Slovenian

Malagasy

Ezekiel

5

1Ti pa, sin človečji, vzemi si oster meč, da ti rabi kakor britev, in obrij si glavo in brado; potem si vzemi tehtnico ter razdeli lase.
1Ary ianao, ry zanak'olona, dia makà sabatra maranitra ho toy ny harezan'ny mpanala volombava, ka anarato ny lohanao sy ny somotrao, dia makà mizana, ka zarao ny volo.
2Tretjino jih sežgi z ognjem sredi mesta, ko bodo dopolnjeni dnevi obleganja; tretjino jih pa vzemi in razmahaj z mečem okoli mesta; in tretjino jih raztresi po vetru, in jaz izderem meč za njimi.
2Ny ampahatelony dia dory amin'ny afo ao an-tanàna, rehefa tapitra ny andron'ny fahirano; ary alao koa ny ampahatelony, ka asio ny sabatra manodidina; ary ny ampahatelony dia aelezo ho amin'ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3In prav malo jih vzemi ter jih zaveži v rob svojega plašča.
3Ary analao vitsivitsy ireo, ka fonosy ao amin'ny sisin-dambanao.
4Pa teh vzemi še nekaj in jih vrzi v ogenj in jih sežgi v ognju: odtod plane ogenj proti vsej Izraelovi hiši.
4Ary ireny indray dia mbola analao koa, dia atsipazo eo anaty afo izany, ka dory eo fa hisy afo hivoaka avy aminy ho amin'ny taranak'Isiraely rehetra.
5Tako pravi Gospod Jehova: To je Jeruzalem; postavil sem ga sredi med poganske narode in dežele okoli njega.
5Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan'ny jentilisa, ka voahodidin'ireny tany ireny izy.
6A uprl se je mojim sodbam, ravnajoč brezbožno bolj nego pogani, in mojim postavam bolj nego dežele, ki so okoli njega; kajti sodbe moje so zavrgli in po postavah mojih niso živeli.
6Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Ker ste divjali bolj nego poganski narodi okoli vas in niste živeli po zapovedih mojih in niste izpolnjevali sodb mojih, pa še po pravicah narodov, ki so okoli vas, niste delali –
7Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Satria ianareo nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8zato pravi Gospod Jehova takole: Glej, jaz, tudi jaz bodem zoper tebe in izvršim sodbe sredi tebe pred očmi tistih narodov.
8dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho dia Izaho no mamely anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason'ny firenena.
9In hočem v tebi storiti, česar še nisem storil in nikdar več ne bom storil, zavoljo vseh gnusob tvojih.
9Ary noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10Zato bodo sredi tebe očetje jedli otroke in otroci bodo jedli očete, in izvršim sodbo v tebi in ves tvoj ostanek raztresem na vse vetrove.
10Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy; ary hanao fitsarana eo aminao Aho, ary izay sisa rehetra aminao dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra;
11Zategadelj, kakor res živim, govori Gospod Jehova, ker si oskrunil svetinjo mojo z vsemi ostudami svojimi in z vsemi gnusobami svojimi, zato te tudi jaz obrijem, in oko moje ne zanese; tudi jaz se ne usmilim.
11eny, raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin'ny zava-dratsinao rehetra sy tamin'ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hampiala ny masoko, fa tsy hiantra; eny, Izaho dia tsy hamindra fo.
12Tretji del tebe umrje za kugo in z lakoto bo pokončan sredi tebe; in tretji del pade pod mečem povsod okoli tebe, in tretji del raztresem na vse vetrove in izderem meč za njimi.
12Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin'ny areti-mandringana na ho ringan'ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon'ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony dia haeliko ho amin'ny rivotra rehetra, ary hanatsoaka sabatra ho entiko manenjika azy Aho.
13Tako se dopolni jeza moja, in pomirim togoto svojo nad njimi in se potolažim; in spoznajo, da sem jaz, GOSPOD govoril v gorečnosti svoji.
13Ary ho tanteraka amin'izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako, ka hialako fo izy; dia ho fantany fa Izaho Jehovah no niteny izany tamin'ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14In storim te v pustinjo in v zasmeh med narodi, ki so okoli tebe, pred očmi vseh, ki gredo mimo.
14Ary hataoko lao sy fandatsa eny amin'ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason'izay rehetra mandalo.
15In bodeš v zasmeh in zasramovanje, v svarilo in strmenje narodom, ki so okoli tebe, ko bom nad teboj vršil sodbe v srdu in togoti in v jeznem svarjenju. Jaz, GOSPOD, sem govoril.
15Ka dia hisy latsa sy fitenenan-dratsy sy famaizana sy figagana avy amin'ny jentilisa manodidina anao, rehefa manao fitsarana aminao Aho amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin'ny fananarana mafy Izaho Jehovah no niteny izany
16Kadar bom vanje streljal hude pšice lakote, ki bodo v pogubo, ki jih pošljem pogubit vas, tedaj pomnožim lakoto nad vami in starem vašo podporo kruha.In pošljem nad vas lakoto in najhujše zveri, da vam ugonobe otroke; tudi kuga in kri pojdeta skozi tebe, in meč prinesem nadte. Jaz, GOSPOD, sem govoril.
16raha alefako ho fandringanana azy ny mosary dia ny zana-tsipìka ratsy izay halefako handringana anareo, sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo, ka hotapahiko ny mofonareo, izay tohan'aina.Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany
17In pošljem nad vas lakoto in najhujše zveri, da vam ugonobe otroke; tudi kuga in kri pojdeta skozi tebe, in meč prinesem nadte. Jaz, GOSPOD, sem govoril.
17Dia haterako mosary sy biby masiaka eo aminareo, izay hahalany fara anareo; ary handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-drà, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho Jehovah no niteny izany