Slovenian

Malagasy

Ezekiel

34

1In prišla mi je beseda GOSPODOVA, govoreč:
1[Ny amin'ny mpiandry ondry ratsy fanahy, sy ny mbola hanangonana ny ondry, ary ny hanendrena mpiandry tsara hiandry azy] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, prorokuj zoper pastirje Izraelove, prorokuj in reci tistim pastirjem: Tako pravi Gospod Jehova: Gorje pastirjem Izraelovim, ki pasejo sami sebe! Ni li pastirjem pasti črede?
2Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpiandry ondrin'ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan'ny mpiandry?
3Vi pa jeste tolstino ter se oblačite z volno, pitance koljete; črede ne pasete.
3Ny taviny dia haninareo, ary ny volony tafinareo, ny nafahy vonoinareo; nefa ny ondry tsy mba andrasanareo.
4Slabotnih niste krepčali, bolnih niste zdravili, ranjenih niste obvezovali; njih, ki so zašle, niste nazaj pripeljavali; kar je bilo izgubljenega, niste iskali, temuč trdo in nemilo ste jim gospodovali.
4Tsy manatanjaka ny malemy ianareo, na manasitrana ny marary, na manamatra ny folaka, na mampody ny noroahina, na mikatsaka ny very; fa loza loatra ny fampanomponareo azy.
5In ovce so se razkropile, ker jim ni bilo pastirja, in so postale za jed vsem zverinam na polju, in bile so razkropljene.
5Dia miely izy, satria tsy misy mpiandry; ary rehefa miely izy, dia tonga rembin'ny bibidia rehetra.
6Moje ovce tavajo po vseh gorah in po vseh visokih hribih, in po vsem površju zemlje so razkropljene ovce moje, in ni ga, ki bi po njih vprašal ali jih iskal.
6Mirenireny eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana andrandraina rehetra ny ondriko; eny, any amin'ny tany rehetra no ielezan'ny ondriko, ary tsy misy mitady na miahy azy.
7Zatorej, pastirji, čujte besedo GOSPODOVO!
7Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry:
8Kakor res živim, govori Gospod Jehova: Zato ker so bile moje ovce izročene plenjenju in ker so bile v jed vsem zverinam na polju, kajti ni bilo pastirja in moji pastirji ne vprašujejo po ovcah mojih, marveč pasejo sami sebe, a ne pasejo ovac mojih:
8Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, noho ny nahababoan'ny ondriko sy ny nahatongavan'ny ondriko ho rembin'ny bibi-dia rehetra, satria tsy nisy mpiandry azy, fa tsy nitady ny ondriko ny mpiandry, fa ny mamahan-tena kosa no ataony, ka tsy namahana ny ondriko,
9zato, pastirji, čujte besedo GOSPODOVO:
9dia mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpiandry ondry.
10Tako pravi Gospod Jehova: Glej, jaz sem zoper tiste pastirje in zahteval bom ovce iz njih rok in jih odstavim, da ne bodo več pasli ovac, tudi ne bodo več pasli sami sebe, in otmem ovce svoje iz njih grla, da jim ne bodo več v užitek.
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hampamoahiko ny amin'ny ondriko izy ka hesoriko tsy hiandry ny ondry intsony; dia tsy hamahan-tena intsony ny mpiandry ondry, fa hovonjeko eo amin'ny vavany ny ondriko mba tsy ho azony hohanina intsony.
11Zakaj tako pravi Gospod Jehova: Glej, jaz sam, jaz poiščem ovce svoje in jih vzamem v svojo skrb.
11Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
12Kakor pastir skrbi za ovce svoje v dan, kadar je med razkropljenimi ovcami svojimi, tako bom skrbel za ovce svoje in jih otmem iz vseh krajev, kamor so se porazgubile oblačnega in temnega dne.
12Toy ny fandinidiniko ny mpiandry ny ondriny amin'izay andro hahatratrarany ny ondriny izay efa niely, dia toy izany no handinidinihako ny ondriko sy hamonjeko azy avy any amin'izay rehetra efa nielezany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13In pripeljem jih izmed ljudstev ter jih zberem po deželah in jih privedem v njih zemljo ter jih bom pasel po gorah Izraelovih, po dolinah in ob vseh selih dežele.
13Ary ho entiko mivoaka avy any amin'ny firenena izy ka hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia ho entiko ho any amin'ny taniny sy handrasako eny an-tendrombohitry ny Isiraely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary eny amin'izay tsara honenana rehetra eran'ny tany.
14Na dobri paši jih bom pasel in po visokih gorah Izraelovih bodo njih pašniki; tam, na gorah Izraelovih, bodo ležale v pokojnih stanih in uživale tolsto pašo.
14Eny amin'ny tany tsara ho fiandrasana no hiandrasako azy, ary eny an-tendrombohitra avon'ny Isiraely no ho tany hiandrasana azy; ao no handriany amin'ny tany tsara, ary eny amin'ny fiandrasana tsara ahitra no hihinanany, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely.[Heb. matavy]
