1In beseda GOSPODOVA mi je prišla, govoreč:
1[Ny handresena an'i Goga sy Magoga mbamin'ny firenena maro izay ho entiny hiady amin'ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2Sin človečji, obrni obličje proti Gogu v deželi Magogovi, knezu v Rosu, Meseku in Tubalu, ter prorokuj zoper njega
2Ry zanak'olona, manandrifia an'i Goga avy any amin'ny tany Magoga, izay mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala, ary maminania ny hamelezana azy,
3in reci: Tako pravi Gospod Jehova: Glej, jaz sem zoper tebe, o Gog, knez v Rosu, Meseku in Tubalu.
3ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry Goga, mpanjakan'i Rosy sy Meseka ary Tobala.
4In vodil te bom in ti dejal obroček v čeljusti; in popeljem te ven in vso vojsko tvojo, konje in konjike, vse sijajno oblečene, veliko krdelo z majhnimi in velikimi ščiti, ki vsi znajo sukati meč;
4Ary hitarika anao Aho ka hanisy masom-by ny valanoranonao, ary ho entiko mivoaka ianao sy ny tafikao rehetra, dia ny soavaly sy ny mpitaingin-tsoavaly, samy mitafy marevaka izy rehetra, dia olona maro be mitondra ampinga lehibe sy ampinga kely, ary samy mitan-tsabatra;
5Perzijce, Etiopce in Puta ž njimi, vse s ščiti in čeladami;
5miaraka aminy ny Persiana sy ny Etiopiana ary ny Libyana, samy mitondra ampinga lehibe sy fiarovan-doha avokoa,[Heb. Pota]
6Gomerja in vse trume njegove, družino Togarmovo na najskrajnejšem severu in vse trume njegove: mnogo ljudstev bode s teboj.
6Gomera koa mbamin'ny miaramilany rehetra, ny taranak'i Togarma avy any amin'ny farany avaratra mbamin'ny miaramilany rehetra, dia firenena maro izay miaraka aminao.
7Bodi pripravljen in pripravi si vse, ti in vsa krdela tvoja, ki so se zbrala k tebi, in bodi jim načelnik!
7Miomana, ka mitaova tsara ianao, eny, ianao sy ireo momba anao izay efa mivory ao aminao, ary aoka ianao no ho mpitarika azy.[Na: mpitandrina]
8Čez veliko dni boš obiskan; v poslednjih letih prideš v deželo, katere ljudstvo, zbrano iz mnogih ljudstev, se je rešilo meča, na gore Izraelove, ki so bile vedno opustošene; ali odpeljano je izmed ljudstev, in varno prebivajo vsi, kar jih je.
8Rehefa afaka andro maro, dia hotadiavina ianao, raha mby any am-parany, dia ho tonga any amin'ny tany izay novonjena ka afaka tamin'ny sabatra ianao, dia tany novorina avy tany amin'ny firenena maro, any an-tendrombohitry ny Isirady, izay efa lao hatry ny ela; fa efa navoaka avy tany amin'ny firenena izy, ka dia mandry fahizay izy rehetra.
9In pojdeš gori, pridreviš kakor nevihta, bodeš kakor oblak, da pokriješ deželo, ti in vse trume tvoje in mnogo ljudstev s teboj.
9Eny, hiakatra ianao, ary ho tahaka ny fihavin'ny rivo-doza no hihavianao, ka ho tahaka ny rahona hanarona ny tany dia ianao sy ny miaramilanao rehetra mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminao.
10Tako pravi Gospod Jehova: In zgodi se tisti dan, da boš preudarjal v srcu svojem in snoval hude naklepe,
10Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Amin'izany andro izany dia hisy eritreritra hiditra ao an-tsainao, ary hamoron-kevi-dratsy ianao
11ter porečeš: Pojdem gori v deželo z neobzidanimi vasmi, planem na pokojne, ki brezskrbno prebivajo vsi, ki stanujejo brez zidov in nimajo zapahov, ne vrat:
11ka hanao hoe: Hiakatra aho hamely ny tany izay misy tanàna tsy mimanda; hankamin'izay mandry fahizay sy mitoetra tsy manana ahiahy aho, samy, monina ao an-tanàna tsy misy manda na hidy na vavahady izy rehetra,
12da zgrabiš rop in dobiš plen, da roko nameriš zoper razvaline, ki so jih zopet obljudili, in zoper ljudstvo, ki je zbrano izmed narodov, ki si je pridobilo blaga in imovine, ki prebiva v sredini zemlje.
12mba hamabo sy handroba ary hamely indray izay efa rava, saingy vao misy mponina ankehitriny izao, ary ny firenena izay nangonina avy tany amin'ny jentilisa sady nihary omby sy fananana, dia ireo mitoetra ao amin'ny foiben'ny tany.
