1In zgodilo se je v dvanajstem letu, prvi dan dvanajstega meseca, da mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Fitomaniana noho ny nanjo an'i Farao sy ny vahoakany] Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, zapoj žalostinko nad Faraonom, kraljem egiptovskim, in mu reci: Mlademu levu med narodi si bil podoben; ali bil si kakor zmaj v morju in drl si po svojih rekah in motil vode z nogami svojimi in razrival njih reke.
2Ry zanak'olona, manaova hira fahalahelovana ny amin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ka ataovy aminy hoe: Nanao ny tenanao ho tahaka ny liona tanora tamin'ny firenena ianao, kanjo tahaka ny dragona ao anatin'ny rano be; Ary nitsoriaka teny amin'ny oninao ianao dia nanakobankobana ny rano tamin'ny tongotrao ka nahaloto ny ony.[Na. mamba]
3Tako pravi Gospod Jehova: Zato razpnem mrežo svojo nad teboj v zboru mnogih narodov, in izvlečejo te z mojim sakom.
3Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny firenena betsaka tafatambatra no ho entiko mamelatra ny haratoko aminao, ary hakarin'ireny amin'ny haratoko ianao,
4In potegnem te na suho, vržem te na površje polja, in vse ptice nebeške posadim nate in zverine vse zemlje se bodo sitile od tebe.
4Dia hatsipiko eny an-tanety ianao ary hariako any an-tsaha, dia hampitangoroniko eo aminao ny voro-manidina rehetra, ary homeko hivokisan'ny bibi-dia rehetra ny tenanao.
5In razmečem meso tvoje po gorah ter doline napolnim z mrlino tvojo.
5Haeliko eny an-tendrombohitra ny nofonao, ary hofenoiko ny tenabenao ny lohasaha.[Heb. hahavonao]
6In deželo namočim tja do hribov z rekami krvi tvoje, in globine bodo napolnjene s teboj.
6Hataoko safotry ny rànao ny tany Hatramin'ny tendrombohitra aza; Ary ho feno anao ny ony.
7In ko te ugasnem, zagrnem nebo in otemnim zvezde njegove; solnce pokrijem z oblaki in luna ne bo svetila.
7Ary raha hovonoiko ny fahazavanao, dia hosaronako ny lanitra: Hotafiako lamba fisaonana ny kintany; Ny masoandro hotakonako rahona, ary ny volana tsy hangarangarana.
8Vse sveteče luči na nebu storim nad tabo črne in temo spravim nad deželo tvojo, govori Gospod Jehova.
8Eny, ireny fanazavana eny amin'ny lanitra ireny dia hotafiako lamba fisaonana avokoa noho ny aminao, ary hosaronako aizina ny taninao, hoy Jehovah Tompo.
9In užalostim mnogih ljudstev srce, ko razglasim padec tvoj med narodi po deželah, ki jih nisi poznal.
9Hataoko mitebiteby koa ny fon'ny firenena maro, raha hampandrenesiko ny firenena maro ny naharavanao, dia any amin'ny tany izay tsy fantatrao
10In storim, da bo veliko ljudstev strmelo nad teboj, in njih kralji bodo silno prestrašeni zavoljo tebe, ko zavihtim meč svoj pred njimi; in trepetali bodo vsak trenotek, vsakdo za življenje svoje, v dan padca tvojega.
10Eny, hataoko talanjona anao ny firenena maro, Ary hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, raha hantsodiko eo imasony ny sabatro, ary samy hangovitra lalandava izy amin'ny fanahiany ny ainy, raha mby amin'ny andro haharavanao.
11Zakaj tako pravi Gospod Jehova: Pride nadte kralja babilonskega meč.
11Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny sabatry ny mpanjakan'i Babylona dia ho tonga aminao.
12Storim, da pade množica tvoja pod meči junakov, ki so vsi najbolj silovitni med narodi; in pokončajo napuh Egipta, in vsa množica njegova bo zatrta.
12Ny sabatry ny mahery, izay samy masiaka indrindra amin'ny firenena, ho entiko mandavo ny vahoakanao maro be, dia horavany ny reharehan'i Egypta, ka ho fongotra ny vahoakany maro be rehetra.
