1Nato ukaže kralj Darij, naj poiščejo v pismarnici v hiši, kjer so bili zloženi zakladi v Babilonu.
1Ary tamin'izany Dariosy mpanjaka dia nandidy, ka nizahana ny trano fitehirizan-taratasy, izay nitehirizana ny rakitra tany Babylona.
2In našli so v Ahmeti, na gradu, ki je v pokrajini Medijski, zavitek, in v njem je bilo takole pisano v spomin:
2Dia tao Akmeta, tao an-dapa izay any amin'ny tanin'ny Mediana, no nahitana horonan-taratasy anankiray, ka voasoratra teo izao tantara izao:
3V prvem letu kralja Cira, je izdal kralj Cir povelje: Zastran hiše Božje v Jeruzalemu: Ta hiša naj se zida kot kraj, kjer se darujejo daritve. Njene podstave naj se trdno postavijo; višava njena bodi šestdeset komolcev, širjava njena šestdeset komolcev;
3Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kyrosy dia nandidy izy nanao hoe: Ny amin'ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema, dia aoka hatao mihitsy izany ho fanateran'ny olona fanatitra, ary aoka hatao mafy ny fanorenany, ka enim-polo hakiho ny hahavony, ary enim-polo hakiho koa ny sakany,
4tri lege imej štirivoglatih kamenov in eno lego iz novega lesa. In stroški naj se plačajo iz kraljeve hiše.
4dia vato vaventy telo andalana sy hazo vaovao iray andalana; ary aoka haloa avy amin'ny tranon'ny mpanjaka izay lany;
5Tudi zlate in srebrne posode hiše Božje, ki jih je vzel Nebukadnezar iz templja v Jeruzalemu ter prinesel v Babilon, naj se povrnejo in zopet prineso na svoje mesto v tempelj v Jeruzalemu, in naj jih zlože v hiši Božji. –
5ary ny fanaky ny tranon'Andriamanitra, na ny volamena na ny volafotsy, izay nalain'i Nebokadnezara tao amin'ny tempoly tany Jerosalema ka nentiny ho any Babylona, dia aoka haverina ho any amin'ny tempoly any Jerosalema indray ireo, samy ho amin'ny fitoerany avy, ka aoka hapetraka ao an-tranon'Andriamanitra avokoa.
6Sedaj torej, Tatenaj, deželni oblastnik za reko, Setar-bozenaj in vajini tovariši Afarsakaji, ki ste za reko, umeknite se daleč od njih!
6Koa amin'izany, ry Tatenay, governora any an-dafin'ny ony, sy ry Setara-bozenay mbamin'ny Afarsakita namanareo, izay any an-dafin'ny ony, mihataha ianareo.
7Pustite jim delati pri tej hiši Božji; naj poglavar Judov in starejšine Judov grade to hišo Božjo na mestu njenem.
7Aza misakana ny fanaovana io tranon'Andriamanitra io; aoka ny mpanapaka ny Jiosy sy ny loholon'ny Jiosy hanao io tranon'Andriamanitra io eo amin'ilay efa niorenany ihany.
8Vrhutega sem izdal povelje, kako naj pomagate tistim starejšinam Judov pri stavbi te hiše Božje, namreč, da se iz kraljevega imetja, iz davkov onostran reke, plačujejo stroški z vso natančnostjo tem možem, da jim ne bode ovire.
8Ary izaho manao didy ny amin'ny hataonareo amin'ny loholon'ireo Jiosy ireo hanaovany izany tranon'Andriamanitra izany: aoka ny haren'ny mpanjaka, dia ny hetra avy amin'ny any an-dafin'ny ony, no handoavana marina izay lany ho an'ireo lehilahy ireo, mba tsy ho azon-tsampona izy.
9In kar potrebujejo, telet, ovnov in jagnjet v žgalne daritve Bogu nebes, pšenice, soli, vina in olja, po zahtevi duhovnikov v Jeruzalemu, naj se jim daje dan za dnevom neprestano,
9Ary izay zavatra ilainy, na zanak'omby, na ondrilahy, na zanak'ondry, ho fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian'ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan'andro isan'andro tsy tapaka izany,
10da morejo darovati daritve v prijetno dišavo Bogu nebes in da molijo za kraljevo in za sinov njegovih življenje.
10mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an'Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin'ny zanany.
11Tudi sem izdal povelje: Vsakemu, ki premeni ta ukaz, naj vzamejo gredo iz hiše njegove in jo pokonci postavijo ter ga na njej obesijo, njegova hiša pa bodi v kup gnoja zavoljo tega.
11Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin'ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany.
