1Tako pravi Gospod Jehova: Vrata notranjega dvorišča, ki gledajo proti jutru, bodo zaprta šest delavnikov, ali v sobotni dan naj se odpro, tudi v dan mlaja naj se odpro.
1[Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
2In knez naj vstopi skozi vežo ob vratih, od zunaj, in se postavi ob podbojih pri vratih; in duhovniki naj darujejo žgalščino njegovo in mirovne daritve njegove, on pa naj moli na pragu pri vratih; potem pojde ven, vrata pa naj se ne zapro do večera.
2Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
3In ljudstvo dežele naj moli ob vhodu teh vrat pred GOSPODOM ob sobotah in ob mlajih.
3Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana.
4In žgalščina, ki naj jo knez daruje GOSPODU v sobotni dan, bodi: šest jagnjet brez madeža in oven brez madeža,
4Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
5in kot jedilna daritev: efa bele moke za ovna, in jedilna daritev za jagnjeta bodi po zmožnosti njegovi, in hin olja k vsaki efi.
5Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
6In v dan mlaja bodi mlad junec brez madeža in šest jagnjet in oven, brezmadežni naj bodo.
6ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
7In kot jedilno daritev naj pripravi: efo za junca in efo za ovna, za jagnjeta pa po zmožnosti svoji, in hin olja k vsaki efi.
7Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
8In kadar pride knez, naj vstopi skozi vežo ob vratih in po isti poti naj gre ven.
8Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
9Ko pa pride ljudstvo dežele pred GOSPODA ob določenih praznikih: kdor vnide skozi severna vrata, da bi molil, naj gre ven skozi južna vrata, in kdor vstopi skozi južna, naj gre ven skozi severna vrata; naj se ne vrača po poti tistih vrat, skozi katera je prišel noter, temuč naj izide skozi nasprotno stoječa.
9Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
10Knez pa, ko pojdejo noter, naj gre sredi njih, in ko gredo ven, naj gredo skupno.
10Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
11In ob določenih praznikih in prazničnih časih bodi jedilna daritev: efa bele moke za junca in efa za ovna, za jagnjeta pa bodi po zmožnosti njegovi, in hin olja k vsaki efi.
11Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
12In kadar hoče knez darovati prostovoljno žgalščino ali prostovoljno mirovno daritev GOSPODU, naj se mu odpro vrata, ki gledajo proti vzhodu; in naj opravi svojo žgalno daritev in mirovne daritve svoje, kakor jih opravlja sobotni dan; potem pojde ven, in ko odide, naj se zapro vrata.
12Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
13In vsak dan daruj GOSPODU enoletno brezmadežno jagnje v žgalno daritev, vsako jutro ga daruj.
13Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
14In s tem vred daruj jedilno daritev vsako jutro: šestinko efe in olja tretjinko hina, da se pokropi bela moka – kot jedilno daritev GOSPODU: večne postave so to, ki naj neprenehoma veljajo.
14Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
15Tako naj darujejo jagnje in jedilno daritev in olje vsako jutro v neprestano žgalno daritev.
15Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
16Tako pravi Gospod Jehova: Ako podeli knez kateremu svojih sinov dar, je njegova dediščina; njegovih sinov bodi, njih dedna posest je.
16Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
17Ako pa pokloni kateremu hlapcev svojih dar od dediščine svoje, bodi njegovo do leta svobode, potem pa pripadi zopet knezu; dediščina je namreč njegova, sinom njegovim lastna.
17Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
18Knez pa ne sme ničesar vzeti od dediščine ljudstva, da bi jih siloma spravil iz njih posesti; od svoje lastnine naj podeli dediščino sinom svojim, da se ne razkropi ljudstvo moje, drug za drugim iz posesti svoje.
18Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
19In peljal me je skozi vhod, ki je bil ob strani vrat, v svete sobice za duhovnike, ki so gledale proti severu; in glej, ondi je bil prostor v skrajnem kotu proti zahodu.
19Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.
20In mi reče: To je prostor, kjer naj duhovniki kuhajo daritev za krivdo in za greh, kjer naj pečejo jedilno daritev, da jim jih ne bo treba nositi na zunanje dvorišče, da ne posvetijo ljudstva.
20Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
21Nato me pelje ven na zunanje dvorišče in me vodi mimo štirih dvornih voglov; in glej, na vsakem voglu dvorišča je bil dvorec.
21Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
22V štirih kotih dvorišča so bili ograjeni dvori, po štirideset komolcev dolgi in trideset široki; vsi štirje dvorci so imeli enako mero.
22Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
23In zid je bil okoli vseh štirih naokrog; in ognjišča so bila narejena pod zidom okoliinokoli.In mi reče: To so kuhinje, kjer naj hišni strežaji kuhajo klalno daritev ljudstva.
23Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.
24In mi reče: To so kuhinje, kjer naj hišni strežaji kuhajo klalno daritev ljudstva.
24Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.