Slovenian

Malagasy

Ezekiel

41

1In pripeljal me je v tempelj. In meril je opore: šest komolcev širjave na tej in šest komolcev širjave na oni strani, kakor je bila širjava Šatora.
1Ary nentiny ho ao amin'ny ati-trano lehibe aho, dia norefesiny ny tongo-bato, ka enina hakiho ny sakany tamin'ny lafiny iray, ary enina hakiho koa ny sakany tamin'ny lafiny iray; sakan'ny trano-lay izany.
2In širjava vhoda je bila deset komolcev, durnici vhoda pa sta merili pet komolcev na tej in pet komolcev na oni strani. In izmeril je dolgost templja: štirideset komolcev, in širjavo njegovo: dvajset komolcev.
2Ary ny sakan'ny varavarana dia folo hakiho; ary ny teo an-danin'ny varavarana dia dimy hakiho avy; ary norefesiny ny lavany, ka efa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
3In šel je v notranjščino; in meril je obe opori vhoda: dva komolca, in vhod šest komolcev visok in sedem komolcev širok.
3Dia nandroso ho ao anatiny indrindra izy ary, norefesiny ny tongo-bato eo an-danin'ny varavarana, ka roa hakiho, ary ny varavarana enina hakiho, ary ny sakan'ny varavarana fito hakiho.
4In meril je njeno dolgost: dvajset komolcev, in širjavo: dvajset komolcev proti templju. In mi reče: To je Najsvetejše.
4Dia norefesiny ny lavany, ka roa-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho teo anoloan'ny ati-trano lehibe; dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana masina indrindra.
5In meril je hišno steno: šest komolcev, in širjavo postranskih sobic: štiri komolce, kroginkrog pri hiši.
5Ary samy norefesiny manodidina, ka ny hatevin'ny rindrin'ny trano dia enina hakiho, ary ny sakan'ny paosin-trano dia efatra hakiho.
6Bilo je pa postranskih sobic, sobica nad sobico, po trideset v treh nadstropjih; in odstavki so bili na zidu okrog hiše za postranske sobice, da so slonele na njih in ne na zidu hiše same.
6Ary ireo paosin-trano ireo dia nifanongoa telo sady telo-polo milahatra; ary niankina tamin'ny rindrin-trano izay ho an'ny paosin-trano manodidina izy mba hitsatohany, fa tsy hitsatoka amin'ny rindrin'ny trano.
7In širjava in prostornost tistih sobic je bila više večja, kajti prostornost ob hiši se je navzgor večala bolj in bolj, da je bilo širše ob hiši proti višku. In hodilo se je iz spodnjih sobic po srednjih v zgornje.
7Ary ny sakan'ireo efi-trano ireo dia nihamalalaka manodidina isaky ny mifanongoa, fa niampy isaky ny mifanongoa izy, ka dia nihamalalaka araka ny fisandrany; ary ny tombon'ny ambony amin'ny an-tenatenany dia tahaka ny tombon'ny an-tenatenany amin'ny ambany.
8In videl sem odstavek spodaj okoli hiše: postranske sobe so imele podzid eno šibo širok, šest komolcev do stika.
8Dia hitako fa nisy tokotany nasandratra manodidina ny trano ho fanorenan'ny paosin-trano, dia eran'ilay volotara hatramin'ny ifanohizany.[Na: Dia noheveriko ny hahavon'ny trano manodidina; ary ny fanorenan'ny paosin-trano dia]
9Debelost zida, ki so ga imele postranske sobice na zunaj, je bila pet komolcev; in plan ob poslopju postranskih sobic, med hišo
9Ny hatevin'ny rindrina ivelany amin'ny paosin-trano dia dimy hakiho; ary hoatra izany koa ilay sisa navela manolotra ny paosin-trano.
10in med hrami, ki so bili okoli hiše, je bila dvajset komolcev široka na vse strani.
10Ary ny teo anelanelan'ny efi-trano dia roa-polo hakiho manodidina ny trano na aiza na aiza.
11In duri postranskih sobic so bile proti temu planemu prostoru, ene duri proti severu in druge duri proti jugu. In širjava praznega prostora je bila pet komolcev okoliinokoli.
11Ary ny varavaran'ny paosin-trano dia mankao amin'ilay sisa navela, dia varavarana iray manatrika ny avaratra, ary iray koa manatrika ny atsimo; ary ny sakan'ilay sisa navela dia dimy hakiho manodidina.
12In poslopje spredaj ob odločenem prostoru na zahodni strani templja je bilo sedemdeset komolcev široko, in zid poslopja pet komolcev debel kroginkrog, in dolgost njegova devetdeset komolcev.
12Ary ny trano izay teo anoloan'ilay kianja voatokana tamin'ny lafiny andrefana, dia dia fito-polo hakiho ny sakany; ary ny rindrin'ny trano, dia dimy hakiho ny hatevin'ny manodidina, ary sivi-folo hakiho ny lavany.
13In izmeril je tempelj: dolgost sto komolcev, in odločeni prostor, poslopje in njegove zidove: dolgost sto komolcev;
