1Roka GOSPODOVA je bila nad menoj, in peljal me je ven v duhu GOSPODOVEM in me je postavil sredi doline, in ta je bila polna kosti.
1[Fanoharana ny amin'ny hampodiana ny Isiraely, sy ny hanakambanana azy ho firenena iray hanjakan'i Davida] Tao amiko ny tànan'i Jehovah, ary ny Fanahy no nitondran'i Jehovah ahy nivoaka, dia napetrany teo amin'ny lohasaha feno taolana aho.
2In mi je velel iti mimo njih kroginkrog; in glej, bilo jih je silno veliko po dolini, in glej, bile so silno usehle.
2Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin'ireo Izy; ary, indreo, betsaka dia betsaka teny amin'ny lohasaha ireo, ary, indreo, maina dia maina Ireo.
3In mi reče: Sin človečji, bodo li te kosti oživele? In odgovorim: Gospod Jehova, ti veš!
3Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak'olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
4Tedaj mi veli: Prorokuj nad temi kostmi in jim reci: O kosti usehle, čujte besedo GOSPODOVO!
4Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin'ireto taolana ireto, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'i Jehovah!
5Tako pravi Gospod Jehova tem kostem: Glejte, jaz pošljem duha v vas, da oživite.
5Izao no lazain'i Jehovah Tompo amin'ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo ka ho velona;
6S kitami vas obložim in storim, da zraste meso na vas, in s kožo vas odenem ter dam duha v vas, in oživite. In spoznate, da sem jaz GOSPOD.
6ary hasiako ozatra ianareo ka hampaniriko nofo; ary hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
7In prorokoval sem, kakor mi je bilo ukazano. In nastane šumenje, ko prorokujem, in glej, gibanje: kosti rinejo k sebi, kost h kosti svoji.
7Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary nony efa naminany aho. dia injany! nisy feo, ary, indreo, nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8In gledam, in glej: kite so bile na njih in meso je zraslo in koža jih je odela povrhu; ali duha ni bilo v njih.
8Ary hitako fa, indro, naniry ny ozatra sy ny nofo, ary nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9Tedaj mi veli: Prorokuj duhu, prorokuj, sin človečji, in reci duhu: Tako pravi Gospod Jehova: Od štirih vetrov pridi, o duh, in dihni v te pobite, da ožive!
9Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin'ny fofonaina, eny, maminania. ry zanak'olona, ka ataovy amin'ny fofonaina hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Manatona avy amin'ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo, mba ho velona izy.
10In prorokoval sem, kakor mi je ukazal; in prišel je duh vanje. In oživele so in stopile pokonci – prav silno velika vojska.
10Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho, ka dia nidiran'ny fofonaina ireo ka velona, dia nijoro tamin'ny tongony izy maro be dia maro be tokoa.
11In mi reče: Sin človečji, te kosti so vsa družina Izraelova. Glej, oni govore: Kosti naše so usehle in upanje naše je izginilo; izgubljeni smo!
11Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, ireto taolana ireto dia ny taranak'Isiraely rehetra; indreo izy manao hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.
12Zato prorokuj in jim reci: Tako pravi Gospod Jehova: Glejte, jaz odprem grobe vaše in vas, ljudstvo svoje, izpeljem iz grobov vaših in vas privedem v zemljo Izraelovo.
12Koa maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin'ny fasanareo ianareo, ka ho entiko ho any amin'ny tanin'ny Isiraely;
13In spoznate, da sem jaz GOSPOD, kadar odprem grobe vaše ter vas izpeljem iz grobov vaših, ljudstvo svoje.
13ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin'ny fasanareo.
14In dam duha svojega v vas, da živite, in vas naselim v vaši zemlji. In zvedeli boste, da sem jaz GOSPOD rekel in izvršil to, govori GOSPOD.
14Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah.
15In beseda GOSPODOVA mi je prišla, govoreč:
15Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
16In ti, sin človečji, si vzemi les ter zapiši nanj: Judi in sinovom Izraelovim, tovarišem njegovim. In vzemi drug les in zapiši nanj: Jožefu, les Efraimov in vse družine Izraelove, tovarišev njegovih.
