1Ta pa so imena rodov: Od severnega konca, ob poti v Hetlon, tja proti Hamatu in Hazar-enonu, ob meji Damaska, proti severu, kraj Hamata – od vzhodne strani do zahodne naj ima Dan, en delež.
1Ary izao no anaran'ny firenena: Hatramin'ny farany avaratra any amoron-dranomasina amin'ny lalana mankany Hetlona any akaikin'i Hamata sy Hazar-enana, fari-tanin'i Damaskosy eo avaratra, any anilan'i Hamata; izany no ho lafiny atsinanana sy andrefana; anjara iray ho an'i Dana.
2In poleg Danove meje, od vzhodne do zahodne strani: Aser, en delež.
2Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Dana hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Asera.
3In poleg Aserjeve meje, od vzhodne do zahodne strani: Neftali, en delež.
3Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Asera, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana dia iray koa ho an'i Naftaly.
4In poleg meje Neftalijeve, od vzhodne do zahodne strani: Manase, en delež.
4Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Manase,
5In poleg meje Manasejeve, od vzhodne do zahodne strani: Efraim, en delež.
5Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Manase, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Efraima.
6In poleg meje Efraimove, od vzhodne do zahodne strani: Ruben, en delež.
6Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Efraima, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an? i Robena.
7In poleg meje Rubenove, od vzhodne do zahodne strani: Juda, en delež.
7Ary mifanolotra amin'ny fari-tanin'i Robena, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Joda.
8In poleg Judove meje, od vzhodne do zahodne strani, bodi dar povzdignjenja, ki ga darujte: petindvasjet tisoč komolcev po širjavi in po dolgosti kakor eden deležev od vzhodne do zahodne strani, in sredi njega bodi svetišče.
8Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisian'ilay tany hatokanareo, indimy arivo amby roa alin'ny volotara ny sakany, ary ny lavany mitovy amin'ny anjaran'ny sasany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana; ary ny fitoerana masina no ho eo afovoany.
9Dar povzdignjenja, ki ga darujte GOSPODU, bodi petindvajset tisoč komolcev dolg in deset tisoč širok.
9Ny tany izay hatokanareo ho an'i Jehovah, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany.
10In njim, namreč duhovnikom, naj pripade sveti dar povzdignjenja: proti severu petindvajset tisoč dolg in proti zahodu deset tisoč širok in proti vzhodu deset tisoč širok in proti jugu petindvajset tisoč dolg, in svetišče GOSPODOVO bodi sredi njega.
10Ary ho an'ny mpisorona izany tany masina voatokana izany, dimy arivo amby roa alina ny lavany avaratra, ary iray alina ny sakany andrefana, ary iray alina ny sakany atsinanana, ary dimy arivo amby roa alina ny lavany atsimo; ary ny fitoerana masin'i Jehovah no ho eo afovoany.
11Duhovnikom, ki so posvečeni izmed sinov Zadokovih, ki so stregli straži moji, ki niso zašli v blodnji Izraelovi, kakor so zašli leviti,
11Ho an'ny mpisorona izay nohamasinina avy amin'ny taranak'i zadota izany, dia ireo nitandrina ny nasaiko notandrenam ka tsy nivily tamin'ny nivilian'ny zanak'Isiraely, tahaka ny nivilian'ny Levita,
12njim bodi podvig od podviga dežele, presvet, poleg meje levitov.
12eny, ho azy izany ho tany halaina amin'ilay efa voatokana, dia zavatra masina indrindra, mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita.
13Leviti pa naj dobe, vzporedno z mejo duhovnikov, petindvajset tisoč po dolgosti in deset tisoč po širjavi; vsa dolgost bodi petindvajset tisoč in širjava deset tisoč.
13Ary ny Levita koa dia hahazo ny mifanolotra amin'ny fari-tanin'ny mpisorona, dia dimy arivo amby roa alina ny lavany, ary iray alina ny sakany, eny, samy dimy arivo amby roa alina ny lavany, sy iray alina ny sakany.