13Pogubim tudi vso živino njegovo ob mnogih vodah, da jih ne bo več motila noga človeška, ne kalil parkelj živalski.
13Haringako koa ny biby fiompiny rehetra eny amoron'ny rano maro, ary tsy hanakobankobana azy intsony ny tongotry ny olona, na handoto azy ny kitron'ny biby fiompy.
14Tedaj storim, da se njih vode učistijo ter njih reke poteko kakor olje, govori Gospod Jehova.
14Dia hahenako ny ranony, ary hampandehaniko toy ny diloilo ny oniny, hoy Jehovah Tompo,[Na. hampandriko hadio]
15Ko opustošim deželo Egiptovsko, ko izpraznim deželo vsega, česar je bila polna, ko udarim vse prebivalce njene, tedaj spoznajo, da sem jaz GOSPOD.
15Raha hataoko lao ny tany Egypta, ka hofoanako tsy hisy na inona na inona izay nahafeno azy teo; Ary haringako ny monina rehetra ao aminy, dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
16To je žalostinka in s to bodo žalovali; hčere narodov jo bodo žalujoč pele; žalujoč jo bodo pele nad Egiptom in nad vso množico njegovo, govori Gospod Jehova.
16Izany no hira fahalahelovana hataon'ny olona; Ny zanakavavin'ny firenena no hihira izany; Eny, ho fahalahelovana an'i Egypta sy ny vahoakany maro be rehetra no hihirany izany, hoy Jehovah Tompo.
17In zgodilo se je v dvanajstem letu, petnajsti dan meseca, da mi pride beseda GOSPODOVA, govoreč:
17Ary tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
18Sin človečji, žaluj nad množico egiptovsko in pahni jo doli, njo in hčere slavnih narodov, v spodnje kraje zemlje k tistim, ki so padli v jamo.
18Ry zanak'olona, isaony ny vahoaka maroben'i Egypta, ary ampidino izy mbamin'ny zanakavavin'ny firenena malaza ho any ambanin'ny tany, miaraka amin'izay midina any an-davaka.
19Koga nadkriljuješ v milini? Doli stópi in lezi z neobrezanci!
19Mihoatra noho ny an'iza moa ny hatsaran-tarehinao? Midina, ka miampara amin'izay tsy voafora.[Heb. mandria]
20Padejo naj sredi pobitih z mečem! Meč je že izročen; privlecite sem Egipt in vso množico njegovo!
20Any amin'ny voatrabaky ny sabatra no hiampatramparany; Ny sabatra dia efa voatolotra; Tariho izy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra.
21Mogočni izmed junakov bodo govorili o njem izsredi pekla s pomočniki njegovimi vred. Padli so doli, tam leže tisti neobrezanci, pobiti z mečem!
21Izy sy ny nanampy azy no resahin'ireo malaza amin'ny lehilahy mahery any amin'ny fiainan-tsi-hita manao hoe: Tafidina ka miampatra ny tsy voafora, dia ireo voatrabaky ny sabatra.[Heb. Sheola]
22Tam je Asur in ves zbor njegov; okoli njega njih grobi: vsi ti so pobiti, padli so pod mečem.
22Ao koa Asyria mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra;
23Grobi njegovi so v najglobočji jami in zbor njegov je okrog groba njegovega. Vsi so pobiti, padli so pod mečem, ki so strah napravljali v deželi živečih.
23Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin'ny tanin'ny velona.
24Tam je Elam in vsa množica njegova okoli njegovega groba. Ti vsi so pobiti, padli so pod mečem, ki so neobrezani šli doli v spodnje kraje zemlje, ki so strah napravljali v deželi živečih; in nosijo sramoto svojo ž njimi, ki so šli doli v jamo.
24Ao koa Elama mbamin'ny vahoakany maro be rehetra manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon'ny sabatra, ka tafidina tsy voafora ho any ambanin'ny tany, dia ireo nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka.
25Sredi med pobitimi so mu napravili ležišče z vso množico njegovo; okoli njega so njih grobi; vsi ti, neobrezani, so z mečem pobiti. Ker so strah delali v deželi živečih, nosijo sramoto svojo ž njimi, ki so šli doli v jamo. Sredi med pobite je položen.
