Slovenian

Malagasy

Ezekiel

40

1V petindvajsetem letu našega ujetništva, v začetku leta, deseti dan meseca, v štirinajstem letu potem, ko je bilo mesto premagano, tisti dan je bila roka GOSPODOVA nad menoj in me je pripeljal tja.
1[Ny fahitana naseho tamin'i Ezekiela ny amin'ny tempoly vaovao] Tamin'ny taona fahadimy amby roa-polo taorian'ny namaboana antsika, tamin'ny niandohan'ny taona, dia tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana, tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo taorian'ny namelezana ny tanàna, tamin'izany andro izany dia tamiko ny tànan'i Jehovah, ka nitondra ahy ho any Izy.
2V prikaznih Božjih me je pripeljal v deželo Izraelovo in me spustil na silno visoko goro, in na njej, proti jugu, je bilo kakor stavba mesta.
2Fahitana avy amin'Andriamanitra no nitondrany ahy ho any amin'ny tanin'ny Isiraely, ka napetrany teo an-tendrombohitra avo dia avo aho, ary nisy nitarehin-tanàna teo amin'ny ilany atsimo.
3In ko me je pripeljal tja, glej, bil je tam mož, čigar podoba je bila kakor podoba brona, in v roki njegovi vrvica iz prediva in merilna palica; in stal je med vrati.
3Dia nentiny nankao aho, ka, indro, nisy lehilahy izay nitarehim-barahina, nitondra tady rongony teny an-tànany sy volotara fandrefesana, ary nitsangana teo am-bavahady izy.
4In tisti mož me ogovori: Sin človečji, glej z očmi svojimi in z ušesi poslušaj ter si vtisni v srce vse, kar ti pokažem; zakaj da ti to pokažem, zato si pripeljan semkaj. Oznani družini Izraelovi vse, karkoli vidiš.
4Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak'olona, mijere amin'ny masonao, ary mihainoa amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin'ny taranak'Isiraely izay rehetra hitanao.
5In glej, zid je bil zunaj hiše kroginkrog in v roki moževi merilna palica, šest komolcev dolga, katerih vsak je imel komolec in dlan. In meril je širjavo stavbe: eno palico, in višavo: eno palico.
5Ary, indro, nisy ampiantany vato manodidina teny ivelan'ny trano, ary eny an-tanan-dralehilahy nisy volotara fandrefesana, enina hakiho ny halavany, kanefa isaky ny hakiho iray dia nihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao; ka dia norefesiny ny hatevin'ny ampiantany, ka eran'ny volotara. ary ny hahavony dia eran'ny volotara koa.
6Nato je šel k vratom, ki gledajo proti vzhodu, in stopil gori po njih stopnicah. In meril je prag pod vrati: eno palico širjave, in sicer prvi prag eno palico širjave.
6Dia tonga teo amin'ny vavahady manatrita ny atsinanana izy ka niakatra tamin'ny ambaratongany dia nandrefy ny tokonam-bavahady, ka eran'ny volotara ny sakany, dia ny tokonana voalohany izany, ka eran'ny volotara ny sakany.[Na: ary eran'ny volotara ny sakan'ny tokonana iray koa]
7In vsaka stražnica je bila eno palico dolga in eno palico široka; med stražnicami pa je bilo pet komolcev prostora; in prag pod vrati poleg vratne veže proti hiši je imel eno palico.
7Ary ny trano fiambenana, dia eran'ny volotara ny lavany, ary eran'ny volotara koa ny sakany; ary ny elanelan'ny trano fiambenana dia dimy hakiho; ary ny tokonam-bavahady eo anilan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia eran'ny volotara.
8Meril je tudi vratno vežo proti hiši: eno palico.
8Dia norefesiny koa ny lavarangan'ny vavahady, ka eran'ny volotara koa.
9Potem je meril vratno vežo: osem komolcev, in njene opore: dva komolca debele; in vratna veža je bila proti hiši.
9Ary norefesiny ny lavarangan'ny vavahady, ka valo hakiho; ary ny tongo-batony dia roa hakiho; ary ny lavarangan'ny vavahady dia teo anatiny.
10In stražnice vrat proti vzhodu so bile tri na tej in tri na oni strani; isto mero so imele vse tri in isto mero opore na tej in na oni strani.
10Ary ny trano fiambenana teo amin'ny vavahady atsinanana dia telo avy no teo an-daniny; mitovy ohatra izy telo, ary mitovy ohatra koa ny tongo-bato teo amin'ny lafiny roa.
