1Potem me je peljal k vratom, k tistim vratom, ki so gledal proti jutru.
1[Ny nidiran'ny voninahitr'i Jehovah ho ao amin'ny tempoly, sy ny teny nampitondrainy tamin'izany] Ary nentiny ho any amin'ny vava;) hady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
2In glej, slava Boga Izraelovega je prišla od vzhoda, in glas njegov je bil kakor glas mnogih vodá in zemlja je sijala od slave njegove.
2Ary, indro, tamy ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely avy tany atsinanana; ary ny feony dia tahaka ny firohondrohon'ny rano be; ary ny tany dia namirapiratra azon'ny voninahiny.
3In prikazen, ki sem jo videl, je bila kakor prikazen, ki sem jo videl, ko sem bil prišel razdevat mesto; in bile so prikazni kakor prikazen, ki sem jo videl ob reki Kebarju. In padel sem na obraz svoj.
3Ary ny tarehin'ny zavatra hitako dia tahaka ny an'ilay efa hitako, fony aho tonga handrava ny tanàna; ary nisy tahaka ny tarehin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
4In slava GOSPODOVA je prišla v hišo po poti vrat, katerih pročelje je obrnjeno proti jutru.
4Ary ny voninahitr'i Jehovah dia niditra tamin'ny vavahady manatrika ny atsinanana ho ao an-trano.
5In duh me povzdigne ter me pripelje na notranje dvorišče; in glej, slava GOSPODOVA je napolnila hišo.
5Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin'ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano.[Na: rivotra]
6In slišal sem nekoga govoriti k meni iz hiše, mož mi je pa stal ob strani.
6Dia reko fa nisy niteny tamiko tao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7In mi govori: Sin človečji, to je mesto prestola mojega in mesto stopal mojih, kjer bom vekomaj prebival sredi sinov Izraelovih. In hiša Izraelova ne bo več skrunila svetega imena mojega, ne oni, ne njih kralji, z nečistovanjem svojim in z mrliči svojih kraljev na svojih višavah,
7Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, eto no hitoeran'ny seza fiandrianako sy hitoeran'ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin'ny zanak'Isiraely; ary tsy holotoin'ny taranak'Isiraely, na izy na ny mpanjakany, amin'ny fijangajangany sy amin'ny sampin'ny mpanjakany ao amin'ny fitoerany avo intsony ny anarako masina,[Heb. fatin']
8ko so stavili svoj prag poleg mojega praga in svoje podboje pri mojih podbojih, da je bila le stena med menoj in njimi; in oskrunjali so ime svetosti moje z gnusobami, ki so jih počenjali, zato sem jih pokončal v jezi svoji.
8tamin'ny nametrahany ny tokonam-baravaran'ireny teo anilan'ny tokonam-baravarako sy ny tolan'ireny teo anilan'ny tolako, rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny, dia nolotoiny tamin'ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; ka dia nahalany ringana azy tamin'ny fahatezerako Aho.
9Sedaj spravijo izpred mene nečistovanje svoje in mrliče svojih kraljev, in prebival bom sredi njih vekomaj.
9Fa amin'izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny sampin' ny mpanjakany, ka dia honina ao aminy mandrakizay Aho.[Heb. fatin']
10Ti, sin človečji, pokaži ta dom hiši Izraelovi, da bi se sramovali krivic svojih, in naj izmerijo stavbni načrt.
10Hianao, ry zanak'olona, asehoy amin'ny taranak'Isiraely ny trano mba hahamenatra azy ny amin'ny helony, ka dia horefesiny ny mari-trano.
11In kadar se bodo sramovali vsega, kar so počenjali, jim razlóži podobo hiše in njeno uredbo in njene izhode in vhode in vse njene podobe in vse naprave njene in vse podobe in vse zakone njene, in nariši to pred njih očmi, da ohranijo vso podobo njeno in vse naprave njene ter se po njih ravnajo.
11Ary raha menatra ny amin'izay rehetra efa nataony izy, dia asehoy azy ny endriky ny trano mbamin'ny fombafombany sy ny fivoahana avy ao aminy sy ny fidirana ho ao aminy ary ny endriny rehetra sy ny didy rehetra aminy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra aminy; koa soraty eo imasony izany, hitandremany ny endriny rehetra ary ny lalàny rehetra ka hanatanterahany izany.
12To je postava za hišo: Na vrhu gore je ves njen okraj kroginkrog presvet. Glej, to je postava za hišo.
12Izao no lalàna amin'ny trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon'ny tendrombohitra. Eny, izany no lalana amin'ny trano.
13To pa je mera za oltar, po komolcih (komolec bodi komolec in dlan dolg): žlebina bo komolec globoka in komolec široka, in njen zidec ob kraju njenem kroginkrog dlan visok; in to bode podzid oltarju.
13[Ny amin'ny alitaran'ny fanatitra odorana sy ny fanokanana azy] Ary izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra vodivoam-pelatanana noho ny fanao: Ny fara-vodiny dia iray hakiho, ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny koronosiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan'ny alitara.