16Ary ianao, ry zanak'olona, dia mangalà tapa-kazo iray, ka asio soratra hoe: Ho an'ny Joda sy ho an'ny zanak'Isiraely namany; dia mangalà tapa-kazo anankiray koa, ka asio soratra hoe: Ho an'i Josefa dia tapa-kazon'i Efraima sy ho an'ny taranak'Isiraely namany rehetra.
17In ju združi drug z drugim, sebi v eno drevo, da bodeta zedinjena v roki tvoji.
17Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho iray eny an-tananao izy.
18In kadar te ogovore ljudstva tvojega sinovi, rekoč: Ali nam ne naznaniš, kaj ti pomeni to?
18Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao manao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin'izany va ianao?
19jim reci: Tako pravi Gospod Jehova: Glejte, jaz vzamem les Jožefov, ki je v roki Efraimovi, in rodove Izraelove, tovariše njegove, in jih pridenem njemu, lesu Judovemu, in jih storim v eno drevo, da bodo zedinjeni v roki moji.
19dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon'i Josefa, izay eny an-tanan'i Efraima, sy ny firenen'ny Isiraely namany, ary hakambako ho eo amin'ny tapa-kazon'i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
20Lesova pa, na katera si pisal, imej v roki pred njih očmi.
20Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao eo imasony.
21In jim govori: Tako pravi Gospod Jehova: Glejte, jaz vzamem sinove Izraelove izmed narodov, kamorkoli so prišli, in jih zberem z vseh strani ter jih pripeljem v njih zemljo
21Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho haka ny zanak'Isiraely avy any amin'ny jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin'ny manodidina any izy ka ho entiko ho any amin'ny taniny:
22in jih združim v eno ljudstvo v deželi, na gorah Izraelovih in en kralj bo vsem kraljeval in ne bodo več v dva naroda in se ne bodo delili več v dve kraljestvi.
22ary hataoko ho firenena iray any amin'ny tany izy, dia any an-tendrombohitry ny Isiraely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan'izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
23Tudi se ne bodo več oskrunjali z grdimi maliki in z ostudami svojimi, ne s katerokoli iz pregreh svojih; in rešim jih iz vseh prebivališč, v katerih so grešili, ter jih očistim: in bodo mi ljudstvo in jaz jim bodem Bog.
23Ary tsy handoto tena amin'ny sampiny, na amin'ny fahavetavetany, na amin'ny fahadisoany intsony izy; fa hovonjeko ho afaka amin'ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy, ka dia ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24In moj hlapec David bode kralj nad njimi in vsem bode eden pastir; in živeli bodo po sodbah mojih in postave moje bodo hranili in jih izpolnjevali.
24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
25In prebivali bodo v deželi, ki sem jo dal Jakobu, hlapcu svojemu, ki so v njej prebivali očetje vaši; in domovali bodo v njej oni, njih sinovi in njih sinov otroci vekomaj; in moj hlapec David jim bode knez na veke.
25Ary honina any amin'ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan'ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin'ny zafiny mandrakizay; ary Davida mpanompoko no ho Mpanapaka azy mandrakizay.
26In sklenem ž njimi zavezo miru, večna zaveza jim bode, in jih naselim ter jim pomnožim in postavim svetišče svoje v njih sredi na vekomaj.
26Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho, ka ho fanekena mandrakizay eo aminy any, ary hametraka sy hahamaro azy Aho sady hametraka ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
27In prebivališče moje bode nad njimi, in bodem jim Bog in oni mi bodo ljudstvo.In narodi spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ki posvečujem Izraela, ko bode svetišče moje v njih sredi na vekomaj.
27Ary ny tabernakeliko ho eo aminy; ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
28In narodi spoznajo, da sem jaz GOSPOD, ki posvečujem Izraela, ko bode svetišče moje v njih sredi na vekomaj.
28Ka dia ho fantatry ny jentilisa fa Izaho Jehovah no manamasina ny Isiraely amin'ny isian'ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.