1Prorokovala sta pa Hagaj, prorok, in Zaharija, sin Idov, proroka, Judom, ki so bili na Judovem in v Jeruzalemu; v imenu Boga Izraelovega sta jim prorokovala.
1[Ny namporisihan'i Hagay sy Zakaria ny Jiosy handroso hanao na tempoly indray, sy ny naneken'i Dariosy, mpanjakan'i Persia, ny hanaovany azy] Ary ny mpaminany, dia Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido, naminany tamin'ny Jiosy tany Joda sy Jerosalema tamin'ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely izay tao aminy.
2Tedaj vstane Zerubabel, sin Sealtielov, in Jesua, sin Jozadakov, ter začneta zidati hišo Božjo, ki je v Jeruzalemu, in ž njima proroka Božja, ki sta ju podpirala.
2Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.
3V istem času pride k njim Tatenaj, deželski oblastnik tostran reke, in Setar-bozenaj in njiju tovariši ter jim reko takole: Kdo vam je ukazal zidati to hišo in dokončati to obzidje?
3Ary tamin'izany andro izany ihany koa dia nankany amin'ireo Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay mbamin'ny namany; ka izao no nataony taminy: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hahavita io manda io?
4Nato smo jim povedali, katera so imena mož, ki so se lotili zidanja.
4Ary izao koa no nataonay taminy Iza avy no anaran'izay lehilahy manao io trano io? [Na: (nataony)]
5A oko njih Boga je bilo obrnjeno v starejšine Judov, da se jim ni branilo, dokler se ni stvar sporočila Dariju in se je potem odposlal pismen odgovor o tem.
5Nefa ny mason'Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany.
6To pa je opis lista, ki so ga poslali Tatenaj, deželski oblastnik tostran reke, in Setar-bozenaj in njegovi tovariši Afarsakaji, ki so bili tostran reke, kralju Dariju.
6Ny tenin'ny taratasy izay nampitondrain'i Tatenay, governoran'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setara-bozenay ary ny Afarsekita namany, izay amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ho any amin'i Dariosy mpanjaka;
7Poslali so mu poročilo, v katerem je bilo pisano takole: Kralju Dariju ves mir!
7eny, nampitondrainy ho any aminy ny taratasy izay nisy teny toy izao: Ho an'i Dariosy mpanjaka anie ny fiadanana be.
8Znano bodi kralju, da smo šli v pokrajino Judovo, k hiši velikega Boga, ki jo grade z velikimi kameni in ji brune pokladajo v stene, in delo to, ker so marljivi, je uspešno v njih rokah.
8Aoka ho fantatry ny mpanjaka fa nankany amin'ny tany Joda izahay ho any an-tranon'Andriamanitra lehibe, izay atao amin'ny vato vaventy, sady misy hazo alatsaka amin'ny rindrin-trano, ary mandroso tsara izany asa izany sady ambinina eo an-tànany.
9Tedaj smo vprašali tiste starejšine in jim rekli takole: Kdo vam je ukazal zidati to hišo in dokončati to obzidje?
9Dia nanontany ireo loholona ireo izahay nanao hoe: Iza no nandidy anareo hanao io trano io sy hanangana io manda io?
10Vprašali smo jih tudi za njih imena, da tebi oznanimo, da bi zapisali imena mož, ki jim načelujejo.
10Nanontany ny anarany avy koa izahay mba hampahafantarinay anao sy hosoratanay ny anaran'ny olona izay lohany;
11Oni pa so nam dali tak odgovor, rekoč: Mi smo hlapci Boga nebes in zemlje ter zidamo hišo, ki je bila prej zgrajena pred mnogimi leti, ki jo je velik kralj Izraelov zidal in dokončal.
11ka izao no teny navaliny anay: Izahay dia mpanompon'Andriamanitry ny lanitra sy ny tany ka manamboatra ny trano izay efa vita ela, fa ny mpanjaka lehibe anankiray tamin'ny Isiraely no nanao sy nahavita azy.
12A potem, ko so očetje naši dražili v jezo Boga nebes, jih je dal v roko Nebukadnezarja, kralja babilonskega, Kaldejca, ki je podrl to hišo in ljudstvo odpeljal v Babilon.
12Fa noho ny nampahatezeran'ny razanay an'Andriamanitry ny lanitra, dia natolony izy ho eo an-tànan'i Nebokadnezara Kaldeana, mpanjakan'i Babylona, izay efa nandrava io trano io ka nitondra ny olona ho babo tany Babylona.
13Toda v prvem letu Cira, kralja babilonskega, je kralj Cir izdal povelje, da naj se zida ta hiša Božja.
13Fa tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy, mpanjakan'i Babylona, kosa dia nanao didy Kyrosy mpanjaka, mba hatao indray io tranon'Andriamanitra io.
14Tudi zlate in srebrne posode hiše Božje, ki jih je bil vzel Nebukadnezar iz templja v Jeruzalemu in jih prinesel v tempelj v Babilonu, je vzel kralj Cir iz templja v Babilonu in jih izročil tistemu, po imenu Sesbazarju, ki ga je postavil za oblastnika v deželi,
14Ary ny fanaka volamena sy volafotsy momba ny tranon'Andriamanitra, izay efa nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any amin'ny tempoly any Babylona, dia nalain'i Kyrosy mpanjaka tao amin'ny tempoly any Babylona ka natolotra tamin'ny anankiray atao hoe Sesbazara, izay efa notendreny ho governora;
15in mu je velel: Vzemi te posode, pojdi, deni jih v tempelj, ki je v Jeruzalemu, in naj se hiša Božja gradi na mestu njenem.
15ary hoy izy taminy: Raiso ireo fanaka ireo, ka andeha, apetraho ao amin'ny tempoly izay any Jerosalema; ary aoka ny tranon'Andriamanitra hatsangana eo amin'ilay efa niorenany ihany.
16Takrat je prišel tisti Sesbazar in je položil podstave hiši Božji, ki je v Jeruzalemu, in od tega časa do sedaj jo zidajo, in ni še dokončana. –Sedaj torej, ako se vzvidi kralju, naj poiščejo v kraljevi hiši, v zakladnici, ki je tam v Babilonu, če je tako, da je izdal kralj Cir povelje zidati to hišo Božjo v Jeruzalemu, in naj nam kralj sporoči svojo voljo za to stvar.
16Dia avy Sesbazara ka nanao ny fanorenan'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema; ary hatramin'izany andro izany ka mandraka ankehitriny dia efa natao ihany izy, saingy tsy mbola vita.Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.
17Sedaj torej, ako se vzvidi kralju, naj poiščejo v kraljevi hiši, v zakladnici, ki je tam v Babilonu, če je tako, da je izdal kralj Cir povelje zidati to hišo Božjo v Jeruzalemu, in naj nam kralj sporoči svojo voljo za to stvar.
17Koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hizahana ny trano firaketan'ny mpanjaka, izay any Babylona, na misy didy nataon'i Kyrosy mpanjaka hanaovana io tranon'Andriamanitra any Jerosalema io, na tsia; ary aoka ny sitrapon'ny mpanjaka hambarany aminay ny amin'izany zavatra izany.