11In meril je širjavo odprtine med vrati: deset komolcev, dolgost hodišča v vratih: trinajst komolcev.
11Ary norefesiny koa ny haben'ny vavahady, ka folo hakiho; ary ny lavan'ny vavahady dia telo ambin'ny folo hakiho.
12In prostora pred stražnicami je en komolec na tej strani in en komolec prostora na oni strani; stražnice pa so bile po šest komolcev na tej in na oni strani.
12Ary nisy nifefy teo anoloan'ny trano fiambenana, ka iray hakiho avy no teo an-daniny roa; ary ny trano fiambenana, dia enina hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.
13In meril je vrata od strehe ene stražnice do strehe druge: petindvajset komolcev širjave, duri proti durim.
13Dia norefesiny koa ny vavahady hatramin'ny tafon'ny trano fiambenana iray ka hatramin'ny tafon'ny iray koa, ka dimy amby roa-polo hakiho ny sakany, ary mifanatrika ny varavarana.
14In naredil je opore, šestdeset komolcev, in na oporah je slonel preddvor, vrata okoliinokoli.
14Ary ny tongo-bato dia noheveriny ho enim-polo hakiho, ary nihatra tamin'ny tongo-bato ny kianja manodidina ny vavahady.
15In od pročelja vhodnih vrat do pročelja veže notranjih vrat je bilo petdeset komolcev.
15Ary hatreo anoloan'ny vavahady fidirana ka hatreo anoloan'ny lavarangan'ny vavahady anatiny dia dimam-polo hakiho.
16In okna, znotraj široka, zunaj ozka, so bila na stražnicah in na njih oporah, proti notranjščini vrat, vseokoli, in enako na stenskih napustkih, in tako so bila okna okoli navznoter; in na oporah so bile palme.
16Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha manodidina, na ao amin'ny trano fiambenana, na amin'ny tongo-bato ao anatin'ny vavahady; ary toy izany koa amin'ny tohany; ary ny ao anatiny dia nisy varavarankely manodidina; ary teo amin'ny tongo-bato rehetra dia samy nisy sarin'ny hazo rofia avokoa.[Na: sady manodidina azy ny vavahady][palma]
17Tedaj me je peljal na zunanje dvorišče, in glej, tu so bili hrami in kamenat tlak kroginkrog po dvorišču; trideset hramov je bilo na kamenatem tlaku.
17Dia nentiny ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary, indro, nisy efi-trano madinika sy lampivato teny amin'ny kianja manodidina: nisy efi-trano telo-polo teny amin'ny lampivato.
18In kamenat tlak je bil ob straneh vrat, primerno dolžini vrat, namreč nižji kamenat tlak.
18Ary ny lampivato dia teo anilan'ny vavahady, sady nifanerana tamin'ny lavan'ny vavahady: lampivato ambany io.
19In meril je širjavo od pročelja vrat pri nižjem dvorišču do čela notranjega dvorišča odzunaj, sto komolcev, enako na vzhodni in na severni strani.
19Dia norefesiny koa ny sakany hatreo anoloan'ny vavahady ambany ka hatreo anoloan'ny kianja anatiny, dia hatreo amin'ny ivelany, ka zato hakiho, dia teo atsinanana sy teo avaratra.
20In vrata, ki so gledala proti severu, pri zunanjem dvorišču: meril je njih dolžino in njih širjavo;
20An norefesiny koa ny lavany sy ny sakan'ny vavahadin'ny kianja ivelany, izay nanatrika ny avaratra.
21in njih stražnic je bilo troje na tej in troje na oni strani; in njih opore in njih stenski napustki so bili iste mere kot prvih vrat: petdeset komolcev njih dolžina in petindvajset komolcev njih širjava.
21Ary ny trano fiambenany dia telo avy no teo an-daniny; ary ny tongo-batony sy ny tohany dia nitovy ohatra tamin'ny vavahady voalohany, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
22In njih okna in njih stenski napustki in njih palme so bile iste mere kakor pri vratih proti vzhodu; in po sedmih stopnicah se je hodilo gori, in njih stenski napustki so bili pred njimi.
22Ary ny varavarankeliny sy ny tohany an ny sarin'ny hazo rofia taminy dia nitovy ohatra tamin'ny ireo amin'ny vavahady atsinanana, ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao; ary ny tohany dia tandrifin'ireo.[palma]
23In bila so vrata do notranjega dvorišča nasproti drugim vratom, na severu in na vzhodu. In meril je od vrat do vrat sto komolcev.
