Slovenian

Malagasy

Ezekiel

47

1In peljal me je nazaj k hišnim durim, in glej, vode so tekle izpod hišnega praga proti vzhodu, kajti pročelje hiše je bilo proti jutru; vode pa so tekle doli odspodaj, od desne strani hiše, južno ob oltarju.
1[Ny amin'ny onin'ny ranon'aina] Dia nentiny niverina ho eo amin'ny varavaran'ny trano aho; ary, indro,nisy rano niboika avy eo atsinanana eo ambanin'ny tokonan'ny trano; fa manatrika ny atsinanana ny trano, ary ny rano nidina avy teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny trano teo atsimon'ny alitara.
2Nato me pelje ven skozi severna vrata ter me vodi zunaj okoli do zunanjih vrat po poti vrat, ki gledajo proti jutru; in glej, vode so šumljale sem od desne strani.
2Dia nentiny nivoaka tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady avaratra aho ka nampandehaniny manodidina tamin'ny lalana ivelany, hankany amin'ny vavahady ivelany, dia teo amin'ny lalana manatrika ny atsinanana, ary, indro, nisy rano nipoitra avy teo amin'ny ilany ankavanana.
3In ko je šel mož ven proti vzhodu, je imel vrvico v roki; in je izmeril tisoč komolcev ter mi je velel iti skozi vode, ki so segale do gležnjev.
3Ary nony nandeha niantsinanana ralehilahy, nisy famolaina teny an-tànany, ka nandrefy arivo hakiho izy, dia nampitainy ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.
4Zopet je odmeril tisoč komolcev in mi velel iti skozi vode, ki so segale do kolen; še je odmeril tisoč in mi velel iti skozi vode, ki so segale do ledja.
4Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy ny rano aho, ka halohalika ny rano. Ary nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nampitainy aho, ka havalahana ny rano.
5Nato je odmeril tisoč, in bila je reka, ki je nisem mogel prebresti; kajti vode so se napele, da je bilo treba plavati po njih – reka, ki je ni bilo mogoče prebresti.
5Ary nandrefy arivo hakiho indray koa izy, ary efa ony tsy azo itana, fa efa nihalalina ny rano, dia rano holanosina, eny, ony tsy azo itana.
6In mi reče: Sin človečji, si li to videl? In me je zopet peljal nazaj na breg reke.
6Dia hoy izy tamiko: Ry zanak'olona, efa hitanao va izany? Dia nitondra ahy niverina ho eny amoron'ny ony izy.
7Ko sem se pa vračal, glej, ob reki je bilo mnogo drevja na tej in na oni strani.
7Ary nony niverina aho, indro, nisy hazo betsaka teny amoron'ny ony, dia teny an-daniny roa.
8Tedaj mi reče: Te vode tečejo ven proti vzhodnemu okraju, in pridero doli v nižino Arabo in se izlijejo v Mrtvo morje; ko pridejo v morje, se morska voda ozdravi.
8Dia hoy izy tamiko: Ity rano ity dia mivoaka hankany amin'ny tany atsinanana, dia midina any amin'ny tani-hay ka miditra eo amin'ny ranomasina; ary rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia sitrana ny rano.[Heb. Arabà]
9In zgodi se: kamorkoli pride ta dvojna reka, bo živelo vse, kar živi in se giblje; in rib bode velika množina, kajti ko pridejo tja te vode, se ozdravi vse in bo živelo, kamorkoli pride reka.
9Ary ny zava-manan'aina rehetra sesehena na aiza na aiza alehan'ny ony tondraka dia ho velona, ka hisy hazandrano sesehena; fa nony tonga ao ity rano ity, dia ho sitrana izy, ary ho velona izay rehetra hidiran'ny ony.[Heb. ony roa]
10In zgodi se, da bodo stali ob njej ribiči: od Engede do Eneglaima bode prostora za razpenjanje mrež; rib njenih bode jako veliko po svojih plemenih kakor rib morja velikega.
10Ary hisy mpaka hazandrano hitsangana eny amorony hatrany En-jedy ka hatrany En-eglaima; ho famelarana harato izany; ary ny hazandranony ho maro karazana, tahaka ny hazandrano betsaka dia betsaka any amin'ny Ranomasina Lehibe.
11A luže in mlake njene ne bodo ozdravele, v solišča bodo odločene.
11Fa ny honahona sy ny heniheny dia tsy hositranina, fa havela ho sira.
