobrne od svoje brezbožnosti in od krivične poti svoje: umre v krivici svoji, ali ti si otel dušo svojo.
19Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao, ka izy no tsy mety miala amin'ny faharatsiany sy amin'ny lalany ratsy, dia ho faty amin'ny helony ihany izy; fa ho voavonjinao ny fanahinao.
20In ko se odvrne pravični od pravičnosti svoje in bo delal krivico in mu nastavim spotikljaj: umre; ako ga nisi posvaril, umre v grehu svojem in pravičnih del njegovih, ki jih je storil, se ne bo spominjalo, toda kri njegovo bom zahteval iz tvojih rok.
20Ary koa, raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, ary mametraka fahatafintohinana eo anoloany Aho, dia Ho faty izy; eny noho ny tsy nananaranao azy dia ho faty amin'ny fahotany ihany izy, ary ny fahamarinana izay nataony tsy hotsaroana, nefa kosa hadiniko amin'ny tananao ny ràny.
21Ako pa posvariš pravičnega, da bi ne grešil, pa ne bo grešil, gotovo bo živel, ker se je dal posvariti; ti pa si otel dušo svojo.
21Fa raha mananatra ny marina mba tsy hanota ianao, ka tsy manota izy, dia ho velona tokoa izy, satria nino anatra; ary voavonjinao koa ny fanahinao.
22In roka GOSPODOVA je bil tam nad menoj, in mi veli: Vstani, pojdi v nižavo, in tam bom govoril s teboj.
22[Faminaniana ny amin'ny hanjo an'i Jerosalema] Ary ny tànan'i Jehovah dia tamiko, ary hoy Izy tamiko: Mitsangàna, ka mivoaha ho any amin'ny lohasaha, ary any no hitenenako aminao.
23Vstanem torej in odidem v nižavo. In glej, ondi je stala slava GOSPODOVA, enaka slavi, ki sem jo videl pri reki Kebarju. In padem na obraz svoj.
23Dia nitsangana aho ka nivoaka nankany amin'ny lohasaha; ary, indro, nitoetra teo ny voninahitr'i Jehovah tahaka ny voninahitra izay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany dia nikarapoka nihohoka aho.
24A duh pride v me in me postavi pokonci. In govori z menoj in mi reče: Pojdi, zakleni se v hišo svojo.
24Ary nisy fanahy tonga tao anatiko ka nampitsangana ahy; dia niteny tamiko Izy ka nanao hoe: Andeha, mirindrina ao anatin'ny tranonao ianao.
25In ti, sin človečji, glej: vrvi denejo nate in te zvežejo ž njimi, da ne boš mogel iti ven mednje.
25Fa ianao, ry zanak'olona, indro, hasiany fatorana, izay hamatorany anao, ka tsy hahazo mivoaka ho ao aminy ianao.
26In storim, da se ti jezik prilepi k nebesu, da onemiš in jim ne boš svarilec; kajti uporna so družina.Ali ko bom govoril s teboj, odprem usta tvoja, in porečeš jim: Tako pravi Gospod Jehova: Kdor hoče poslušati, poslušaj, kdor pa noče, naj ne posluša; kajti uporna so družina.
26Ary hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka ho moana ianao ary tsy ho mpananatra azy; fa taranaka maditra izy.Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.
27Ali ko bom govoril s teboj, odprem usta tvoja, in porečeš jim: Tako pravi Gospod Jehova: Kdor hoče poslušati, poslušaj, kdor pa noče, naj ne posluša; kajti uporna so družina.
27Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay mihaino, dia aoka izy hihaino; ary izay tsy mihaino, dia aoka izy tsy hihaino kosa; fa taranaka maditra izy.