13Saba in Dedan in trgovci iz Tarsisa in vsi njih mogočniki [Hebr. mladi levi.] ti porečejo: Prihajaš, da pograbiš rop? si li zbral krdela svoja, da vzameš plen? da odneseš srebro in zlato, pobereš blago in imovino, da dobiš velik plen?
13Sheba sy Dedana ary ny mpandranton'i Tarsisy rehetra mbamin'ireo lionany tanora rehetra dia hanao aminao hoe: Tonga hamabo va ianao? Nangoninao handroba va ireto olonao betsaka ireto, hahalasa volafotsy sy volamena, handroba harena sy fananana ary hahazo babo betsaka?
14Zatorej, sin človečji, prorokuj in reci Gogu: Tako pravi Gospod Jehova: Tisti dan, ko bo ljudstvo moje brezskrbno prebivalo, ne zveš li tega?
14Koa maminania, ry zanak'olona, ka ataovy amin'i Goga hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa amin'izany andro hitoeran'ny Isiraely oloko mandry fahizay izany dia tsy ho fantatrao va izany?
15In prideš iz svojega kraja, od najskrajnejšega severa, ti in mnoga ljudstva s teboj, na konjih jezdeč vsi, veliko krdelo in mnogoštevilna vojska.
15Ary ho tonga avy any amin'ny fonenanao avy any amin'ny farany avaratra ianao mbamin'ny firenena maro miaraka aminao, izay samy mitaingin-tsoavaly, dia olona maro be sy miaramila betsaka;
16In pojdeš gori zoper ljudstvo moje, Izraela, kakor oblak, da pokriješ deželo. V poslednjih dneh se zgodi, da te pripeljem zoper deželo svojo, da bi me spoznali narodi, ko se izkažem svetega nad teboj, o Gog, pred njih očmi.
16ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran'ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masina eo anatrehany Aho amin'ny ataoko aminao, ry Goga.
17Tako pravi Gospod Jehova: Nisi li tisti, o katerem sem govoril v nekdanjih časih po služabnikih svojih, prorokih Izraelovih, ki so prorokovali v onih časih po mnoga leta, da te pripeljem zoper nje?
17Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa ianao va ilay nampilazaiko ny mpanompoko hatramin'ny fahiny, dia ny mpaminanin'ny Isiraely, izay naminany ela tamin'izany andro izany ny hampakarako anao hamely azy?
18Zgodi se pa tisti dan, v dan, ko pride Gog v zemljo Izraelovo, govori Gospod Jehova, da vzplamti togota moja v srdu mojem.
18Ary amin'izany andro izany, dia ny andro hihavian'i Goga hamely ny tanin'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, dia hiefona eo am-bavoroko ny fahatezerako.
19Kajti v gorečnosti svoji, v ognju srda svojega sem govoril: Res, tisti dan pride velik potres na zemljo Izraelovo!
19Fa amin'ny fahasaro-piaroko sy ny afon'ny fahatezerako no nitenenako hoe: Amin'izany andro izany dia hisy horohoro mafy any amin'ny tanin'ny Isiraely,
20In trepetale bodo pred obličjem mojim ribe v morju in ptice nebeške in zveri na polju in vsa laznina, ki se giblje na zemlji, in vsi ljudje, kar jih je na površju zemlje; in gore se razvalein strme višave popadajo in vsak zid se poruši.
20ka hangorohoro eo anatrehako ny hazandrano any an-dranomasina sy ny voro-manidina sy ny bibi-dia ary ny biby mandady sy mikisaka rehetra izay mandady sy mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra ambonin'ny tany; dia hazera ny tendrombohitra, hikoany fiakarana mideza, ary hirodana ity ampiantany rehetra.
21In pokličem meč zoper njega na vse gore svoje, govori Gospod Jehova; vsakterega meč bo obrnjen proti bratu njegovemu.
21Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin'ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin'ny namany avy izy rehetra.
22In izvršim sodbo nad njim s kugo in s krvjo; in poplavljajočo ploho in točo, ogenj in žveplo bom dežil na njega in na trume njegove in na narode mnoge, ki so ž njim.In izkažem se velikega in svetega ter se dam spoznati očem mnogih narodov. In vedeli bodo, da sem jaz GOSPOD.
22Ary hamaly azy amin'ny areti-mandringana sy ny rà sy ny ranon'orana manafotra ary ny havandra vaventy Aho; ary koa, handatsaka afo sy solifara aminy sy amin'ny miaramilany mbamin'ny firenena maro izay miaraka aminy Aho.[Heb. hifandahatra aminy]Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
23In izkažem se velikega in svetega ter se dam spoznati očem mnogih narodov. In vedeli bodo, da sem jaz GOSPOD.
23Ka dia hasehoko ny fihalehibiazako sy ny fahamasinako; ary ho fantatra eo imason'ny firenena maro Aho: ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.