23Ary nisy vavahadin'ny kianja anatiny, tandrifin'ny vavahady fidirana manatrika ny avaratra sy ny atsinanana; ka dia norefesiny hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho.
24In peljal me je proti jugu. In glej, vrata so bila proti jugu, in meril je njih opore in njih stenske napustke po onih merah.
24Dia nentiny nianatsimo aho, ka, indro, nisy vavahady teo atsimo; ka norefesiny ny tongo-batony sy ny tohany, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
25In okna so bila na njih in na njih stenskih napustkih kroginkrog, kakor okna pri onih vratih; dolžina je bila petdeset komolcev in širjava petindvajset komolcev.
25Ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dia tahaka ireo varavarankely ireo ihany koa, ka dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
26In sedem stopnic so imeli njih vzhodi, in njih stenski napustki so bili pred njimi, in so imela palmi na oporah, eno na tej in drugo na oni strani.
26Ary nisy ambaratonga fito ho fiakarana ao, ary ny tohany dia tandrifin'ireo; ary nisy sarin'ny hazo rofia iray tamin'ny lafiny iray, ary iray koa tamin'ny lafiny iray teo amin'ny tongo-batony.[palma]
27In bila so vrata do notranjega dvorišča proti jugu; in meril je od vrat do vrat proti jugu, sto komolcev.
27Ary nisy vavahady fidirana amin'ny kianja anatiny teo atsimo, dia norefesiny teo atsimo hatramin'ny vavahady anankiray ka hatramin'ny anankiray, ka zato hakiho koa.
28Nato me je pripeljal skozi južna vrata na notranje dvorišče. In meril je južna vrata po onih merah
28Ary nentiny niditra tamin'ny vavahady atsimo ho any amin'ny kianja anatiny aho; dia norefesiny ny vavahady atsimo, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa;
29in njih stražnice in njih opore in stenske napustke po onih merah; in okna so bila na njih in na njih stenskih napustkih okoliinokoli: dolžina je bila petdeset komolcev in širjava petindvajset komolcev.
29ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
30In stenski napustki so bili kroginkrog, dolžina petindvajset komolcev in širjava pet komolcev.
30Ary nisy tohany manodidina, dia dimy amby roa-polo hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany.
31In njih stenski napustki so bili proti zunanjemu dvorišču, in palme so bile na njih oporah, in osem stopnic so imeli njih vzhodi.
31Ary ny tohany dia nanatrika ny kianja ivelany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
32In pripeljal me je na notranje dvorišče proti vzhodu. In meril je vrata po onih merah
32Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin'ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.
33in njih stražnice in njih opore in stenske napustke po onih merah; in bila so okna na njih in na njih stenskih napustkih okoliinokoli; dolžina je bila petdeset komolcev in širjava petindvajset komolcev.
33Ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany dia araka ireo ohatra ireo ihany koa; ary nisy varavarankely teo aminy sy teo amin'ny tohany manodidina, dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby-roa-polo hakiho ny sakany.
34In njih stenski napustki so bili proti zunanjemu dvorišču, in palme so bile na njih oporah na tej in na oni strani; in osem stopnic so imeli njih vzhodi.
34Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tohany; ary nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa, ary nisy ambaratonga valo ho fiakarana ao.[palma]
35In pripeljal me je k severnim vratom. In meril jih je po onih merah:
35Ary nentiny ho any amin'ny vavahady avaratra aho, dia norefesiny, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa,
36njih stražnice, njih opore in stenske napustke; in okna so bila na njih kroginkrog; dolžina je bila petdeset komolcev in širjava petindvajset komolcev.
36ary ny trano fiambenany sy ny tongo-batony ary ny tohany, ary nisy varavarankely teo aminy manodidina, dia dimam-polo hakiho ny lavany, ary dimy amby roa-polo hakiho ny sakany.
37In njih opore so bile proti zunanjemu dvorišču, in palme so bile na tej in na oni strani, in osem stopnic so imeli njih vzhodi.
37Ary nanatrika ny kianja ivelany ny tongo-batony; nisy sarin'ny hazo rofia teo amin'ny tongo-batony andaniny roa; ary ambaratonga valo no fiakarana ao.[palma]
38In hram s svojimi durmi je bil pri oporah vrat, tam so prali žgalne daritve.
38Ary nisy efi-trano misy varavarana teo anilan'ny tongo-bato teo am-bavahady, izay nanakobahany ny fanatitra dorana.
39In v veži pred vrati sta bili dve mizi na tej in dve mizi na oni strani, da so nanje pokladali zaklano žgalščino in daritev za greh in za krivdo.
