1In prišla mi je beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny amin'ny handravana ny fomban'ny sampy sy ny mpivavaka aminy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, obrni obličje na gore Izraelove in prorokuj zoper nje
2Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitry ny Isiraely, ary maminania ny hamelezana azy,
3in reci: Gore Izraelove, poslušajte besedo Gospoda Jehove! Tako pravi Gospod Jehova goram in hribom, rupam in dolinam: Glejte, jaz pripeljem meč nad vas in pokončam višave vaše;
3ka ataovy hoe: Ry tendrombohitry ny Isiraely ô. Mihainoa ny tenin'i Jehovah Tompo: Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny lohasahan-driaka sy ny lohasaha: Indro, Izaho no hahatonga sabatra hamely anareo, ary horavako ny fitoerana avonareo.
4in vaši oltarji se razrušijo in solnčni stebri vaši bodo strti. In storim, da bodo popadali prebodenci vaši pred grdimi maliki vašimi,
4Ary hokoroina ny alitaranareo, ary hosimbana ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro; ary hataoko mitsitra eo anoloan'ny sampinareo ny fatinareo;[Na: tsangam-batonareo]
5in vržem trupla sinov Izraelovih pred grde njih malike in raztrosim kosti vaše okoli vaših oltarjev.
5Ary ny fatin'ny zanak'Isiraely hataoko eo anoloan'ny sampiny; Ary ny taolanareo dia haeliko eny manodidina ny alitaranareo eny.
6Kjerkoli prebivate, bodo mesta razdejana in višave opustošene, da se razrušijo oltarji vaši ter opustošijo in uničijo grdi maliki vaši in da se posekajo solnčni stebri vaši in iztrebijo stvarine vaše;
6Any amin'ny fonenanareo rehetra dia ho lao ny tanàna, Ary ho rava ny fitoerana avo, mba ho rava sy lao koa ny alitaranareo, dia hotapatapahina sy hofoanana ny sampinareo, ary hokapaina ny tsangan-kazonareo ho an'ny masoandro, Ka dia holevonina ny asanareo.[Na: tsangam-batonareo]
7in prebodenci bodo padali sredi vas. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
7Ary hisy faty hiampatrampatra eo aminareo; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
8Vendar vam pustim ostanek, tako da boste med narodi imeli nekatere, ki ubeže meču, ko boste razkropljeni po deželah.
8Nefa hamelako hisy sisa ihany ianareo, fa hisy ho afaka amin'ny sabatra any amin'ny jentilisa, Rehefa voaely ho any amin'ny tany samy hafa ianareo.
9In tisti ubežniki vaši se bodo spominjali mene med narodi, kamor jih ujete odpeljejo, kadar potarem njih nečistosti vdano srce, ki je odstopilo od mene, in njih oči, ki so nečisto za njih maliki gledale; in sami sebi se bodo studili zavoljo hudobnosti, ki so jih zakrivili ob vseh gnusobah svojih.
9Ary izay afaka aminareo dia hahatsiaro Ahy any amin'ny jentilisa izay hitondrana azy ho babo, rehefa voatorotoroko ny fony mijangajanga, izay efa niala tamiko, sy ny masony, izay mijangajanga manaraka ny sampiny, ary haharikoriko azy ny tenany noho ny ratsy izay efa nataony, dia ny fahavetavetany rehetra;
10Tedaj bodo vedeli, da sem jaz GOSPOD. Nisem zaman govoril, da jim hočem storiti to zlo.
10Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, ary tsy foana ny nilazako fa hahatonga izany loza izany aminy Aho.
11Tako pravi Gospod Jehova: Ploskni z roko in ob tla udari z nogo in reci: Gorje zaradi vseh hudih gnusob hiše Izraelove; zakaj popadati morajo po meču, lakoti in kugi.
11Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Mameleza amin'ny tananao ianao, ary mitotoa amin'ny tongotrao, ka manaova hoe: Indrisy! ny fahavetavetana ratsy rehetra ataon'ny taranak'Isiraely, izay ho lavon'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana!
12Kdor je daleč, umre za kugo, in kdor je blizu, pade pod mečem, kdor pa preostane in bo obvarovan, umre lakote: tako dopolnim togoto svojo nad njimi.
12Ny lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny akaiky ho lavon'ny sabatra, ary izay sisa sy izay voaro dia ho faty mosary; Ka dia hotanterahiko aminy ny fahatezerako.
13In spoznate, da sem jaz GOSPOD, ko bodo njih prebodenci ležali med njih maliki, okoli njih oltarjev, na vsakem hribu visokem in na vseh vrhovih gora in pod vsakim zelenim drevesom in pod vsakim košatim hrastom, na tistih krajih, kjer so vsem grdim malikom svojim prinašali prijetne dišave.In iztegnem roko zoper nje in storim njih deželo pusto in opustošeno bolj nego je puščava Diblat, kjerkoli prebivajo. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
13Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, Rehefa miampatrampatra eny amin'ny sampy manodidina ny alitarany ny voavono ao aminy, eny amin'ny havoana andrandraina rehetra, eny amin'ny tendrombohitra rehetra sy eny ambanin'ny hazo maitso rehetra sy eny ambanin'ny terebinta misandrahaka rehetra, dia eny amin'izay efa nanaterany hanitra ankasitrahana tamin'ny sampiny rehetra;Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
14In iztegnem roko zoper nje in storim njih deželo pusto in opustošeno bolj nego je puščava Diblat, kjerkoli prebivajo. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
14Hahinjitro aminy ny tanako, ary ny tany any amin'ny fonenany rehetra dia hataoko lao sy foana mihoatra noho ny efitr'i Dibla; Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.