Slovenian

Malagasy

Ezekiel

9

1In vpil mi je na ušesa z glasom velikim govoreč: Bližajte se, ki vam je kaznovati mesto, vsak s svojo morilno pripravo v roki!
1[Ny amin'ireo lehilahy nirahina hamely an'Jerosalema] Ary niantso tamin'ny feo mahery teo anatrehako Jehovah ka nanao hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tànany avy ho enti-mandringana.
2In glej, šest mož pride po poti od zgornjih vrat, ki so obrnjena proti severu, vsak s svojo rušilno pripravo v roki, in eden sredi njih v platnenem oblačilu s pisarsko pripravo ob strani. In vstopijo in se postavijo pri bronastem oltarju.
2Ary, indreo, nisy lehilahy enina avy tamin'ny lalana mankamin'ny vavahady ambony, izay manatrika ny avaratra, sady samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny anankiray tamin'ireo dia nitafy rongony fotsy, sady nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany; ary niditra izy ireo ka nitsangana teo anilan'ny alitara varahina.
3Slava Boga Izraelovega pa se je vzdignila od keruba, nad katerim je bila, proti hišnemu pragu. In zakliče možu v platnenem oblačilu, ki je imel pisarsko pripravo ob strani.
3Ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely efa niakatra niala teo amin'ny kerobima, izay nitoerany, ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano, ary Izy niantso ilay olona nitafy rongony, totsy izay nisy fitoeran-dranomaintin'ny mpanoratra teo am-balahany.
4In GOSPOD mu veli: Pojdi posredi mesta, posredi Jeruzalema in začrkaj znamenje na čela ljudem, ki zdihujejo in žalujejo nad vsemi gnusobami, ki se v nje godé.
4Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko]
5Drugim pa reče, da sem slišal: Idite po mestu za njim in pobijajte; oko vaše ne prizanesi in ne usmilite se!
5Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy,
6Pomorite jih do zadnjega starce, mladeniče in device, otročiče in žene, a ne približajte se nikomur, ki ima znamenje na sebi; začnite pa pri mojem svetišču. Začno torej pri starih možeh, ki so bili pred hišo.
6Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo.
7In jim veli: Omadežite hišo in napolnite dvorišča s pomorjenimi; potem pojdite ven! In šli so ven in pobijali po mestu.
7Ary hoy Izy taminy: Lotoy ny trano, ary fenoy faty ny kianja; dia mivoaha ianareo. Ary dia nivoaka izy ka namely ny tao an-tanàna.
8In zgodi se, ko so pobijali, in jaz sem ostal sam, da padem na obličje in zavpijem in rečem: Ah, Gospod Jehova! hočeš li pokončati ves ostanek Izraelov, ko izlivaš srd svoj nad Jeruzalem?
8Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Jehovah Tompo ô! haringanao va ny sisa rehetra amin'ny Isiraely amin'izao ampidinanao ny fahatezeranao amin'i Jerosalema izao?
9Pa mi reče: Krivda hiše Izraelove in Judove je silno velika, in dežela je polna krvi in v mestu vlada spačevanje pravice; kajti pravijo: GOSPOD je zapustil deželo in GOSPOD ne vidi.
9Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak'ny Isiraely sy ny Joda, ary feno ran'olona nalatsaka ny tany, sady feno fitsarana miangatra ny tanàna, satria hoy izy: Jehovah efa nahafoy ny tany ary Jehovah tsy mahita.
10Tako tudi jaz: moje oko ne prizanese in ne usmilim se, ampak spravim jim njih ravnanje na glavo.In glej, mož v platnenem oblačilu, ki je imel pisalno pripravo ob strani, prinese sporočilo, rekoč: Storil sem, kakor si mi zapovedal.
10Ary Izaho kosa, dia tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo aho, fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny nataony.[Heb. lalany]Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
11In glej, mož v platnenem oblačilu, ki je imel pisalno pripravo ob strani, prinese sporočilo, rekoč: Storil sem, kakor si mi zapovedal.
11Ary, indro, ralehilahy, ilay nitafy rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo am-balahany, dia nitondra teny niverina nanao hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.