1In zgodilo se je v šestem letu, peti dan šestega meseca, ko sem sedel v hiši svoji in starejšine Judovi so sedeli pred menoj, da je tam name prišla roka Gospoda Jehove.
1[Fahitana ny amin'ny nanarahan'ny olona tany Jerosalema ny fomban-tsampy] Ary tamin'ny andro fahadimy tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona fahenina, raha nipetraka tao an-tranoko aho, ary nipetraka teo anatrehako ny loholon'ny Joda, dia nilatsaka tamiko ny tànan'i Jehovah Tompo.
2In videl sem, in glej: podoba, ki se je videla kakor ogenj; od njenega ledja doli ogenj in od njenega ledja gori se je videlo kakor blišč, kakor lice svetle kovine.
2Ary hitako fa, indro, nisy nitarehin'afo; hatramin'ny valahany no ho midina dia afo; ary hatramin'ny valahany no ho miakatra kosa dia nitarehin-java-mamirapiratra dia toy ny volon'ny metaly mamirapiratra.
3In je iztegnil kakor roko in me prijel za lase moje glave, in duh me je vzdignil med zemljo in nebo, in nesel me je v prikaznih Božjih v Jeruzalem, k vhodu notranjih vrat, ki gledajo proti severu, kjer je bila postavljena podoba ljubosumnosti, ki vnema gorečnost.
3Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin'ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan'ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin'ny fahitana avy amin'Andriamanitra, ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.[Na: rivotra]
4In glej, slava Boga Izraelovega je bila tam, enaka prikazni, ki sem jo videl v dolini.
4Ary, indro, teo ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely tahaka ilay fahitana efa hitako teo amin'ny lohasaha.
5In mi veli: Sin človečji, obrni zdaj oči proti polnoči! Povzdignem torej oči proti polnoči, in glej, severno ob vratih oltarjevih je bila tista podoba ljubosumnosti, pri vhodu.
5Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, atopazy kely amin'ny lalana mianavaratra ny masonao. Dia natopiko tamin'ny lalana mianavaratra ny masoko ka, indro, eny avaratry ny vavahadin'ny alitara no nisy ilay sarin-javatra fampahasaro-piaro teo amin'ny fidirana.
6In mi reče: Sin človečji, vidiš li, kaj delajo? te velike gnusobe, ki jih počenja hiša Izraelova tukaj, da me odženo daleč od svetišča mojega? Ali še druge velike gnusobe boš videl.
6Dia hoy koa Izy tamiko: Ry zanak'olona, hitanao va izay ataon'ireo, dia ny fahavetavetana lehibe izay ataon'ny taranak'Isiraely eto ka mampanalavitra Ahy amin'ny fitoerako masina? Mbola hahita fahavetavetana lehibe koa ianao.
7In pripelje me k vhodu do dvorišča, in ko pogledam, glej, luknja je v zidu.
7Dia nentiny ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja aho; ary hitako fa, indro, nisy loaka teo amin'ny ampiantany.
8Tedaj mi veli: Sin človečji, prederi zid! In prederem zid in vidim duri.
8Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona, loahy ny ampiantany; dia noloahako ny ampiantany ka, indro, nisy varavarana.
9In mi reče: Vstopi in poglej prehudobne gnusobe, ki jih tu delajo.
9Ary hoy Izy tamiko: Midira, ka jereo ny fahavetavetana lehibe ataony eto.
10In stopim noter in vidim, in glej: mnogotere podobe grde laznine in zverjadi in vsi ostudni maliki hiše Izraelove, naslikani kroginkrog po steni.
10Dia niditra aho ka nahita, ary indreo, nisy sarin'ny biby mandady sy mikisaka rehetra sy ny biby hafa, dia izay fahavetavetana, sy ny sampy rehetra an'ny taranak'Isiraely, voasoratra teo amin'ny rindrina manodidina.
11In sedemdeset mož iz starejšin hiše Izraelove je stalo pred podobami in sredi njih Jaazanija, sin Safanov, vsak držeč kadilnico v roki, in duh kadilnega oblaka se je dvigal kvišku.
11Ary nisy olona fito-polo lahy, isan'ny loholon'ny taranak'Isiraely, nitsangana teo anoloan'ireo, ary Jazania, zanak'i Safana, nitsangana teo afovoany, samy nitondra ny loviany fandoroana ditin-kazo manitra teny an-tànany avy, ary ny setroky ny ditin-kazo manitra dia nidonata.
12In mi reče: Sin človečji, ali si videl, kaj počenjajo starejšine Izraelovi v temi, vsak v hramu podob svojih? kajti pravijo: GOSPOD nas ne vidi, GOSPOD je zapustil deželo!
12Ary hoy Izy tamiko: Ry zanak'olona efa hitanao va ny ataon'ny loholon'ny taranak'Isiraely amin'ny maizina, dia samy ao amin'ny efi-tranony misy sary? Fa hoy izy: Jehovah tsy mahita anay; efa nahafoy ny tany Izy.[Na: tsara soratra]
13Pa mi reče: Videl boš še druge velike gnusobe, ki jih počenjajo.
13Ary hoy koa Izy tamiko: Mbola hahita fahavetavetana lehibe izay ataony koa ianao.
14Nato me pripelje k vhodu v vrata hiše GOSPODOVE, ki so proti severu; in glej, tam sede žene, ki jočejo nad bogom Tamuzom.
14Dia nentiny ho eo anoloan'ny vavahadin'ny tranon'i Jehovah, izay manatrika ny avaratra aho; ary, indreo, nisy vehivavy nipetraka teo, nitomany an'i Tamoza.
15In mi reče: Si li to videl, sin človečji? Videl boš še druge večje gnusobe nego te.
15Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany ry zanak'olona? Mbola hahita fahavetavetana lehibe noho ireto koa ianao.
16In pripelje me na notranje dvorišče hiše GOSPODOVE, in glej, pri vhodu v svetišče GOSPODOVO, med vežo in oltarjem, je petindvajset mož, s hrbtom obrnjenih proti svetišču GOSPODOVEMU in z obrazom proti jutru; in klanjajo se solncu proti jutru.
16Dia nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran'ny tempolin'i Jehovah, dia teo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin'i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
17Tedaj mi reče: Si li to videl, sin človečji? Je li malo hiši Judovi, da počenjajo gnusobe, ki jih delajo tukaj? da še polnijo zemljo s silovitostjo in me venomer dražijo? In glej, vejice držé pod nos.Zato bom tudi jaz ravnal v togoti: oko moje ne bo prizanašalo in ne usmilim se; in čeprav mi bodo z velikim glasom vpili na ušesa, jih vendar ne uslišim.
17Dia hoy Izy tamiko: Hitanao va izany, ry zanak'olona? Moa ataon'ny taranak'i Joda ho kely loatra va ny nanaovany ny fahavetavetana izay ataony eto, no fenoiny fampahoriana koa ny tany, ka mampahatezitra Ahy lalandava izy; ary indro izy nanainga ny rantsan-kazo ho amin'ny orony.Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
18Zato bom tudi jaz ravnal v togoti: oko moje ne bo prizanašalo in ne usmilim se; in čeprav mi bodo z velikim glasom vpili na ušesa, jih vendar ne uslišim.
18Ary Izaho kosa dia hamely amin'ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.