13Dia nandrefy ny trano izy, ka zato hakiho ny lavany, ary ny kianja voatokana sy ny trano ary ny rindrina, dia zato hakiho ny lavany.
14širjava pa hišnega pročelja in odločenega prostora proti vzhodu: sto komolcev.
14Ary ny sakan'ny trano eo anoloany sy ny kianja voatokana teo atsinanana dia zato hakiho.
15In meril je dolgost tistega poslopja, ki je bilo ob sprednji strani odločenega prostora in je segalo do zadnje strani; in mostovže njegove na tej in na oni strani: sto komolcev; in notranji tempelj in hrame na dvorišču –
15Dia norefesiny ny lavan'ny trano teo anoloan'ny kianja izay tao ivohony, ary ny lalan-tsarany teo an-daniny roa, ka zato hakiho. Ny tempoly ao anaty sy ny lavarangana ao amin'ny kianja
16prage in poševna okna in mostovže okoli tistih treh poslopij – nasproti pragom je bilo vse kroginkrog obito z lesom in od tal do oken (okna pa so bila pokrita) –
16ary ny tokonana sy ny varavarankely makarakara tsy mivoha ary ny lalan-tsara manodidina amin'izy telo (manandrify ny tokonana dia nopetahana hazo fisaka manodidina, ary hatramin'ny tany ka hatramin'ny varavarankely koa, ary voasarona ny varavarankely),
17prostor nad vrati in vso hišo, znotraj in zunaj, in prostor poleg vseh sten okrog, znotraj in zunaj: vse je imelo svojo mero.
17ary ny eo ambonin'ny varavarana, na amin'ny trano ao anatiny, na ny eny ivelany, mbamin'ny rindrina manodidina, na ny ao anatiny na ny eny ivelany, koa samy natao tamin'ny ohatra avokoa.
18In bili so narejeni kerubimi in palme, in palma je bila med kerubom in kerubom; vsak kerub je imel dvoje obličje:
18Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao, ka ny sarin'ny hazo rofia dia teo anelanelan'ny kerobima, ary ny kerobima dia samy nanana tarehy roa avy,[palma]
19človekovo obličje proti palmi na tej in levovo obličje proti palmi na oni strani; tako je bilo narejeno pa vsej hiši kroginkrog.
19ka ny tarehin'olona no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray, ary ny tarehin-diona tanora kosa no nanatrika ny hazo rofia tamin'ny an-kilany iray; ny manodidina ny trano dia natao tahaka izany avokoa izy rehetra.[palma]
20Od tal do vrh vrat so bili narejeni kerubimi in palme: taka je bila templjeva stena.
20Hatramin'ny tany ka hatrany ambonin'ny varavarana no nasiana sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia, dia teo amin'ny rindrin'ny ati-trano lehibe.[palma]
21Podboji v templju so bili na štiri vogle; in tisti na pročelju svetišča so imeli enako podobo.
21Efa-joro ny tolan'ny ati-trano lehibe, ary ny anoloana amin'ny fitoerana masina dia nitovy tarehy tamin'izany koa.
22Oltar je bil iz lesa, tri komolce visok in dva komolca dolg, in imel je svoje vogle in njegov podstavek in stene njegove so bile iz lesa. In mi reče: To je miza, ki je pred GOSPODOM.
22Ny alitara dia hazo, ka telo hakiho ny hahavony, ary roa hakiho ny lavany; ary nisy zorony koa, ary ny lavany sy ny rindriny dia hazo. Ary hoy izy tamiko: Io no latabatra izay eo anatrehan'i Jehovah.
23In tempelj in svetišče sta imeli dvojne duri.
23Ary ny ati-trano lehibe sy ny fitoerana masina dia nisy lela-varavarana roa.
24In duri so imele dve durnici, ki sta se vrteli; dve durnici za ene duri in dve durnici za druge.
24Ary ireo lela-varavarana ireo dia samy kopa-droa avy, dia lela-varavarana roa amin'ny anankiray, ary lela-varavarana roa koa amin'ny anankiray.
25In na njih, na durih templjevih, so bili narejeni kerubimi in palme, kakor so bili narejeni na stenah. In leseno strešno tramovje je bilo ob sprednji strani veže.In poševna okna in palme so bile na tej in na oni strani, na vežnih stenah in na postranskih hišnih sobicah in na tramovju.
25Ary nisy sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia natao teo amin'ny varavaran'ny ati-trano lehibe tahaka izay natao teo amin'ny rindrina ihany; ary nisy tokonana hazo teo anoloan'ny lavarangana fidirana, dia teo ivelany.[palma][Na: tatao]Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]
26In poševna okna in palme so bile na tej in na oni strani, na vežnih stenah in na postranskih hišnih sobicah in na tramovju.
26Ary nisy varavarankely makarakara tsy mivoha sy sarin'ny hazo rofia teo an-daniny roa, dia teo anilan'ny lavarangana fidirana sy teo amin'ny efi-trano momba ny trano ary teo amin'ny tokonana.[palma][Na: tatao]