1Nato me je peljal nazaj po potu k zunanjim vratom svetišča, ki gledajo proti jutru; a bila so zaprta.
1[Lalàna ny amin'ny mpanjaka sy ny mpisorona] Dia nentiny niverina aho tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ivelany amin'ny fitoerana masina, dia ilay manatrika ny atsinanana; ka, indro, nirindrina io.
2In GOSPOD mi reče: Ta vrata bodo zaprta; ne bodo se odpirala in nihče ne pojde skozi nje, kajti GOSPOD, Bog Izraelov, je šel noter skozi nje, zato naj bodo zaprta.
2Dia hoy Jehovah tamiko: Ity vavahady ity dia hirindrina ka tsy hovohana ary tsy hidiran'olona; fa efa nidiran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, io, ka izany no hirindrinany.
3Kar se tiče kneza, bo sedel v njih kot knez, da jé kruh pred GOSPODOM; vstopi noter skozi vežo ob vratih in pojde ven po isti poti.
3Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan'i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany, ary amin'ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.
4Potem me je peljal po potu severnih vrat pred hišo; in pogledam, in glej, slava GOSPODOVA je napolnila hišo GOSPODOVO; in padem na obraz svoj.
4Dia nentiny nankamin'ny vavahady avaratra ho eo anoloan'ny trano koa aho, dia hitako fa, indro, feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon? i Jehovah; ka dia nikarapoka nihohoka aho.
5In GOSPOD mi reče: Sin človečji, pazi s srcem svojim in glej s svojimi očmi in poslušaj s svojimi ušesi vse, kar ti govorim zastran vseh postav hiše GOSPODOVE in vseh zakonov njenih; in pazi s srcem svojim na vhod v hišo in na vse izhode iz svetišča.
5Ary hoy Jehovah tamiko: Ry zanak'olona, mandiniha tsara, ka mijere amin'ny masonao, ary aoka hohenoin'ny sofinao izay rehetra lazaiko aminao ny amin'ny didy sy ny lalàna rehetra amin'ny tranon'i Jehovah; ary diniho tsara ny fidirana amin'ny trano sy ny fivoahana rehetra avy ao amin'ny fitoerana masina.
6In reci upornikom, hiši Izraelovi: Tako pravi Gospod Jehova: Dosti vam bodi vaših gnusob, o hiša Izraelova!
6Ary lazao amin'ireo maditra, dia ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay ny fahavetavetanareo, ry taranak'Isiraely!
7ker ste vodili tujce neobrezanega srca in neobrezanega mesa, da bivajo v svetišču mojem, da bi oskrunjali hišo mojo, ko ste darovali kruh moj, tolstino in kri; in razdrli so zavezo mojo poleg vseh gnusob vaših.
7dia ny nitondranareo vahiny tsy mifora fo na nofo hitoetra ao amin'ny fitoerako masina mba handoto ny tranoko tamin'ny nanateranareo ny haniko, dia ny sabora sy ny rà, ka dia nivadika ny fanekeko ireo ho fanampin'ny fahavetavetanareo rehetra;
8In niste stregli na straži svetinj mojih, ampak postavili ste one namesto sebe, da strežejo na straži moji v svetišču mojem.
8ary tsy nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina ianareo, fa efa nanendry izay ho mpitandrina ny anjara-raharaha ao amin'ny fitoerana masina hisolo anareo.
9Tako pravi Gospod Jehova: Noben tujec neobrezanega srca in neobrezanega mesa ne sme stopiti v svetišče moje izmed vseh tujcev, kar jih je med sinovi Izraelovimi.
9Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vahiny tsy mifora fo sy nofo rehetra izay ao amin'ny zanak'Isiraely dia tsy misy hahazo miditra ao amin'ny fitoerako masina.
10Toda leviti, ki so zašli daleč od mene v blodnji Izraela, ki je blodil od mene za bogovi svojimi, ti bodo nosili krivico svojo;
10Ary na dia ny Levita aza, izay nanalavitra Ahy tamin'ny nivilian'ny Isiraely, izay nivily niala tamiko ka nanaraka ny sampiny, dia hitondra ny helony izy.