14In od žlebine ob tleh do nižjega odstavka bo dva komolca višine in en komolec širjave; in od malega odstavka do velikega odstavka bo štiri komolce višine in komolec širjave.
14Ary hatramin'ny fara-vodiny eo amin'ny tany ka hatramin'ny rindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatramin'ny rindriny iva ka hatramin'ny rindriny avo dia efatra hakiho; ary ny sakany dia iray hakiho.
15In ognjišče božje bo štiri komolce visoko, in od ognjišča božjega kvišku bodo štirje rogovi.
15Ary ny fanambonin'ny alitara dia ho efatra hakiho, ary eo ambonin'ny fatana dia hisy tandroka efatra.[Heb. Harela = tendrombohitr'Andriamanitra][Heb. Ariela = fatan'Andriamanitra, na lion'Andriamanitra, ka tokony ho anaran'ny momba ny fanambonin'ny alitara ireo]
16In ognjišče božje bo dvanajst komolcev dolgo in dvanajst široko; četverovoglato bo proti svojim štirim stranem.
16Roa ambin'ny folo hakiho ny lavan'ny fatana,4 ary roa ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, ary efa-joro sokera izy,
17In odstavek bo štirinajst komolcev dolg in štirinajst širok proti štirim stranem njegovim; in zidec okoli njega bo pol komolca, in žlebina ob njem komolec široka; in stopnice njegove bodo obrnjene proti jutru.
17Ary ny rindriny dia efatra ambin'ny folo hakiho ny lavany, sy efatra ambin'ny folo hakiho koa ny sakany, amin'ny lafiny efatra; ary ny koronosiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ary ny fara-vodiny dia iray hakiho manodidina; ary ny ambaratongany dia manatrika ny atsinanana.
18In mi reče: Sin človečji, tako pravi Gospod Jehova: To so postave za oltar na dan, ko ga napravijo, da se daruje na njem žgalščina in škropi kri po njem.
18Ary hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no didy ny amin'ny alitara amin'izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana sy hanopazana rà aminy:
19Duhovnikom, levitom, ki so iz semena Zadokovega, ki so mi blizu, da bi mi stregli, govori Gospod Jehova, daj mladega junca v daritev za greh.
19Ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, dia homenao vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy Jehovah Tompo.
20In vzemi krvi njegove in jo deni na štiri rogove njegove in na štiri vogle odstavkove in na zidec kroginkrog; tako ga očisti greha in stori poravnavo zanj.
20Dia hangalanao ny ràny ka hatentinao amin'ny tandrony efatra sy amin'ny zorony efatra amin'ny rindriny ary amin'ny koronosiny manodidina; izany no hanadiovanao azy sy hanaovanao fanavotana ho azy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
21In vzemi za greh darovanega junca, in naj ga sežgo na določenem mestu v hiši, zunaj svetišča.
21Halainao koa ny vantotr'ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana ao amin'ny fitoerana voatendry ao amin'ny trano ivelan'ny fitoerana masina.
22Drugi dan pa daruj kozla brez madeža za greh, in naj očistijo oltar greha, kakor so ga očistili z juncem.
22Ary amin'ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota; ary hodioviny ny alitara tahaka ny nanadiovany azy tamin'ny vantotr'ombilahy.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
23Ko dokončaš njega očiščevanje, daruj mladega junca brez madeža in brezmadežnega ovna izmed črede.
23Ary rehefa vita ny anadiovanao azy, dia hanatitra vantotr'ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.[Ny dikan'ny teny Hebreo amin'ireo dia manafaka ota azy; Lev. viii. 15]
24In ju daruj pred GOSPODOM, in duhovniki naj ju potresejo s soljo ter ju darujejo kot žgalno daritev GOSPODU.
24Ary haterinao eo anatrehan'i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah.
25Sedem dni daruj vsak dan kozla za greh; naj tudi darujejo mladega junca in ovna izmed črede brez madeža.
25Hafitoana no hanateranao osilahy isan'andro hatao fanatitra noho ny ota sy vantotr'ombilahy sy ondrilahy izay tsy misy kilema.
26Sedem dni naj se opravlja poravnava za oltar in naj ga očisitijo in posvetijo.In ko se dopolnijo tisti dnevi, bodo osmi dan in dalje opravljali na oltarju žgalne in mirovne daritve vaše; in milo vas sprejmem, govori Gospod Jehova.
26Hafitoana no hanaovany fanavotana ho an'ny alitara sy hanadiovany azy ary hanokanany azy.[Heb. hamenoana ny tànany]Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.
27In ko se dopolnijo tisti dnevi, bodo osmi dan in dalje opravljali na oltarju žgalne in mirovne daritve vaše; in milo vas sprejmem, govori Gospod Jehova.
27Ary rehefa tapitra izany andro izany, dia hiantomboka amin'ny andro fahavalo ny hanateran'ny mpisorona ny fanatitra doranareo ao amin'ny alitara sy ny fanati-pihavananareo; ary dia hankasitrahako ianareo, hoy Jehovah Tompo.