1In pride mi beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny andro hitsarana an'i Egypta] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, prorokuj in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Tulite! Gorje tisti dan!
2Ry zanak'olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!
3Kajti blizu je tisti dan; res, blizu je dan GOSPODOV, dan oblakov: čas poganov bode.
3Fa efa antomotra ny andro, eny, antomotra ny andron'i Jehovah, dia andro mandrahona sy fotoana hamaliana ny jentilisa izany.
4In meč pride nad Egipt; in trepet bode v Etiopiji, ko bodo ranjeni padali v Egiptu in ko odpeljejo njegovo množico in bodo razdejana njegova podzidja.
4Ary hisy sabatra tonga any Egypta sy fangorohoroana fatratra any Etiopia, raha miampatrampatra any Egypta ny voatrabaka; Ary ho lasa ny hareny, sady ho rava ny fanorenany.
5Etiopija, Put in Lud in vse mešano ljudstvo in Kub in sinovi dežele zavezne padejo ž njimi vred pod mečem.
5Etiopia sy Libya sy Lydia sy ny olona samy hafa firenena rehetra sy ny Kobiana sy ny zanaky ny tany vita fanekena dia hiaraka ho lavon-tsabatra aminy.[Heb. Pota][Heb. Loda]
6Tako pravi GOSPOD: Tudi tisti, ki podpirajo Egipt, padejo, in zgrudi se napuh moči njegove; od Migdola do Siene bodo v njem padali pod mečem, govori Gospod Jehova.
6Izao no lazain'i Jehovah: Ho lavo koa izay manohana an'i Egypta, ary hietry ny fiavonavonan'ny heriny; Hatrany Migdola ka hatrany Syena no ho lavon-tsabatra izy, hoy Jehovah Tompo.
7In bodo kot pustota sredi opustošenih dežel in njih mesta sredi med razdejanimi mesti.
7Ho rava dia ho rava izy, ary ny tanànany ho lao dia ho lao.[Heb. rava ao amin'ny tany rava][Heb. lao ao amin'ny tanàna lao]
8In spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ko zanetim ogenj v Egiptu in bodo strti vsi pomočniki njegovi.
8Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha mampirehitra afo any Egypta Aho, ka torotoro izay rehetra manampy azy.
9Tisti dan pojdejo poslanci izpred mene na ladjah, da prestrašijo brezskrbne Etiopce; in velik strah jih pretrese v dan egiptovski, zakaj, glej, prihaja!
9Amin'izany andro izany dia hisy iraka mivoaka avy amiko handeha an-tsambo hampahatahotra ny Etiopiana izay mitoetra tsy manahinahy, ka dia hangorohoro tahaka ny tamin'ny andro namelezana an'i Egypta izy; Fa, indro, avy izany.
10Tako pravi Gospod Jehova: Storim tudi, da vzame konec hrup množice egiptovske po roki Nebukadnezarja, kralja babilonskega.
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, no ho entiko mahafoana ny horakorak'i Egypta.[Na. mandevona ny hareny]
11On in ljudstvo njegovo ž njim, silovitniki med narodi, bodo pripeljani, da pogubé deželo; in potegnejo meče svoje zoper Egipt ter napolnijo deželo z ubitimi.
11Izy sy ny vahoakany manaraka azy, dia ireo masiaka indrindra amin'ny firenena, no ho entina handrava ny tany; Ary hanatsoaka ny sabany hamely an'i Egypta ireny, ka ho feno faty ny tany.
12In posušim reke Nila in prodam deželo v roko hudobnežev in opustošim deželo in karkoli je v njej po roki tujcev. Jaz GOSPOD sem govoril to.
12Hahatankina an'i Neily sy hivarotra ny tany ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy Aho, ary ny tanan'ny fahavalo no ho entiko mandrava ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy; Izaho Jehovah no niteny izany.
13Tako pravi Gospod Jehova: Tudi uničim grde malike in odpravim ničeve podobe iz Nofa, in ne bode nobenega kneza več iz dežele Egiptovske; in pošljem strah v Egiptovsko deželo.
13Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Horavako koa ny sampy, ary hatsahatro ny andriamani-tsi-izy ao Memfisa; ary tsy hisy mpanjaka intsony amin'ny tany Egypta;[Heb. Nofa]
14In opustošim Patros in ogenj zanetim v Zoanu in sodbe izvršim nad Tebami.
14Handrava an'i Patrosa Aho sy hampirehitra afo any Zoana, ary hotanterahiko ny fitsarana an'i No;
15In izlijem jezo svojo nad Sin, trdnjavo egiptovsko, in množico iz Teb iztrebim.
15Hampidina ny fahatezerako amin'i Sina, fiarovana mafy any Egypta, Aho, ary hofongorako ny vahoaka be any No.
16In zanetim ogenj v Egiptu; Sin bo trepetal v strahu in Tebe bodo predrte, Nof pa dobi sovražnike po dne.
16Hampirehitra afo any Egypta Aho; Hiolanolana fatratra Sina noho ny faharariany; Ho banga No, ary Memifisa dia hasian'ny fahavalo antoandro.[Heb. Nofa]
17Mladeniči v Avenu in Pibezetu padejo pod mečem, in drugi prebivalci pojdejo v ujetništvo.
17Ny zatovon'i Avena sy Pi-beseta ho lavon-tsabatra, sady ho lasan-ko babo ny ao.
18In v Tahpanhesu se zmrači dan, ko ondi polomim ižesa egiptovska in se v njem naredi konec napuhu njegove moči; oblaki ga pokrijejo, in njemu podložna mesta pojdejo v ujetništvo.
18Any Tapanesa dia ho maizina ny andro, raha tapahiko any ny ziogan'i Egypta, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; Ho voasaron'ny rahona izy, sady ho lasan-ko babo ny zananivavy.
19In tako izvršim sodbe nad Egiptom; in spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
19Toy izany no hanatanterahako ny fitsarana an'i Egypta; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
20In zgodilo se je v enajstem letu, sedmi dan prvega meseca, da mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
20[Ny hahafoanan'i Nebokadnezara ny herin'Farao] Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
21Sin človečji, zlomil sem ramo Faraonu, kralju egiptovskemu; in glej, ni bila obvezana, da bi se uporabilo zdravilo, ni se ovila preveza, da se zaceli, da bi dobila moč in prijela meč.
21Ry zanak'olona, ny sandrin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, dia efa notorotoroiko, ary he! tsy noharatoina mba ho sitrana izy, na nofehezina lamba, mba hanatanjaka azy hahatan-tsabatra.
22Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Glej, jaz sem zoper Faraona, kralja egiptovskega, in zlomim obedve rami njegovi, zdravo in zlomljeno, in storim, da mu pade meč iz roke.
22Koa izany no nanaovan'i Jehovah Tompo hoe: Indro, efa hamely an'i Farao, mpanjakan'i Egypta, Aho, ka hotorotoroiko ny sandriny, na ny mbola matanjaka, na ny efa torotoro; Ary hampilatsaka ny sabatra eny an-tànany Aho.
23In razkropim Egipčane med narode in jih razženem po deželah.
23Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana, ka hahahako any amin'ny tany samy hafa.
24In okrepčam rami kralja babilonskega in denem meč svoj v roko njegovo; rami Faraonovi pa zlomim, da bo kakor prebodenec milo ječal pred njim.
24Fa hampahatanjahiko kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, ka hataoko eny an-tànany ny sabatro; Fa hotorotoroiko ny sandrin'i Farao, dia hitrona eo anatrehany toy ny fitronan'ny voatrabaka izy.
25In okrepčam rami kralju babilonskemu, rami Faraonovi pa upadeta. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ko denem meč svoj kralju babilonskemu v roko, in on ga potegne proti deželi Egiptovski.In razkropim Egipčane med narode ter jih raztresem po deželah; in spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
25Eny, hampahatanjahiko ny sandrin'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiraviravy ny sandrin'i Farao: Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha hataoko eny an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ny sabatro, ka haingainy hamelezana ny tany Egypta.Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
26In razkropim Egipčane med narode ter jih raztresem po deželah; in spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
26Dia haeliko ho any amin'ny firenena samy hafa ny Egyptiana ka hahahako any amin'ny tany samy hafa; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.