1In peljal me je ven na zunanje dvorišče po poti proti severu. In me privede k hramom, ki so bili nasproti odločenemu prostoru in nasproti poslopju proti severu,
1Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,
2k podložni strani, mereči sto komolcev, kjer je bil severni vhod, širjava pa je bila petdeset komolcev,
2dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
3nasproti dvajsetim komolcem notranjega dvorišča in nasproti tlaku zunanjega dvorišča. Mostovž je bil proti mostovžu v tretjem nadstropju.
3Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.
4Pred hrami je bil hodnik deset komolcev širok, do notranjega dvorišča je bilo sto komolcev. Njih duri pa so bile proti severu.
4Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.[Na: (zato)]
5In ker so jim mostovži krajšali prostor, so bili zgornji hrami ožji nego spodnji in srednji na poslopju.
5Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
6Kajti bili so trojni, drug nad drugim, a niso imeli stebrov kakor stebri na dvoriščih; zato so bili zgornji ožji nego spodnji in srednji od tal.
6Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
7In zunanji zid, vzporeden hramom, proti zunanjemu dvorišču, je bil ob sprednji strani hramov, petdeset komolcev dolg.
7Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
8Kajti dolgost hramov ob zunanjem dvorišču je bila petdeset komolcev, in glej, templju nasproti sto komolcev.
8Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
9In pod temi hrami je bil vhod do vzhoda, če se je k njim šlo do zunanjega dvorišča. –
9Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.
10Na širnem zidu na dvorišču proti jugu, pred odločenim prostorom in pred poslopjem, so bili tudi hrami,
10Ary nisy efi-trano koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana, tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.
11in pred njimi je bila pot kakor pri hramih proti severu; enako so bili dolgi in široki kakor oni, in vsi njih izhodi, naprave in duri so bile enake.
11Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
12In kakor vhodi onih so bili tudi vhodi hramov, ki so stali proti jugu: vhod v začetku poti, tiste poti, ki je bila poleg vzporednega zida proti vzhodu, če se je k njim šlo.
12ary tahaka ny varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
13In mi reče: Hrami na severu in hrami na jugu, ki so pred odločenim prostorom, so sveti hrami, v katerih naj jedo presvete reči duhovniki, ki se bližajo GOSPODU. Tam naj pokladajo presvete reči, jedilno daritev in žrtev za greh in za krivdo; kajti ta kraj je svet.
13Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
14Kadar stopijo duhovniki v svetišče, ne smejo iti ven na zunanje dvorišče, ampak tam naj si slečejo oblačila, v katerih služijo, ker so sveta; oblečejo naj druga oblačila in tako naj se bližajo prostoru, določenemu za ljudstvo.
14Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
15In ko je premeril vso notranjo hišo, me je peljal ven skozi vrata, ki so gledala proti jutru, in meril je povsod okoli.
15Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
16Meril je vzhodno stran z mersko palico, petsto palic po merski palici okrog.
16Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
17Meril je severno stran, petsto palic po merski palici okrog.
17Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.
18Meril je južno stran, petsto palic po merski palici.
18Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.
19Potem je krenil proti zahodni strani in meril petsto palic po merski palici.Meril je prostor na štiri strani; okoli njega je bil zid povsod okrog: dolgost je bila petsto in širjava petsto, da bi se ločilo med tem, kar je sveto, in tem, kar je v občno porabo.
19Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
20Meril je prostor na štiri strani; okoli njega je bil zid povsod okrog: dolgost je bila petsto in širjava petsto, da bi se ločilo med tem, kar je sveto, in tem, kar je v občno porabo.
20Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.