39Ary teo amin'ny lavarangan'ny vavahady dia nisy latabatra roa avy tamin'ny lafiny roa hamonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana.
40In na zunanji strani, severni, če greš gori k vratnemu vhodu, sta bili dve mizi, in na drugi strani veže pred vrati veže dve mizi:
40Ary teo anilany eo ivelany amin'ny fiakarana hiditra eo amin'ny vavahady avaratra dia nisy latabatra roa, ary teo anilany anankiray koa teo amin'ny lavarangan'ny vavahady, dia nisy latabatra roa koa.
41štiri mize na tej in štiri mize na oni strani, po strani vrat: osem miz, na katere so pokladali zaklane daritve.
41Nisy latabatra efatra teo amin'ny ilany iray amin'ny vavahady ary latabatra efatra koa teo amin'ny ilany iray, dia latabatra valo izay famonoana.
42In štiri mize iz rezanih kamenov so bile za žgalščino, po poldrugi komolec dolge in poldrugi komolec široke in po en komolec visoke; na te so pokladali orodje, s katerim so klali žgalne in klalne daritve.
42Ary nisy latabatra efatra natao tamin'ny vato voapaika ho amin'ny fanatitra dorana, iray hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany koa ny sakany, ary iray hakiho ny hahavony; teo no nametrahany ny zavatra famonoana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa.
43In robovi, dlan široki, so bili privihani okoliinokoli, in na mize so devali meso za daritev. –
43Ary nisy fihantonana roa rantsana, vodivoam-pelatanana ny halavany, naorina manodidina eny amin'ny rindrina; ary natao teo ambonin'ny latabatra ny hena fanatitra.[Na: nisy filirany][Na: ny habeny]
44In zunaj notranjih vrat sta bila dva hrama na notranjem dvorišču: eden na strani severnih vrat s pročeljem proti jugu, eden na strani južnih vrat s pročeljem proti severu.
44Ary teo ivelan'ny vavahady anatiny, teo anilan'ny vavahady avaratra ka manatrika ny atsimo, dia nisy ireo efi-trano ho an'ny mpihira teo amin'ny kianja anatiny, ary nisy iray koa teo anilan'ny vavahady atsinanana ka nanatrika ny avaratra.
45In mi reče: Ta hram, ki mu je pročelje obrnjeno proti jugu, je za duhovnike, ki strežejo službi v hiši.
45Ary hoy izy tamiko: Ity efi-trano manatrika ny atsimo ity dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharahany amin'ny trano.
46Hram pa, ki mu je pročelje obrnjeno proti severu, je za duhovnike, ki strežejo službi pri oltarju; to so sinovi Zadokovi, ki pristopajo izmed sinov Levijevih h GOSPODU, da mu služijo.
46Ary ny efi-trano manatrika ny avaratra kosa dia ho an'ny mpisorona izay mitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny alitara, ireo dia taranak'i Zadoka, izay isan'ny taranak'i Levy, ka manatona an'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ho Azy.
47In izmeril je dvorišče: sto komolcev dolgo in sto komolcev široko, štirivoglato. In oltar je bil pred hišo.
47Dia norefesiny ny kianja, ka zato hakiho ny lavany, ary zato hakiho koa ny sakany, dia efa-joro sokera izy; ary ny alitara dia teo anoloan'ny trano.
48In pripeljal me je k hišni veži; in meril je opore vežne: pet komolcev na tej in pet komolcev na oni strani; in širjava vratom je bila trije komolci na tej in trije komolci na oni strani.Dolgost veže je bila dvajset komolcev in širjava enajst komolcev, in to ob stopnicah, po katerih se je hodilo do nje. In stebra sta bila pri oporah, eden na tej in eden na oni strani.
48Ary nentiny ho any amin'ny lavarangan'ny trano aho, dia norefesiny ny tongo-batony amin'ny lavarangana fidirana, ka dimy hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary dimy hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray, ary ny sakan'ny vavahady dia telo hakiho ny tamin'ny lafiny iray, ary telo hakiho koa ny tamin'ny lafiny iray.Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.
49Dolgost veže je bila dvajset komolcev in širjava enajst komolcev, in to ob stopnicah, po katerih se je hodilo do nje. In stebra sta bila pri oporah, eden na tej in eden na oni strani.
49Roa-polo hakiho ny lavan'ny lavarangana fidirana, ary iraika ambin'ny folo hakiho ny satany; ary ambaratonga no fiakarana ao; ary nisy tongo-bato teo anilan'ny tolana, iray tamin'ny lafiny iray, ary iray tamin'ny lafiny iray koa.