1A po teh zgodbah, ob vladanju Artakserksa, kralja v Perziji, je šel Ezra, sin Seraja, sinu Azarija, sinu Hilkija,
1[Ny nandehanan'ny Jiosy maro koa izay nentin'i Ezra avy tany Babylona] Ary rehefa afaka izany, tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy, mpanjakan'i Persia, dia niakatra Ezra, zanak'i Seraia, zanak'i Azaria, zanak'i Hilklay
2sinu Saluma, sinu Zadoka, sinu Ahituba,
2zanak'i Saloma, zanak'i Zadoka, zanak'i Ahitoba,
3sinu Amarija, sinu Azarija, sinu Merajota,
3zanak'i Amaria, zanak'i Azaria, zanak'i Meraiota,
4sinu Zerahija, sinu Uzija, sinu Bukija,
4zanak'i Zerahia, zanak'i Ozy, zanak'i Boky,
5sinu Abisua, sinu Pinehasa, sinu Eleazarja, sinu Arona, prvega duhovnika –
5zanak'i Abisoa, zanak'i Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona mpisoronabe;
6ta Ezra je šel gori iz Babilona. Ta je bil Pismouk, izurjen v zakonu Mojzesovem, ki ga je bil dal GOSPOD, Bog Izraelov. In ker je bila roka GOSPODA, Boga njegovega, nad njim, mu je dal kralj vse, kar je prosil.
6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn'i Mosesy, izay efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen'ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban'ny tànan'i Jehovah Andriamaniny azy.
7In ž njim je šlo nekaj sinov Izraelovih in duhovnikov in levitov in pevcev in vratarjev in Netinimcev gori v Jeruzalem, v sedmem letu kralja Artakserksa.
7Ary niakatra koa ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely sy ny sasany amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin'ny taona fahafito nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka.
8In dospel je v Jeruzalem v petem mesecu, ko je bilo sedmo leto kraljevo.
8Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito nanjakan'ny mpanjaka.
9Zakaj prvi dan prvega meseca je bil določen odhod iz Babilona, prvi dan petega meseca pa je dospel v Jeruzalem, kjer je bila dobrotljiva roka Boga njegovega nad njim.
9Fa tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamaniny taminy.
10Zakaj Ezra je pripravil srce svoje, da bo preiskoval zakon GOSPODOV in ga izpolnjeval ter da bo učil v Izraelu postave in sodbe.
10Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn'i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
11To pa je prepis lista, ki ga je dal kralj Artakserks duhovniku in pismouku Ezru, pismouku v besedah zapovedi GOSPODOVIH in njegovih postav za Izraela.
11Ary izao no tenin'ny taratasy izay nomen'i Artaksersesy mpanjaka an'i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin'ny lalàn'i Jehovah sy ny didiny tamin'ny Isiraely:
12Artakserks, kralj kraljev, Ezru duhovniku, popolnemu pismouku zakona Boga nebes, in tako dalje.
12Artaksersesy, mpanjakan'ny mpanjaka, ho an'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra.
13Izdajem ukaz, da naj pojdejo s teboj vsi od ljudstva Izraelovega in njih duhovnikov in levitov v državi moji, ki hočejo rade volje iti v Jeruzalem.
13Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin'ny fanjakako amin'ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14Ker si poslan od kralja in od njegovih sedmih svetovalcev, da napraviš preiskavo o Judi in Jeruzalemu na podlagi zakona Boga svojega, ki je v roki tvoji,
14Fa ianao efa nirahin'ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran'i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn'Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15in da odneseš tja srebro in zlato, ki so ga kralj in svetniki njegovi radovoljno darovali Bogu Izraelovemu, čigar prebivališče je v Jeruzalemu,
15ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin'ny sitrapo ho an'Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
16in vse srebro in zlato, ki ga dobiš v vsej pokrajini Babilonski, s tem vred, kar bo ljudstvo in duhovništvo prostovoljno darovalo za hišo Boga svojega, ki je v Jeruzalemu:
16ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran'ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin'ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin'ny sitrapo hanaovany ny tranon'Andriamaniny, izay any Jerosalema.
17zato nakupi z vso marljivostjo s temle denarjem govedi, ovnov, jagnjet in njim pristojnih jedilnih in pitnih daril ter jih daruj na oltarju v hiši Boga vašega, ki je v Jeruzalemu.
17Koa amin'izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak'ondry mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin'io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin'ny alitara ao an-tranon'Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18In kar se tebi in bratom tvojim vzvidi storiti z ostalim srebrom in zlatom, storíte po volji Boga svojega!
18Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin'ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon'Andriamanitrareo.
19In posode, ki so ti dane za službo v hiši Boga tvojega, oddaj pošteno pred Bogom v Jeruzalemu.
19Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan'Andriamanitra any Jerosalema.
20In karkoli bo še potrebno za hišo Boga tvojega, kar se ti naključi izdati, daj iz kraljeve zakladnice.
20Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an'ny tranon'Andriamanitrao dia alao ao amin'ny trano firaketan'ny mpanjaka.
21In jaz, kralj Artakserks, ukazujem vsem zakladnikom, ki so za reko, storite z vso marljivostjo, karkoli vas bo prosil Ezra duhovnik, pismouk v zakonu Boga nebes;
21Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin'ny mpitahiry ny haren'ny fanjakana rehetra izay any an-dafin'ny ony, fa na inona na inona no ilain'i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn'Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
22dajte do sto talentov srebra in do sto meric pšenice in do sto batov vina in sto batov olja in soli brez mere.
22na hatramin'ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
23Karkoli je zapovedano po Bogu nebes, naj se natančno stori za hišo Boga nebes, kajti čemu naj pride srd božji nad državo kraljevo in njegovih sinov?
23Na inona na inona andidian'Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an'ny tranon'Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin'ny fanjakan'ny mpanjaka sy ny zanany?
24Tudi se vam naznanja, da nimate oblasti, nakladati davke, užitnino in cestnino kateremukoli iz duhovnikov, levitov, pevcev, vratarjev, Netinimcev in služabnikov te hiše Božje.
24Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin'io tranon'Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
25Ti pa, Ezra, po modrosti tvojega Boga, katera je v tvoji roki, postavi za sodnike in pravdnike, ki naj sodijo vse ljudstvo onostran reke, vse take, ki poznajo tvojega Boga postave. In kdor jih ne pozna, tega naučite.
25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren'Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin'ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn'Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
26In kdorkoli ne bo izpolnjeval postave Boga tvojega in postave kraljeve, nad tem naj se izvrši sodba z vso strogostjo, bodisi na smrt ali v prognanstvo ali v zaplenjenje imetja ali v ječo.
26Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan'Andriamanitrao sy ny lalàn'ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
27Hvaljen bodi Jehova, naših očetov Bog, ki je to dal kralju v srce, da se odiči hiša GOSPODOVA, ki je v Jeruzalemu,in ki mi je naklonil milost pred kraljem in svetovalci njegovimi in pred vsemi kraljevimi močnimi vojvodami! In tako sem se ohrabril po roki GOSPODA, Boga svojege, ki je bila nad menoj, in izbral sem prvake Izraelove, da bi šli gori z menoj.
27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon'ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema.sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.
28in ki mi je naklonil milost pred kraljem in svetovalci njegovimi in pred vsemi kraljevimi močnimi vojvodami! In tako sem se ohrabril po roki GOSPODA, Boga svojege, ki je bila nad menoj, in izbral sem prvake Izraelove, da bi šli gori z menoj.
28sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin'ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban'ny tanan'i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin'ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.