Slovenian

Malagasy

Ezekiel

45

1In ko si boste delili po žrebu deželo v dediščino, oddelite dar povzdignjenja GOSPODU, sveti del dežele: petindvajset tisoč komolcev na dolgost in deset tisoč na širjavo; to bodi sveto po vsej meji svoji naokoli.
1[Ny amin'ny tany homena ho an'ny tempoly sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpanjaka, ary ny amin'ny zavatra haloa ho an'ny mpanjaka hanaovany fanatitra] Ary rehefa zarainareo araka ny filokana ny tany mba ho lova, dia hisy hatokanareo ho fanatitra ho an'i Jehovah, dia anjara masina amin'ny tany; ny lavany dia indimy arivo sy roa alin'ny volotara, ary ny sakany iray alina. Ho masina any amin'ny fari-taniny rehetra manodidina izany.
2Od tega bodi za svetišče petsto na dolgost in petsto na širjavo, štirivoglato okoli in petdeset komolcev planega prostora okrog njega.
2Ary io dia hanalana efa-joro sotera ho tany masina, dimam-jato ny lavany, ary dimanjato koa ny sakany; ary ho dimam-polo hakiho ny tany manodidina azy.
3In od one mere izmeriš dolgost petindvajset tisoč in širjavo deset tisoč, in na tem bodi svetišče, Najsvetejše.
3Eny, araka izany fandrefesana izany no handrefesanao dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany; ary ho ao amin'io ny fitoerana masina, dia ny masina indrindra.[Na: Ary amin'izany voarefy izany dia mbola hisy horefesinao koa, dia]
4Sveti del dežele je; duhovnikov bodi, služabnikov svetišča, ki pristopajo služit GOSPODU, in bodi jim prostor za hiše in sveti prostor za svetišče.
4Ho anjara masina amin'ny tany izany ka ho an'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, dia izay manatona hanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ary ho fitoeran'ny tranony sy ho tany masina hasiana ny fitoerana masina.
5In petindvajset tisoč na dolgost in deset tisoč na širjavo bodi levitom, strežnikom hiše, v njih last, za prebivanje.
5Ary tany dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, no ho an'ny Levita, mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny trano; ho zara-tany ho azy izany efi-trano roa-polo.
6In v posest mestu določite pet tisoč širjave in petindvajset tisoč dolgosti, vzporedno s podvigom, ki je sveti del dežele: to bodi za vso hišo Izraelovo.
6Ary homenareo koa ny zara-tany ho an'ny tanàna, dimy arivo ny sakany, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany, mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana; ho an'ny taranak'Isiraely rehetra izany.
7In knezu dajte posest na tej in na oni strani svetega podviga in mestnega posestva, poleg svetega in poleg mestnega posestva, na zahodni strani proti zahodu in na vzhodni strani proti jutru, in po dolgosti primerno deležu enega rodu, od zahodne do vzhodne meje.
7Ary ny mpanjaka dia homenareo tany eo andaniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy amin'ny tany ho an'ny tanàna, dia ny mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana sy ny mifanolotra amin'ny tany ho an'ny tanàna, hatreo amin'ny andrefana mikipaka miankandrefana, ary hatreo amin'ny atsinanana mikipaka miantsinanana; ary ny sakany, dia mifanolotra amin'ireo anjaran'ny firenena, na amin'ny andrefana na amin'ny atsinanana.[Heb. lavany]
8V deželi bodi to njemu v posest v Izraelu; in knezi moji ne bodo več stiskali ljudstva mojega, temuč izroče deželo hiši Izraelovi po njih rodovih.
8Ho taniny izany, dia anjara ho azy ao amin'ny Isiraely, ary ireo mpanjaka voahosotro dia tsy hampahory ny oloko intsony, fa hahafoy ny tany ho an'ny taranak'Isiraely isam-pireneny.[Heb. mpanjakako]
9Tako pravi Gospod Jehova: Dosti vam bodi, o knezi Izraelovi! Opustite nasilstvo in odiranje in vršite sodbo in pravičnost; nehajte tirati ljudstvo moje s posestva njegovega, govori Gospod Jehova.
9Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Aoka izay, ry mpanjakan'ny Isiraely! Ajanony ny halozana sy ny fampahoriana, ary manaova fitsarana sy fahamarinana; atsaharo ny fandroahanareo ny oloko, hoy Jehovah Tompo.
10Imejte pravično tehtnico, pravično efo in pravičen bat.
10Mizana marina sy efaha marina ary bata marina no aoka hotananareo.
11Efa in bat bodita enake mere, da gre v bat desetina homerja in v efo desetina homerja; po homerju naj se ravna njiju mera.
11Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon'ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon'ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.
12In sekel naj ima dvajset ger. Dvajset seklov, petindvajset seklov, petnajst seklov bodi vaša mina.
