1In prišla mi je beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Fananterana ny nanendrena an'i Ezekiela ho mpaminany] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, govori ljudstva svojega sinovom ter jim reci: Če pošljem meč nad deželo, ljudstvo dežele pa vzame koga izmed sebe in ga sebi postavi za čuvaja;
2Ry zanak'olona, mitenena amin'ny zanaky ny firenenao, ka lazao aminy hoe: Raha mahatonga sabatra amin'ny tany anankiray Aho, ary ny tompon-tany maka lehilahy anankiray ao aminy ka manendry azy ho mpitily,
3in če ta, videč meč prihajati nad deželo, zatrobenta in posvari ljudstvo:
3ary hitan-dralehilahy fa, indro, avy ny sabatra, ka mitsoka ny anjomara hampitaitra ny olona izy,[Heb. hananatra]
4kdorkoli bi slišal trobente glas, a se ne bi dal posvariti, njega pobere prišli meč, in njegova kri bodi na glavi njegovi.
4nefa tsy mety taitr izay mandre ny feon'ny anjomara, dia tonga ny sabatra ka mandripaka azy, dia ho eo an-dohany ihany ny ràny.
5Glas trobente je slišal, pa se ni dal posvariti: njega kri bodi nad njim samim; kajti ko bi bil sprejel posvarilo bi si otel dušo.
5Nandre ny feon'ny anjomara ihany izy, nefa tsy nety taitra; ho ao aminy ihany ny ràny; fa raha nety taitra izy, dia ho nahavonjy ny ainy ihany.[Heb. tsy nino anatra]
6Ako pa čuvaj vidi meč prihajati, a ne zatrobenta in ljudstvo ne bo posvarjeno, meč pa pride ter pobere koga izmed njih: ta bo vzet v krivici svoji, ali kri njegovo bom zahteval iz roke čuvajeve.
6Fa raha hitan'ilay mpitily kosa fa, indro, avy ny sabatra, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, ka tsy notairina ny olona, ary tonga ny sabatra ka mandringana olona ao aminy, dia matin'ny helony ihany iny; nefa ny ràny dia hadiniko amin'ny tànan'ilay mpitily.
7Tebe torej, sin človečji, sem postavil hiši Izraelovi za čuvaja, da bi jih, čujoč besedo iz mojih ust, svaril v mojem imenu.
7Koa ianao, ry zanak'olona, dia efa notendreko ho mpitily ho an'ny taranak'Isiraely, ka raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao, dia izany no ho entinao mananatra azy.
8Ako rečem brezbožnemu: Brezbožnik, moraš umreti! ti pa ne govoriš, da bi posvaril in odvrnil brezbožnega s poti njegove: tedaj umrje on, brezbožnik, zaradi krivice svoje, ali kri njegovo bom zahteval iz tvoje roke.
8Raha hoy Izaho amin'ny ratsy fanahy: He! ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao! nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin'ny alehany, dia ho fatin'ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny ràny dia hadiniko amin'ny tananao.
9Ako pa posvariš brezbožnega zavoljo poti njegove, da naj se obrne od nje, pa se ne obrne od poti svoje, on umrje zavoljo krivice svoje, ti pa si otel dušo svojo.
9Fa raha mananatra ny ratsy fanahy ihany kosa ianao hiala amin'ny lalany ratsy; fa izy no tsy mety miala amin'izany, dia ho fatin'ny helony ihany izy, nefa voavonjinao ny ainao.
10Ti torej, sin človečji, govóri družini Izraelovi: Tako govorite in pravite: Prestopki naši in grehi naši leže na nas, in mi ginemo v njih; kako bi neki mogli živeti?
10Ary ianao, ry zanak'olona, mitenena amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no fiteninareo: Eto aminay ny fahadisoanay sy ny fahotanay, ka mihalevona amin'izany izahay, dia nahoana no mbola velona izahay?
11Reci jim: Kakor res živim, govori Gospod Jehova, nikakor mi ni po volji smrt brezbožnikova, temuč da se brezbožnik obrne od svojega pota in živi. Obrnite se, obrnite se od hudobnih potov svojih! ker čemu bi hoteli mreti, o družina Izraelova?
11Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely?
12Ti pa, sin človečji, govori ljudstva svojega sinovom: Pravičnost pravičnega ga ne reši v dan, ko se pregreši; in vsled krivičnosti svoje ne pade brezbožnik v dan, ko se izpreobrne od krivičnosti; pravični pa ne bo mogel živeti po pravičnosti svoji v dan, ko bo grešil.
12Ary ianao, ry zanak'olona'lazao amin'ny zanaky ny firenenao hoe: Ny fahamarinan'ny marina tsy hahavonjy azy, raha mby amin'ny andro ahadisoany; ary ny faharatsian'ny ratsy fanahy tsy hahavoa azy, raha mby amin'ny andro ialany amin'ny faharatsiany; ary ny marina tsy ho velona noho ny fahamarinany, raha mby amin'ny andro anotany.
13Ko rečem pravičnemu, da bo gotovo živel, pa se zanaša na pravičnost svojo in počenja krivičnost: tedaj se ne bo spominjalo nobeno iz pravičnih del njegovih, temuč zaradi krivičnosti svoje, ki jo je storil, mora umreti.
13Raha lazaiko amin'ny marina hoe: Ho velona tokoa ianao, nefa izy mitoky amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony, fa ny heloka nataony no hahafaty azy.[Heb. izy]
14Ako pa rečem brezbožnemu: Moraš umreti! in se izpreobrne od greha svojega in streže pravici in pravičnosti,
14Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin'ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa miala amin'ny fahotany izy sady manao izay marina sy mahitsy.[Heb. izy]
15tako da povrne zastavo, kar je po sili vzel, prinese nazaj, ravna po postavah življenja, ne delajoč nič krivičnega; gotovo bo živel, ne umrje;
15ka mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
16nobeden iz grehov njegovih, ki jih je zagrešil, se mu ne bo spominjal; pravici in pravičnosti je stregel: gotovo bo živel.
16Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony; manao izay marina sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa.
17Toda ljudstva tvojega sinovi pravijo: Ni ravna pot Gospodova! ko vendar njih pot ni ravna.
17Kanefa, hoy ny zanaky ny firenenao: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo; nefa ny fitondran'ny tenany no tsy marina.[Heb. lalan']
18Ko se odvrne pravični od pravičnosti svoje in počenja krivičnost, umrje zategadelj.
18Raha ny marina miala amin'ny fahamarinany ka manao meloka, dia ho faty amin'izany izy.
19In ko se odvrne brezbožni od krivičnosti svoje in streže pravici in pravičnosti, bo živel zaradi tega.
19Ary raha ny ratsy fanahy miala amin'ny faharatsiany ka manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona amin'izany izy.
20A vi vendar pravite: Ni ravna pot Gospodova. Vsakega izmed vas bom sodil po potih njegovih, o družina Izraelova!
20Kanefa, hoy ianareo: Tsy marina ny fitondran'ny Tompo. He! ry taranak'Isiraely, samy hotsaraiko araka ny alehany avy ianareo.[Heb. lalan']
21In zgodilo se je v dvanajstem letu našega ujetništva, peti dan desetega meseca, da pride k meni ubežnik iz Jeruzalema in reče: Mesto je premagano!
21[Ny nisokafan'ny vavan'i Ezekiela taorian'ny nandravana an'i Jerosalema haminany izay mbola hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fibebahany] Ary nony tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo taorian'ny namaboana antsika, dia nisy olona efa nandositra avy tany Jerosalema tonga tao amiko ka nanao hoe: Afaka ny tanàna.
22GOSPODOVA roka pa je prišla nadme zvečer, preden je ubežnik prišel; in odprl mi je usta, dokler ni prišel oni k meni zjutraj, in tako so bila usta moja odprta in nisem več molčal.
22Dia efa tonga tamiko ny tànan'i Jehovah tamin'ny omaly harivan'ny andro nahatongavan'ilay nandositra izay tonga tao amiko, ka nosokafany ny vavako mandra-pahatongan'ilay nandositra, izay tonga tao amiko nony maraina; dia efa nisokatra ny vavako, ka tsy moana intsony aho.