11vendar pa bodo strežaji v svetišču mojem, kot čuvaji ob hišnih vratih in strežniki v hiši: oni naj koljejo žgalščine in klalščine za ljudstvo in oni naj stoje pred njimi in jim strežejo.
11Ary ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerako masina izy, dia ho mpiadidy ny amin'ny fiandrasana ny vavahadin'ny tempoly sy ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny tempoly;152 hisolo ny olona hamono ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa izy ary hitoetra eo anatrehany hanao fanompoam-pivavahana ho azy.[Heb. trano]
12Ker so jim stregli pred njih bogovi in so bili hiši Izraelovi spotikljaj v krivico, zato sem povzdignil roko svojo in prisegel proti njim, govori Gospod Jehova, da morajo nositi krivico svojo.
12Satria nanao fanompoam-pivavahana ho azy teo anatrehan'ny sampiny izy ka tonga fahatafintohinana nahameloka ny taranak'Isiraely, dia izany no nananganako tanana hamely azy ka nilazako fa hitondra ny helony izy, hoy Jehovah Tompo,
13In k meni naj se ne bližajo, opravljat mi duhovniško službo, tudi naj ne pristopajo k nobeni izmed mojih svetinj, ki so presvete; temuč naj nosijo sramoto svojo in gnusobe svoje, ki so jih počenjali.
13ary tsy hanatona Ahy ho mpisoroko izy, na hanakaiky izay zavatra masina na inona na inona, dia izay zavatra masina indrindra; fa hitambesaran'ny fahamenarany sy ny fahavetavetana nataony izy.
14Le za strežaje na straži hiše jih postavim, za vso službo njeno in za vse, kar se opravlja pri njej.
14Ary hotendreko ho mpitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny trano izy, dia ny fanompoana rehetra sy ny zavatra rehetra atao ao.
15Ali duhovniki, leviti, sinovi Zadokovi, ki so stregli na straži svetišča mojega, ko so sinovi Izraelovi zahajali od mene, ti se mi bodo bližali, da mi strežejo, in stali bodo pred menoj, da mi darujejo tolstino in kri, govori Gospod Jehova.
15Fa ny Levita mpisorona, taranak'i zadoka kosa, izay nitandrina ny anjara-raharaha ny amin'ny fitoerako masina, tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely niala tamiko, dia izy no hanatona Ahy hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy, ary izy no ho eo anatrehako hanatitra ho Ahy ny sabora sy ny rà, hoy Jehovah Tompo.
16Ti naj hodijo v hišo mojo in pristopajo k mizi moji, da mi služijo, in naj strežejo na straži moji.
16Eny, izy no hiditra ao amin'ny fitoerako masina sy hanatona ny latabatro hanao fanompoam-pivavahana ho Ahy ary hitandrina izay nasaiko hotandremana.
17Kadar pa vstopijo skozi vrata notranjega dvorišča, naj oblečejo platnena oblačila; in nič volnenega naj ne imajo na sebi, dokler služijo med vrati notranjega dvorišča in v hiši.
17Ary raha miditra any amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny izy, dia hiakanjo rongony fotsy; fa tsy hisy volon'ondry eny aminy, raha manao fanompoam-pivavahana ao am-bavahadin'ny kianja anatiny sy ao anatiny izy.
18Platnene čepice naj imajo na glavah in platnene hlače okoli ledja; naj se ne opasujejo z ničimer, kar napravlja znoj.
18Satroka rongony no ho eo an-dohany, ary kalisaona fohy rongony fotsy no ho eo am-balahany, ary tsy hifehy zavatra mahatsemboka azy izy.
19Kadar pa pojdejo ven na zunanje dvorišče, na zunanji dvor k ljudstvu, naj slečejo oblačila, v katerih so službovali, in jih spravijo v svete sobice, in naj oblečejo druga oblačila, da ne posvetijo ljudstva s svojimi oblačili.
19Ary raha mivoaka ho any amin'ny kianja ivelany hankany amin'ny olona izy, dia hesoriny ilay fitafiana nentiny nanao fanompoam-pivavahana, ka havelany ao amin'ny efi-trano masina, ary hitafy fitafiana hafa izy, fa tsy hanamasina ny olona amin'ireny fitafiany ireny.
