Slovenian

Malagasy

Ezekiel

4

1Ti pa, sin človečji, si vzemi opeko, jo položi predse in zariši na njej mesto, Jeruzalem.
1Ary ianao, ry zanak'olona, makà kapila tanimanga, ary apetraho eo anoloanao, dia manorata sarin-tanàna eo aminy, dia sarin'i Jerosalema;
2In napravi oblego proti njemu in postavi obležne utrdbe zoper njega in zgradi obzidje okoli njega, in zasadi zidolome zoper njega kroginkrog.
2ary ataovy fahirano izy, ka manaova tilikambo hamelezana azy, ary manandrata tovon-tany manodidina azy; ary asio toby hamelezana azy, ary asio lohondry vy fandravana manodidina azy.
3In vzemi zase železno ponev in jo postavi kot železen zid med seboj in mestom; in vpri obličje svoje vanj, da bodi obleženo in da ga ti oblegaš. To bodi znamenje hiši Izraelovi.
3Ary makà lapoely, ka ataovy manda vy eo anelanelanao sy ny tanàna, dia banjino tsara io, ary aoka hatao fahirano, eny, aoka hataonao fahirano io. Famantarana ho amin'ny taranak'Isiraely izany.
4Dalje lezi na svojo levo stran in deni nanjo krivico hiše Izraelove: kolikor dni boš ležal na njej, boš nosil njih krivico.
4Ary ataovy ambany mandry ny ilanao ankavia, ka ataovy eo aminy ny fahotan'ny taranak'Isiraely; koa araka ny isan'ny andro handrianao toy izany no hitondranao ny helony.
5Zakaj jaz sem ti premenil leta njih krivice v število dni: tristo in devetdeset dni; in tako boš nosil hiše Izraelove krivico.
5Fa Izaho dia manao fetr'andro ho anao mitovy amin'ny taonan'ny helony, dia sivi-folo amby telon-jato andro, ka ho entinao ny heloky ny taranak'Isiraely.
6In potem, ko jih dopolniš, lezi na desno stran svojo in nosi krivico hiše Judove štirideset dni; dan sem ti določil za leto, dan, pravim, za leto.
6Ary rehefa tapitrao ireo, dia ataovy ambany mandry kosa ny ilanao ankavanana, ary aoka hitondra ny heloky ny taranak'i Joda efa-polo andro ianao; ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao.
7In vpri obličje z odkrito ramo svojo proti oblegi Jeruzalema in prorokuj zoper njega.
7Dia banjino tsara io fahirano an'i Jerosalema io, ary aoka hiseho sandry ianao ka haminany hamely azy.
8In glej, jaz denem vrvi nate, da se ne boš mogel obrniti s strani na stran, dokler nisi dopolnil dni obleganja svojega.
8Ary, indro, hafatotro ianao ka tsy hahavadi-mandry ambara-pahatapitrao ny andron'ny fahiranonao.
9Tudi si vzemi pšenice in ječmena in boba in leče in prosa in pirjevice ter deni to v eno posodo in si pripravi iz te zmesi toliko hlebov, kolikor dni boš ležal na svoji strani: tristo in devetdeset dni boš jedel to.
9Ary mangalà vary tritika sy vary hordea sy tsaramaso sy voanemba sy ampemby sy spelta ianao, ary ataovy am-bilia iray ireo, ka anaovy mofo ho anao; araka ny isan'ny andro izay handrianao amin'ny ilanao, dia sivi-folo amby telon-jato andro, no hihinananao azy. [Heb. nangidy]
10In tvoja jed, ki jo boš užival, bodi odtehtana, po dvajset seklov na dan; od roka do roka jo boš jedel.
10Ary an-danjany no hihinananao ny haninao, dia roa-polo sekely isan'andro; asio elanelany ny fihinanao azy.
11Tudi vodo boš pil na mero, šesti del hina; od roka do roka jo boš pil.
11Ary rano afàtra no hosotroinao, dia ampahenin'ny hina; asio elanelany koa ny fisotronao azy.
12In jedel jih boš kakor ječmenove kolače in pekel pred njih očmi s človeškim blatom.
12Ary hatao toy ny mofo vary hordea no ho fihinanao azy, ary diky no hataonao kitay hanendasanao azy eo imasony.
13In GOSPOD je rekel: Tako bodo morali sinovi Izraelovi jesti nečisti kruh svoj med poganskimi narodi, kamor jih razženem.
13Ary hoy Jehovah: Toy izany no hihinanan'ny zanak'Isiraely ny mofony voaloto any amin'ny firenena izay handroahako azy.
14Jaz pa sem rekel: Ah, Gospod Jehova! Glej, duša moja ni nikdar bila ognušena, kajti od mladosti svoje pa do zdaj nisem jedel mrline ali od zveri raztrganega in nikoli ni prišlo nečisto meso v usta moja.
14Dia hoy izaho: Indrisy Jehovah Tompo ô, indro tsy voaloto ny fanahiko; fa hatry ny fony aho mbola tanora ka mandraka ankehitriny dia tsy mba nihinana izay fatin-javatra na izay noviraviraim-biby akory aho; ary tsy mbola nikasika ny vavako akory izay nofo fahavetavetana.
15Tedaj mi reče: Glej, dovolim ti govejaka namesto človeškega blata, da na njem pripraviš kruh svoj.
15Dia hoy Izy tamiko: Indro, tain'omby no omeko anao hisolo ny dity, ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16Še mi reče: Sin človečji, glej, jaz potarem podporo kruha v Jeruzalemu – jedli bodo kruh na tehto in v skrbi in vodo pili na mero in strmeč –zato da bi jim zmanjkalo kruha in vode in da bi strmo gledali drug ob drugem in ginili v krivici svoji.
16Ary hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, indro, hotapahiko any Jerosalema ny mofo, tohan'aina, ka an-danjany amin'ny fanahiana no hihinanany mofo; ary rano afàtra no hosotroiny amin'ny fahatahorana.Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.
17zato da bi jim zmanjkalo kruha in vode in da bi strmo gledali drug ob drugem in ginili v krivici svoji.
17Ka dia ho mosare-mofo sy rano izy, ary samy ho raiki-tahotra sady hihalevona noho ny helony.