12In ob reki, na njenem bregu, na tej in oni strani, bo raslo drevje za jed, ki mu listje ne uvene in sad ne mine; vsak mesec bo rodilo zrel sad, ker vode njene teko iz svetišča; in njegov sad bode za jed in listje njegovo v zdravilo.
12Ary eny amoron'ny ony, eny an-daniny roa, no anirian'ny hazo rehetra fihinam-boa; tsy halazo ny raviny, na ho lany ny voany; fa hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria mivoaka avy ao amin'ny fitoerana masina ny ranony; ary ho fihinana ny voany, ary ho fanafody ny raviny.
13Tako pravi Gospod Jehova: To bodi meja, po kateri si razdelite deželo v dediščino po dvanajsterih rodovih Izraelovih: Jožefu dva dela.
13[Ny ho faritry ny Tany Masina, sy ny hizarana azy, ary ny ho toetry ny Tanànan'Andriamanitra] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izao no faritry ny tany hozarainareo ho lova araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo; anjaran-droa no ho an'i Josefa.
14In podedovali jo boste eden kakor drugi, ki sem zaradi nje povzdignil roko svojo v prisego, da jo dam očetom vašim; in pripade vam v dediščino.
14Ary samy handova avokoa ianareo rehetra, satria efa nanangan-tanana hanome ity ho an'ny razanareo Aho, ka dia ho azonareo ho lova ity tany ity.
15In to bodi meja deželi: Na severni strani, od velikega morja, po poti proti Hetlonu, tja do Zedada:
15Ary izao no faritry ny tany: Ny lafiny avaratra dia hatramin'ny Ranomasina Lehibe amin'ny lalana mankany Hetlona ka hatrany akaikin'i zedada,
16Hamat, Berota, Sibraim, ki je med mejo Damaska in mejo Hamata; srednji Hazer, ki je ob meji Havrana.
16dia Hamata, Berota, Sibraima, izay eo anelanelan'ny faritanin'i Damaskosy sy ny fari-tanin'i Hamata, Hazara afovoany, izay eo an-tsisin'i Haorana.
17Meja torej od morja do vzhoda bodi Hazar-enon, ob meji Damaska, in kar se tiče severa, proti severu bodi meja Hamat. To je severna stran.
17Ary ny fari-taniny dia hatramin'ny ranomasina, dia Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy, ary amin'ny avaratra dia Hamata no fari-taniny. Izany no lafiny avaratra.
18In kar se tiče vzhodne strani, med Havranom in Damaskom in Gileadom in med deželo Izraelovo bodi Jordan; od severne meje do vzhodnega morja merite. To je vzhodna stran.
18Ary ny lafiny atsinanana hatrany anelanelan'i Haorana sy Damaskosy sy Gileada ary ny tanin'ny Isiraely dia Jordana; hatramin'ny fari-tany ka hatreo amoron'ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.
19In južna stran proti jugu: od Tamarja tja do Vod prepira v Kades in do potoka Egiptovskega, prav do velikega morja. To je južna stran proti jugu.
19Ary ny lafiny atsimo dia hatrany Tamara dia hatramin'ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe. Izany no lafiny atsimo.
20In zahodna stran bodi veliko morje od južne meje do tja, koder se pride nasproti Hamatu. To je zahodna stran.
20Ny lafiny andrefana koa dia ny Ranomasina Lehibe hatramin'ny faritany ka hatrany akaikin'i Hamata. Izany no lafiny andrefana.
21In to deželo si razdelite po rodovih Izraelovih.
21Hozarainareo ho anareo izany tany izany araka ny firenen'Isiraely.
22In po žrebu jo razdelite v dediščino sebi in tujcem, ki bivajo med vami, ki so rodili otroke sredi vas, in naj vam bodo kakor domačini med sinovi Izraelovimi; z vami naj dobe dediščino sredi rodov Izraelovih.In zgodi se naj: v katerem rodu gostuje tujec, tam mu dajte dediščino njegovo, govori Gospod Jehova.
22Ary amin'ny filokana no hizaranareo azy ho lovanareo sy ny vahiny monina ao aminareo, izay miteraka ao aminareo; ka izy dia hataonareo ho tahaka ny tena zanak'Isiraely; hiara-manao filokana aminareo hiara-mandova amin'ny firenen'Isiraely izy.Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.
23In zgodi se naj: v katerem rodu gostuje tujec, tam mu dajte dediščino njegovo, govori Gospod Jehova.
23Ary amin'izay firenena hitoeran'ny vahiny dia ao no hanomezanareo azy ny lovany, hoy Jehovah Tompo.