20In naj si ne brijejo glave in tudi naj ne nosijo dolgih las, spodobno naj si jih strižejo.
20Tsy hanaratra ny lohany izy, nefa kosa tsy hanao lava volo, fa hataony tsara hety.
21Tudi vina naj ne pije noben duhovnik, ko mu je iti na notranje dvorišče.
21Ny divay dia tsy hosotroin'izay mpisorona, raha miditra any amin'ny kianja anatiny izy.
22In za žene naj si ne jemljejo vdov, ne razporočenih, temuč naj se oženijo z devico iz zaroda hiše Izraelove ali z vdovo, ki je osamela za duhovnikom.
22Ary tsy hanambady vehivavy efa maty vady na izay efa nisaorana izy; fa virijiny avy amin'ny taranak'Isiraely, na izay novinadin'ny mpisorona efa maty no hovadiny.
23In naj uče ljudstvo moje, kakšen je razloček med svetim in nesvetim, in mu velevajo razpoznavati med čistim in nečistim.
23Ary hampianatra ny oloko ny tsi-fitovian'ny masina sy ny tsy masina izy ary hampahafantatra azy ny tsi-fitovian'ny tsy madio sy ny madio.
24In ob pravdi bodo stali, da sodijo; po mojih sodbah naj sodijo; in naj izpolnjujejo zakone in postave moje ob določenih praznikih mojih in naj posvečujejo sobote moje.
24Ary raha misy mifanditra, dia ireo no hitsangana hitsara, ka araka ny fitsipiko no hitsarany azy; ary ny lalàko sy ny didiko dia hotandremany amin'ny fotoam-pivavahana rehetra voatendriko, ary ny Sabatako dia hohamasininy.
25Tudi ne pojdejo k nobenemu mrliču, da bi se onečistili; samo pri očetu ali materi ali sinu ali hčeri ali bratu ali sestri, ki se ni še omožila, se smejo onečistiti.
25Ary tsy hiditra am-paty handoto ny tenany izy ireny; kanefa raha rainy, na reniny, na zananilahy, na zananivavy, na rahalahiny, na anabaviny tsy manam-bady, dia mahazo miditra am-paty ihany izy.
26In ko se kdo očisti, mu odštejejo sedem dni;
26Ary rehefa voadio aza izy, dia mbola hampiandrasina hafitoana aloha.
27in v dan, ko mu je iti v svetišče, na notranje dvorišče, da služi v svetišču, naj daruje svojo daritev za greh, govori Gospod Jehova.
27Ary amin'ny andro hidirany ao amin'ny fitoerana masina, dia any amin'ny kianja anatiny, hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota izy, hoy Jehovah Tompo.
28In to jim bodi v dediščino: jaz sem njih dediščina; in posesti jim ne dajte v Izraelu, jaz sem njih posest.
28Ary hisy lova ho azy, dia Izaho no lovany; ary tsy homenareo zara-tany eo amin'ny Isiraely izy, fa Izaho no anjarany.
29Jedilno daritev in daritev za greh in za krivdo naj jedo; dobé naj vse, kar se z zaroto posveti v Izraelu.
29Ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana no hohaniny; ary ny zavatra rehetra izay voatokana eo amin'ny Isiraely dia ho azy koa.[Heb. herema]
30In prve vseh prvencev od vsega in vse podvige od vsega, od vseh podvigov vaših naj dobé duhovniki; tudi prvino svoje moke daj duhovniku, da počiva blagoslov nad hišo tvojo.Nobene mrline pa ali raztrganega, bodisi od ptičev ali od živine, naj ne jedo duhovniki.
30Ary ny santatry ny voaloham-bokatra rehetra avy amin'ny zavatra rehetra sy ny fanatitra rehetra izay alaina amin'ny zavatra atao fanatitra dia ho an'ny mpisorona; ary ny santatry ny kobanareo voafetafeta dia homenareo ny mpisorona koa, mba hampitoerana fitahiana ao an-tranonao.Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.
31Nobene mrline pa ali raztrganega, bodisi od ptičev ali od živine, naj ne jedo duhovniki.
31Ny zavatra maty ho azy sy izay noviraviraim-biby, na vorona na biby dia samy tsy hohanin'ny mpisorona.