12A Bog, ki je storil, da bi ondi prebivalo ime njegovo, razdeni vse kralje in ljudstva, ki bodo iztegnili roko svojo, da premene ta ukaz, da se poruši ta hiša Božja v Jeruzalemu. Jaz, Darij, sem izdal povelje; naj se natančno izvrši!
12Ary Andriamanitra, Izay efa nampitoetra ny anarany teo, anie handringana ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, izay maninjitra ny tanany handika ny didiko ka handrava izany tranon'Andriamanitra any Jerosalema izany. Izaho Dariosy no nanao ny didy; aoka hotovina marina tokoa izany.
13Tedaj so storili Tatenej, deželni oblastnik za reko, Setar-bozenaj in njiju tovariši natančno tako, za kar je bil kralj Darij sporočil.
13[Ny nahavitana ny tempoly, sy ny nitokanana azy] Ary tamin'izany Tatenay, governora amin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ, sy Setarabozenay mbamin'ny namany dia nankato marina izany teny efa nampitondrain'i Dariosy ho any aminy izany.
14In starejšine Judovi so zidali in uspevalo jim je delo po prorokovanju Hagaja, proroka, in Zaharija, sinu Idovega. Tako so zidali in dokončali po zapovedi Boga Izraelovega in po povelju Cira in Darija in Artakserksa, kraljev v Perziji.
14Dia nanao ny trano ny loholon'ny Jiosy ka nambinina noho ny faminanian'i Hagay mpaminany sy Zakaria, zanak'Ido. Ary nanao ny trano izy ka nahavita azy, araka ny didin'Andriamanitry ny Isiraely sy araka ny didin'i Kyrosy sy Dariosy ary Artaksersesy, mpanjakan'i Persia.
15In ta hiša je bila dokončana tretji dan meseca Adarja, ko je bilo šesto leto vladanja kralja Darija.
15Dia vita io trano io tamin'ny andro fahatelo tamin'ny volana Adara tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Dariosy mpanjaka.
16In sinovi Izraelovi, duhovniki, leviti in drugi sinovi ujetništva so praznovali posvečevanje te hiše Božje z veseljem.
16Ary ny Zanak'Isiraely, na ny mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin'ny fahababoana, dia nitokana io tranon'Andriamanitra io tamin'ny fifaliana;
17In prinesli so ob posvečevanju te hiše Božje sto juncev, dvesto ovnov, štiristo jagnjet; in v daritev za greh za vsega Izraela dvanajst kozlov, po številu rodov Izraelovih.
17ary ny nateriny hitokanana io tranon'Andriamanitra io dia omby zato sy ondrilahy roan-jato sy zanak'ondry efa-jato; ary ny ho fanatitra noho ny ota kosa ho an'ny Isiraely rehetra dia osilahy roa ambin ny folo, araka ny isan'ny firenen'Isiraely.
18In postavili so duhovnike po njih vrstah in levite po njih oddelkih v službo Bogu, ki je v Jeruzalemu, kakor je pisano v knjigi Mojzesovi.
18Dia nanendry ny mpisorona ho amin'ny firazanany avy sy ny Levita ho amin'ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an'Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy.
19In sinovi ujetništva so praznovali pasho štirinajsti dan prvega meseca.
19Ary ny olona izay efa nody avy tamin'ny fahababoana dia nitandrina ny Paska tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany;
20Zakaj duhovniki in leviti so se očistili kakor en mož; bili so vsi čisti. In zaklali so pasho za vse sinove ujetništva in za brate svoje, duhovnike, in zase.
20fa ny mpisorona sy ny Levita samy efa nanadio ny tenany rahateo, dia nadio izy rehetra ka namono ny Paska ho an'izay rehetra efa nody avy tamin'ny fahababoana sy ho an'ny mpisorona rahalahiny ary ho an'ny tenany,
21In sinovi Izraelovi, ki so se bili vrnili iz ujetništva, in vsi, ki so se ločili od nečistote poganov v deželi in k njim pristopili, da bi iskali GOSPODA, Boga Izraelovega, so jedliin so praznovali praznik opresnikov sedem dni z veseljem; zakaj GOSPOD jim je bil dal veselje in jim je naklonil srce kralja asirskega, da bi jim okrepčal roke na delu pri hiši Boga, Boga Izraelovega.
21Dia nihinana izany ny Zanak'Isiraely izay efa nody avy tamin'ny fahababoana mbamin'izay rehetra niavaka ho namany ka niala tamin'ny fahalotoan'ny firenena tompon-tany hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
22in so praznovali praznik opresnikov sedem dni z veseljem; zakaj GOSPOD jim je bil dal veselje in jim je naklonil srce kralja asirskega, da bi jim okrepčal roke na delu pri hiši Boga, Boga Izraelovega.
22ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin'ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon'ny mpanjakan'i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin'ny nanaovany ny tranon'Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.