15Jaz sam bom pasel ovce svoje in jaz jih vodil počivat, govori Gospod Jehova.
15Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy, hoy Jehovah Tompo.
16Izgubljene poiščem, razgnane pripeljem nazaj, ranjene obvežem in bolne pokrepčam; kar je pa debelo in močno zatrem; pasel jih bom, kakor je prav.
16Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa dia haringako ka handrasako amin'ny fitsarana.
17Vi torej, črede moje – tako pravi Gospod Jehova: Glejte, sodil bom med ovco in ovco, med ovni in kozli.
17Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hotsaraiko ny adin'ny ondry aman'osy, dia ny ady ataon'ny ondrilahy sy ny osilahy namany aminy.
18Je li vam malo, da najboljšo pašo popasete, treba li, da še poteptate ostanke paše? malo li, da pijete čisto vodo, da še kalite ostanek z nogami?
18Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nandanianareo ny ahitra tsara, no dia nohosihosen'ny tongotrareo ny ahitrareo sisa, ary ny efa nisotroanareo ny rano madio, no dia nolotoin'ny tongotrareo ny sisa?
19In mojim ovcam bodi za pašo, kar ste poteptali, in v pijačo, kar ste skalili z nogami svojimi?
19Ary ny amin'ny ondriko, moa izay voahosihosin'ny tongotrareo va no hohaniny, ary izay voaloton'ny tongotrareo va no hosotroiny?
20Zato pravi tako Gospod Jehova: Glejte, jaz sam bom sodil med debelimi in medlimi ovcami.
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo aminy: Indro, Izaho, eny, Izaho no hitsara ny adin'ny ondry matavy amin'ny ondry mahia.
21Zato ker z boki in ramami odrivate in z rogovi bodete vse slabotne, dokler jih ne razkropite:
21Satria ny tehezanareo sy ny sorokareo no entinareo manosika ny marary rehetra, ary ny tandrokareo no entinareo manoto azy mandra- pandronjinareo azy ho any ivelany;
22zato rešim ovce svoje, da vam ne bodo več v plen; in sodil bom med ovco in ovco.
22dia hovonieko ny ondriko, ary tsy ho babo intsony izy, ary hotsaraiko ny adin'ny ondry amin'ny ondry namany.
23in obudim jim Pastirja edinega, ki naj jih pase, hlapca svojega Davida: ta jih bo pasel in jim bode pastir.
23Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
24In jaz, Jehova, jim bodem Bog in hlapec moj David bode knez sredi njih. Jaz, GOSPOD, sem govoril.
24Ary Izaho Jehovah no ho Andriamaniny, ary Davida Mpanompoko no ho Mpanapaka ao aminy. Izaho Jehovah no niteny izany.
25In sklenem ž njimi zavezo miru in iztrebim hude zveri iz dežele, da bodo varno prebivale v puščavi in spale v gozdih.
25Ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho ka hampiala ny biby masiaka tsy ho eo amin'ny tany intsony, dia handry fahizay izy na dia any an-efitra aza, sady hatory na dia any anaty ala aza.
26In storim nje in kar je okoli hriba mojega v blagoslov in dam, da bo dež prihajal ob svojem času, dež blagoslova bode.
26Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
27In drevje na polju bo rodilo sad svoj in zemlja bo dajala prirastke svoje, in varni bodo v svoji zemlji. In spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ko zlomim palice njih jarma ter jih otmem iz roke tistih, ki so si jih usužnjili.
27Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin'ny tany izy; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha hotapahiko ny ziogany, ary hovonjeko amin'ny tànan'izay nampanompo azy izy.
28In ne bodo več v plen poganom, tudi zveri zemlje jih ne bodo žrle, ampak varno bodo prebivali in nihče jih ne bo plašil.
28Ary tsy ho babon'ny jentilisa na ho rembin'ny bibi-dia intsony izy, fa handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy.
29In obudim jim saditev v sloveče ime, in ne bo jih več morila lakota v deželi, tudi ne bodo več trpeli zasramovanja narodov.
29Ary hampaniry voly ho laza ho azy Aho, ka tsy ho ritry ny mosary amin'ny tany intsony izy, na hitondra ny latsan'ny jentilisa intsony;
30In spoznajo, da sem jaz GOSPOD, njih Bog, ž njimi ter da so oni, hiša Izraelova, moje ljudstvo, govori Gospod Jehova.Ve pa, črede moje, ovce paše moje, ste ljudje, in jaz sem Bog vaš, govori Gospod Jehova.
30ka dia ho fantany fa Izaho, Jehovah Andriamaniny, no momba azy, ary izy, taranak'Isiraely, no oloko, hoy Jehovah Tompo.Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.
31Ve pa, črede moje, ovce paše moje, ste ljudje, in jaz sem Bog vaš, govori Gospod Jehova.
31Ary ny aminareo ondriko ondry fiandriko olona ianareo, ary Izaho no Andriamanitrareo, hoy Jehovah Tompo.