Slovenian

Malagasy

Ezekiel

29

1V desetem letu, dvanajsti dan desetega meseca, mi je prišla beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny hamaliana an'i Farao sy ny vahoakany ary ny taniny] Tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, obrni obličje proti Faraonu, kralju v Egiptu, in prorokuj zoper njega in zoper ves Egipt,
2Ry zanak'olona, manandrifia an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka maminania ny hamelezana azy mbamin'i Egypta rehetra.
3govori in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Glej, jaz sem zoper tebe, Faraon, kralj egiptovski, veliki zmaj, ki ležiš sredi svojih rek, ki si rekel: Moja reka je moja in jaz sem jo sebi naredil.
3Mitenena, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan'i Egypta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin'ny Neiliny, dia ilay efa nanao hoe: Ahy ny Neiliko, fa izaho no namorona azy ho an'ny tenako.[Na: mamba]
4A denem ti trnek v čeljusti in storim, da se prilepijo ribe tvojih rek tebi na luskine, in izvlečem te gori iz rek tvojih z vsemi ribami tvojih rek vred, ki se tvojih luskin drže.
4Ary hasiako farango ny valanoranonao, sady hampiraiketiko amin'ny kiranao ny hazandrano ao amin'ny Neilinao, dia hampiakariko avy eo afovoan'ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin'ny Neilinao dia hiraikitra amin'ny kiranao.
5In vržem te v puščavo, tebe in vse ribe tvojih rek; na planem polju padeš; ne pobero te, ne spravijo te: zverinam zemlje in pticam nebeškim sem te dal za jed.
5Ary hariako any an-efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin'ny Neilinao; hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina; Efa nomeko hohanin'ny bibi-dia sy ny voro-manidina ianao.
6In zvedeli bodo vsi prebivalci Egipta, da sem jaz GOSPOD, zato ker so bili trstovec hiši Izraelovi.
6dia ho fantatry ny mponina rehetra any Egypta fa Izaho no Jehovah, satria efa tehina volotara ho an'ny taranak'Isiraely izy.
7Kadar so te z roko prijeli, si se zlomil in jim predrl vse rame; kadar so se pa nate oprli, si se prelomil in storil, da jim je omahovalo vse ledje.
7(Nony mandray anao amin'ny tànany izy, dia folaka ianao, ka voatsindronao ny helik'izy rehetra; Ary nony mitehina aminao izy, dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny valahan'izy rehetra.)
8Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Glej, pripeljem meč nadte ter iztrebim ljudi in živino iz tebe,
8Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9in dežela Egiptovska bode v puščavo in samoto. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD. Ker Faraon govori: Reka je moja in jaz sem jo naredil,
9Ary ny tany Egypta ho rava sy lao; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah. Satria hoy izy: Ahy Neily, ary izaho no nanao azy,
10zato, glej, sem jaz zoper tebe in zoper reke tvoje, in naredim deželo Egiptovsko v suhe, puste pustinje, od Migdola do Siene, prav do meje Etiopije.
10Dia, indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Egypta hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Syena, dia hatramin'ny sisin'i Etiopia.
11Ne bo hodila skozi njo ne človeška, ne živalska noga, in ne bodo v njem prebivali štirideset let.
11Tsy hodiavin-tongotr'olona ny tany, ary ny tongo-biby aza tsy handia azy, sady tsy honenana efa-polo taona izy.
12In naredim deželo Egiptovsko v puščavo sredi opustošenih dežel in mesta njegova bodo puščava med pustimi mesti štirideset let; in razkropim Egipčane med narode ter jih razženem pa deželah.
12Ary hataoko tany rava dia rava ny tany Egypta, ary ho lao dia ho lao efa-polo taona ny tanànany; Eny, haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ary hahahako any amin'ny tany samy hafa.[Heb. rava ao amin'ny tany rava][Heb. lao amin'ny tanàna lao]
13Ali tako pravi Gospod Jehova: Ob koncu štiridesetih let zberem Egipčane izmed narodov, med katere so bili razkropljeni,
13Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa afaka efa-polo taona, dia hangoniko avy any amin'ny firenena izay nielezany ny Egyptiana:
14in pripeljem nazaj ujetništvo egiptovsko in jih privedem v deželo Patros, v deželo njih rojstva, in tam bodo neznatno kraljestvo.
14Ary haveriko avy amin'ny fahababoany izy, ka hampodiko any amin'ny tany Patrosa, tany nihaviany, izy; Ary ho fanjakana ambany Egypta;
15In bode nižje nego druga kraljestva in ne bo se več poviševalo nad narodi; in zmanjšam jih, da ne bodo več gospodovali narodom.
15Eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin'ny firenena hafa intsony; Fa hohakeleziko izy ka tsy hampanompo ny firenena intsony.
16In ne bode več hiši Izraelcev v upanje, ki jih spominja njih krivice, da so se k njemu obračali. In spoznajo, da sem jaz Gospod Jehova.
16Dia tsy ho tokin'ny taranak'Isiraely intsony izy ho fampahatsiarovana ny helony amin'ny andehanan'ireo hanaraka azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
17In zgodilo se je v sedemindvajsetem letu, prvi dan prvega meseca, da mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
17[Ny babo azon'i Nebokadnezara tany Egypta ho karaman'ny miaramilany noho ny fahasasarany tany Tyro] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahafito amby roa-polo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18Sin človečji! Nebukadnezar, kralj babilonski, je naložil svoji vojski trdo službo zoper Tir. Vsaka glava je oplešena in vsaka rama je oguljena; od Tira pa ni bilo nobenega plačila njemu in vojski njegovi za službo, ki jo je storil zoper njega.
18Ry zanak'olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin'i Nebokadnezara, mpanjakan'1 Babylona, ny miaramilany tamin'ny namelezany an'i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin'ny namelezany azy.
19Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Glej, jaz dam Nebukadnezarju, kralju babilonskemu, deželo Egiptovsko, da odnese bogastvo njeno ter jo oropa in opleni, in to bode plačilo vojski njegovi.
19Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, homeko an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ny tany Egypta, dia halainy ny hareny, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman'ny miaramilany.
20V povračilo, za katero je delal, sem mu dal deželo Egiptovsko, ker so delali zame, govori Gospod Jehova.Tisti dan storim, da zraste hiši Izraelovi rog, in tebi odprem usta sredi njih; in spoznajo, da sem jaz Gospod.
20Ho valin'ny fanompoana nataony tany Tyro no nanomezako azy ny tany Egypta, satria nataony ho Ahy izany, hoy Jehovah Tompo.Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
21Tisti dan storim, da zraste hiši Izraelovi rog, in tebi odprem usta sredi njih; in spoznajo, da sem jaz Gospod.
21Amin'izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an'ny taranak'Isiraely Aho, ary hampiloahiko vava eo aminy ianao; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.