14In tega ne smejo nič prodati, ne zameniti; in prvina dežele ne sme preiti v last drugemu, kajti sveta je GOSPODU.
14Ary tsy ho azony hamidy izany, na hatakalo, ary tsy hafindrany ny voaloham-bokatra amin'ny tany; fa masina ho an'i Jehovah izany.
15In tistih pet tisoč komolcev, ki preostanejo po širjavi, spredaj poleg petindvajsetih tisoč, naj bo v občno porabo mestu za prebivališča in za plan prostor; mesto pa bodi sredi njega.
15Ary ny dimy arivo, ilay navela tamin'ny sakany mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina, dia tsy masina, fa ho an'ny tanàna, ho fonenana sy ho tany fiandrasana; ary ny tanàna no ho ao afovoany.
16In to naj bodo mere mestu: severna stran štiri tisoč in petsto, južna stran štiri tisoč in petsto, na vzhodni strani štiri tisoč petsto in zahodna stran štiri tisoč petsto.
16Ary izao no ohany: Ny avaratra ho dinan-jato amby efatra arivo, ary ny atsimo ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny atsinanana ho diman-jato amby efatra arivo, ary ny andrefana ho diman-jato amby efatra arivo.
17In plan prostor bodi okrog mesta: proti severu dvesto petdeset komolcev, proti jugu dvesto petdeset, proti vzhodu dvesto petdeset in proti zahodu dvesto petdeset.
17Ary ny amin'ny tany fiandrasana momba ny tanàna, ny eo amin'ny avaratra dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny atsinanana dia ho dimam-polo amby roan-jato, ary ny eo amin'ny andrefana dia ho dimam-polo amby roan-jato.
18In kar preostane po dolgosti, vzporedno s svetim podvigom, desettisoč komolcev proti vzhodu in desettisoč proti zahodu (vzporedno je s svetim podvigom), pridelek iz tega naj bo v živež njim, ki delajo v mestu.
18Ary ny lavany sisa mifanolotra amin'ny anjara masina voatokana dia iray alina atsinanana ary iray alina andrefana, ary hifanolotra amin'ny anjara masina voatokana izany; ary ny vokany hohanin'ny mpiasa ao an-tanàna.
19Kateri delajo v mestu, iz vseh rodov Izraelovih, naj to obdelujejo.
19Ary izay mpiasa ao an-tanàna avy amin'ny firenen'Isiraely rehetra no hiasa azy.
20Ves dar povzdignjenja bodi petindvajset tisoč do petindvajset tisoč; četverokoten bodi sveti podvig, ki ga darujte k posesti mesta.
20Ny tany voatokana rehetra dia dimy arivo amby roa alina sokera; ny ampahefatry ny anjara masina voatokana dia halainareo ho zara-tany momba ny tanàna.
21Kar pa ostane, naj dobi knez; na tej in na oni strani svetega podviga in posesti mesta, poleg petindvajsetih tisoč podviga prav do vzhodne meje, in proti zahodu poleg petindvajsetih tisoč proti zahodni meji, vzporedno z deleži rodov, bodi knezovo. In sveti dar povzdignjenja in svetišče hiše bodi sredi tega.
21Ary ho an'ny mpanjaka ny sisa an-daniny roa amin'ny anjara masina voatokana sy ny zara-tany momba ny tanàna; mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina amin'ny anjara voatokana hatramin'ny fari-tany atsinanana, ary mifanolotra amin'ny dimy arivo amby roa alina hatramin'ny fari-tany andrefana, mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany, ho an'ny mpanjaka izany; ary ny anjara masina voatokana sy ny trano fitoerana masina no ho eo aforoany.
22In od posesti levitov in od posesti mesta, ki je sredi tega, kar je knezovo, kolikor je med mejo Judovo in mejo Benjaminovo, naj bode knezova last.