23In pride mi beseda GOSPODOVA, govoreč:
23Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
24Sin človečji, prebivalci tistih razvalin po zemlji Izraelovi govore in pravijo: Abraham je bil edinec in je dobil to deželo v posest; nas je pa veliko, nam je dežela dana v posest.
24Ry zanak'olona, ny monina amin'ireny rava amin'ny tanin'ny Isiraely ireny dia manao hoe: Ireny ihany Abrahama, nefa nandova ny tany izy, fa isika kosa dia maro, ary omena antsika ny tany ho lovantsika
25Zatorej jim reci: Tako pravi Gospod Jehova: Jeste meso s krvjo in obračate oči h grdim malikom svojim ter prelivate kri, in vi naj bi posedli deželo?
25Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Homan-javatra misy rà sady miandrandra ny sampinareo ianareo ary mandatsa-drà, moa hahazo handova ny tany va ianareo?
26Zanašate se na svoj meč, gnusobe počenjate in oskrunjate ženo drug drugemu, in vi naj bi posedli deželo?
26Mitoky amin'ny sabatrareo ianareo sady manao fahavetavetana, ka samy mandoto ny vadin'ny namany avy; koa hahazo handova ny tany va ianareo?
27Tole jim povej: Tako pravi Gospod Jehova: Kakor res živim, kateri bivajo v razvalinah, padejo pod mečem; in kdor je na polju, tega dam divjim zverinam v žrtje, in kateri so v trdnjavah in votlinah, pomrjejo za kugo.
27Izao no holazainao aminy: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, dia tsy maintsy ho lavon'ny sabatra izay ao amin'ny tanàna rava, ary izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibi-dia, ary izay ao amin'ny harambato sy amin'ny lava-tany dia ho fatin'ny areti-mandringana.[Heb. fiarovana]
28In storim deželo v puščavo in pustinjo, da preneha napuh moči njene; in opustošene bodo gore Izraelove, da nihče ne bo hodil po njih.
28Fa hataoko rava sy lao ny tany, ary hitsahatra ny fiavonavonan'ny heriny; ho lao ny tendrombohitry ny Isiraely, ka tsy hisy mpandia azy.
29Tedaj spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ko storim deželo v puščavo in pustinjo zaradi vseh njih gnusob, ki so jih počenjali.
29Dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hataoko rava sy lao ny tany noho ny fahavetavetana nataony.
30Kar se pa tiče tebe, sin človečji, ljudstva tvojega sinovi se pogovarjajo o tebi ob zidovih in med hišnimi vrati in drug pravi drugemu, brat bratu: Pojdiva vendar in poslušajva, kakšna je beseda, ki prihaja od GOSPODA.
30Ary ianao, ry zanak'olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran'ny tranony, ka samy manao amin'ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin'i Jehovah.
31In hodijo k tebi, kakor ko se ljudstvo shaja, in sedé pred teboj kakor ljudstvo moje in poslušajo besede tvoje, pa ne delajo po njih; kajti ljubeznivo govore s svojimi usti, njih srce se pa žene za njih dobičkom.
31Dia mankao aminao tahaka ny fihavin'ny olona izy ka mipetraka eo anatrehanao toa oloko ary mahare ny teninao, nefa tsy mety mankatò azy; fa, indro, teny mamy no lazain'ny vavany, nefa ny fony dia lasa manaraka ny filan-karena.[Na: izay mamy am-bavany no lazainy; na: kalokalo no ataon'ny vavany]
32In glej, ti si jim kakor pesem o ljubezni, kakor če kdo zna lepo peti in sladko gosti: poslušajo besede tvoje, a ne delajo po njih.In kadar pride to (glej, že prihaja!), tedaj spoznajo, da je bil prorok med njimi.
32Koa, indro, ianao dia ataony ho tahaka ny mpanao hira mahafinaritra, izay tsara feo sady mahay mitendry; fa mandre ny teninao izy, nefa tsy mety mankatò azy.[Na: kalokalo]Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.
33In kadar pride to (glej, že prihaja!), tedaj spoznajo, da je bil prorok med njimi.
33Ary nony tanteraka izany (indro, efa ho tanteraka ihany), dia ho fantany fa efa nisy mpaminany tokoa tao aminy.