25Teo amin'ny voatrabaka no nanaovana fandriana ho azy mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany, izy rehetra samy tsy voafora sady voatrabaky ny sabatra, fa efa niely tany amin'ny tanin'ny velona ny fahatahorana azy, ary samy mitondra henatra miaraka amin'izay midina any an-davaka izy; Ao amin'ny voa-trabaka no nametrahany azy.
26Tam je Mesek, Tubal in vsa množica njegova; okoli njega so njih grobi. Vsi ti, neobrezani, so z mečem pobiti, ker so strah delali v deželi živečih.
26Ao koa Meseka-tobala mbamin'ny vahoakany maro be rehetra; Manodidina azy ny fasany; Samy tsy voafora izy rehetra sady voatrabaky ny sabatra, satria nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona izy.
27In ne leže pri junakih, ki so padli v starodavnih časih, ki so šli doli v pekel z bojnim orožjem in so jim položili pod glave njih meče; a njih krivice so nad njih kostmi, kajti v strah so bili ti junaki v deželi živečih.
27Ary tsy hiara-miampatra amin'ny lehilahy mahery izay lavo isan'ny tsy voafora izy, dia ireo tafidina any amin'ny fiainan-tsi-hita ka mitondra ny fiadiany, sady voapetraka eo ambanin'ny lohany ny sabany. Ary ao amin'ny taolany ny helony, satria nampahatahotra ny mahery tany amin'ny tanin'ny velona izy.[Heb. mandry][Heb. Sheola]
28Tudi ti, Egipt, bodeš strt sredi neobrezancev, in ležal boš ž njimi, ki so pobiti z mečem.
28Eny, ianao dia haripaka ao amin'ny tsy voafora ka hiara-miampatra amin'ny voatrabaky ny sabatra.[Heb. mandry]
29Tam je Edom, kralji njegovi in vsi knezi njegovi, ki so bili vkljub svoji hrabrosti položeni k pobitim z mečem; pri neobrezancih leže, pri njih, ki so šli doli v jamo.
29Ao koa Edoma mbamin'ny mpanjakany sy ny mpanapaka rehetra tao aminy, Izay natao ao amin'ny voatrabaky ny sabatra, na dia be aza ny heriny, miara-miampatra amin'ny tsy voafora izy sy amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
30Tam so vsi knezi od severa in vsi Sidonci, ki so stopili doli k pobitim; osramočeni so vkljub grozi, ki je šla pred njih močjo, in leže neobrezani pri pobitih z mečem ter nosijo sramoto svojo ž njimi, ki so šli doli v jamo.
30Ao koa ireo andrianan'ny avaratra rehetra sy ny Sidoniana rehetra, izay niara-nidina tamin'ny voatrabaka menatra izy, na dia efa natahorana noho ny heriny aza, ary miampatra tsy voafora ao amin'izay voatrabaky ny sabatra izy ka mitondra henatra ao amin'izay midina any an-davaka.[Heb. mandry]
31Faraon jih bo videl in se potolaži nad vso množico svojo. Z mečem pobita sta Faraon in vsa vojska njegova, govori Gospod Jehova.Zakaj dopustil sem, da se je strah njegov razširjal v deželi živečih; ali položen bo sredi neobrezancev k pobitim od meča Faraon in vsa množica njegova, govori Gospod Jehova.
31Ireny dia ho hitan'i Farao, ka dia hionona izy ny amin'ny vahoakany maro be. Voatrabaky ny sabatra parao mbamin'ny miaramilany rehetra, hoy Jehovah Tompo.Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[Na. Ahy][Heb. hampandrina]
32Zakaj dopustil sem, da se je strah njegov razširjal v deželi živečih; ali položen bo sredi neobrezancev k pobitim od meča Faraon in vsa množica njegova, govori Gospod Jehova.
32Fa efa nahatonga ny fahatahorana azy tany amin'ny tanin'ny velona Aho; Ary Farao dia halevina ao amin'ny tsy voafora, miaraka amin'ireo voatrabaky ny sabatra, dia Farao mbamin'ny vahoakany maro be rehetra, hoy Jehovah Tompo.[Na. Ahy][Heb. hampandrina]