22Ary hatramin'ny zara-tanin'ny Levita sy ny zara-tany momba ny tanàna, sy ao ampovoan'ny an'ny mpanjaka, anelanelan'ny fari-tanin'i Jada sy Benjamina, dia ho an'ny mpanjaka izany.
23In drugi rodovi: Od vzhodne do zahodne strani: Benjamin, en delež.
23Ary ny amin'ny firenena sisa, dia hatramin'ny lafiny atsinanana ka hatramin'ny andrefana, dia hisy anjara iray ho an'i Benjamina.
24In poleg Benjaminove meje, od vzhodne do zahodne strani: Simeon, en delež.
24Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Simeona.
25In poleg meje Simeonove, od vzhodne do zahodne strani: Isahar, en delež.
25Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Simeona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'Isakara.
26In poleg Isaharjeve meje, od vzhodne do zahodne strani: Zebulon, en delež.
26Ary mifanolotra amin'ny faritanin'Isakara, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Zebolona.
27In poleg Zebulonove meje, od vzhodne do zahodne strani: Gad, en delež.
27Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, dia iray koa ho an'i Gada.
28In poleg meje Gadove, ob južni strani proti jugu, bodi meja od Tamarja do Vod prepira v Kades in do potoka Egiptovskega, prav do velikega morja.
28Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada, amin'ny lafiny atsimo, dia hatrany Tamara sy ny ranon'i Meriba any Kadesy sy ny lohasahan-driaka ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe.
29To je dežela, ki jo razdelite po žrebu rodovom Izraelovim v dediščino, in to so posamezni deleži njeni, govori Gospod Jehova.
29Izany no tany hozarainareo amin'ny filokana ho an'ny firenen'Isiraely ho lovany, ary izany no ho anjarany ary, hoy Jehovah Tompo.
30To pa so izhodi mesta: od severne strani štiri tisoč in petsto komolcev mere;
30Ary izao no ohatry ny tanàna amin'ny lafiny avaratra: diman-jato amby efatra arivo.
31in mestna vrata naj bodo po imenih rodov Izraelovih; troje vrat proti severu: vrata Rubenova, ena; vrata Judova, ena; vrata Levijeva, ena.
31Ary ny anaran'ny vavahady dia ho toy ny anaran'ny firenen'Isiraely: ny vavahady telo avaratra, dia vavahadin'i Robena ny iray vavahadin'i Joda ny iray, vavahadin'i Levy ny iray.
32In proti vzhodni strani štiri tisoč in petsto komolcev in troje vrat: vrata Jožefova, ena; vrata Benjaminova, ena; vrata Danova, ena.
32Ary amin'ny atsinanana dimanjato amby efatra arivo; ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Josefa ny iray, vavahadin'i Benjamina ny iray, ary vavahadin'i Dana ny iray.
33In ob južni strani, štiri tisoč in petsto komolcev mere in troje vrat: vrata Simeonova, ena; vrata Isaharjeva, ena; vrata Zebulonova, ena.
33Ary amin'ny atsimo diman-jato amby efatra arivo ohatra, ary ny vavahady telo, dia vavahadin'i Simeona ny iray, vavahadin'Isakara ny iray, vavahadin'i Zebolona ny iray.
34Ob zahodni strani štiri tisoč in petsto komolcev in njenih troje vrat: vrata Gadova, ena; vrata Aserjeva, ena; vrata Neftalijeva, ena.Kroginkrog osemnajst tisoč komolcev. In ime mestu bodi od tistega dne: GOSPOD prebiva tam.
34Ary amin'ny andrefana dimanjato amby efatra arivo sy vavahady telo, dia vavahadin'i Gada ny iray, vavahadin'i Asera ny iray, vavahadin'i Naftaly ny iray.Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.
35Kroginkrog osemnajst tisoč komolcev. In ime mestu bodi od tistega dne: GOSPOD prebiva tam.
35Valo arivo amby iray alina ny manodidina. Ary ny anaran'ny tanàna hatramin'izay andro izay dia Jehovah no ao.