12Ny sekely dia roa-polo gera; sekely roa-polo sy dimy amby roa-polo ary dimy ambin'ny folo no ho manenareo.
13To je podvig, ki ga darujte: šestinko efe od homerja pšenice in šestinko efe od homerja ječmena dajajte;
13Izao no zavatra haloanareo: Ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary tritika; ary haloanareo koa ny ampahenin'ny efaha isaky ny homeran'ny vary hordea;
14in določeni del olja, od bata olja: desetinko bata od kora, od desetih batov ali od homerja, kajti deset batov je homer,
14ary ny didy ny amin'ny diloilo (ny diloilo iray bata) dia ampahafolon'ny bata isaky ny kora; fa ny homera dia misy bata folo, satria bata folo no homera iray.
15in glavo drobnice, od dvesto z Izraelovih pašnikov, ki jih močijo vode – v jedilno in žgalno in mirovno daritev, da se izvrši poravnava zanje, govori Gospod Jehova.
15Ary ondry iray isan-droanjato amin'ny tanin'ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
16Vse ljudstvo dežele naj se udeležuje tega podviga za kneza v Izraelu.
16Ny vahoaka rehetra no handoa izany ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely.
17In knezova dolžnost bode skrbeti za žgalščine in za jedilno in pitno daritev ob praznikih in ob mlajih in ob sobotah, ob vseh določenih slovesnostih hiše Izraelove: on pripravi daritev za greh in jedilno in žgalno in mirovno daritev, da se izvrši poravnava za hišo Izraelovo.
17Fa ny mpanjaka kosa no hiantoka ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina amin'ny andro firavoravoana sy ny voaloham-bolana ary ny Sabata, dia amin'ny fotoam-pivavahana rehetra tandreman'ny taranak'Isiraeb; eny, izy no hiantota ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-Pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an'ny taranak'Isiraeb.
18Tako pravi Gospod Jehova: Prvi dan prvega meseca vzemi mladega junca brez madeža in očisti svetišče greha.
18[Ny amin'ny andro firavoravoana sy ny fanatitra isan'andro] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha mby amin'ny andro voalohany amin'ny volana voalohany dia haka vantotr'ombilahy tsy misy kilema ianao ka hanadio ny fitoerana masina.[Heb. hanafaka ota]
19In duhovnik naj vzame krvi daritve za greh in jo dene na podboje hiše in na štiri vogle oltarjevega odstavka in na podboje pri vratih notranjega dvorišča.
19Ary hangalan'ny mpisorona ny ran'ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny amin'ny tolan'ny trano sy amin'ny zoro efatra amin'ny rindrin'ny alitara ary amin'ny tolan'ny vavahadin'ny kianja anatiny.
20Tako delaj tudi sedmi dan meseca za tega, ki greši iz zmote in ki je neveden. In tako opravljajte poravnavo za hišo.
20Ary toy izany koa no hataonao amin'ny andro fahafito amin'ny volana ho an'ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an'ny trano ianareo.
21Štirinajsti dan prvega meseca praznujte pasho, sedemdnevni praznik; opresnike jejte.
21Amin'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana voalohany no hanaovanareo ny Paska; andro firavoravoana hafitoana izany, ka mofo tsy misy masirasira no hohanina.
22In ta dan naj daruje knez zase in za vse ljudstvo dežele junca v daritev za greh.
22Ary amin'izany andro izany ny mpanjaka dia hanatitra vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota ho an'ny tenany sy ny vahoaka rehetra.
23In sedem dni praznika naj daruje žgalščino GOSPODU, sedem juncev in sedem ovnov brez madeža, vsak dan teh sedem dni, in kozla vsak dan v daritev za greh.
23Ary amin'ny andro firavoravoana hafitoana dia hanatitra fanatitra dorana isan'andro mandritra ny hafitoana ho an'i Jehovah izy, dia vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema, ary osilahy iray isan'andro hataony fanatitra noho ny ota.
24In kot jedilno daritev naj pripravijo efo bele moke za vsakega junca in efo za vsakega ovna in hin olja k vsaki efi.Petnajsti dan sedmega meseca, ob prazniku, naj stori enako: sedem dni daruj daritve za greh in žgalščine in jedilne daritve z oljem.
24Ary hanatitra ny fanatitra hohanina koa izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy, ary diloilo eran'ny hina isan-efaha.Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.
25Petnajsti dan sedmega meseca, ob prazniku, naj stori enako: sedem dni daruj daritve za greh in žgalščine in jedilne daritve z oljem.
25Amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, amin'ny andro firavoravoana, dia hanatitra tahaka izany koa hafitoana izy, na ny fanatitra noho ny ota, na ny fanatitra dorana, na ny fanatitra hohanina, na ny diloilo.