1Ko pa je to vse bilo opravljeno, pristopijo k meni poglavarji, govoreč: Ljudstvo Izraelovo in duhovniki in leviti se niso ločili od ljudstev dežele, delajoč po njih gnusobah, Kanaancev in Hetejcev, Ferizejcev, Jebusejcev, Amoncev, Moabcev, Egipčanov in Amorejcev.
1[Ny alahelon'i Ezra, raha nahare fa ny Jiosy efa nifanambady tamin'ny firenena hafa, ary ny nibebahan'ny olona tamin'izany] Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin'ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
2Zakaj jemali so njih hčere zase in za svoje sinove in so se, sveto seme, zmešali z ljudmi teh dežel, in roka poglavarjev in načelnikov je bila prva v tej nezvestobi.
2Fa efa naka tamin'ny zanakavavin'ireo ho vadiny sy ho vadin'ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin'ny olona tompon-tany ny taranaka masina; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin'izany fahadisoana izany.
3Ko sem to zaslišal, sem si raztrgal suknjo in plašč ter si pulil lase iz glave in brado in sedel potrt.
3Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
4Tedaj se zbero k meni vsi, ki so trepetali ob besedah Boga Izraelovega zaradi nezvestobe tistih, ki so prišli iz ujetništva. Jaz pa sem sedel potrt do večerne daritve.
4Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin'Andriamanitry ny Isiraely ny amin'ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva.
5In ob večerni daritvi vstanem od svojega ponižanja z raztrgano suknjo in raztrganim plaščem, in padem na kolena in razprostrem roke proti GOSPODU, Bogu svojemu,
5Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin'i Jehovah Andriamanitro aho
6in rečem: O Bog moj, sramujem se in bojim se povzdigniti obličje k tebi, moj Bog; zakaj krivice naše so nam zrasle nad glavo in krivda naša je dospela do neba!
6ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
7Od očetov naših časa smo v veliki krivdi do tega dne, in zaradi krivic svojih smo bili izročeni mi, kralji naši in duhovniki naši rokam kraljev dežel, meču, ujetništvu, plenjenju in očitni sramoti, kakor je danes.
7fa hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan'ny mpanjakan'ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao.
8In sedaj nam je za kratek trenutek izkazal milost GOSPOD, naš Bog, da nam je pustil ostanek rešencev in dal, da smemo zabiti šatorov klin na svetem kraju njegovem, da bi nam Bog naš razsvetlil oči ter nas malo poživil v sužnosti naši.
8Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.[Izahao Isa. xxii. 23]
9Zakaj sužnji smo; vendar pa nas ni zapustil Bog naš v sužnosti naši, ampak nam je naklonil milost pred kralji Perzije, da bi nam pripravili oživitev, da postavimo hišo Božjo in popravimo razvaline njene, ter da bi nam dali zid v Judi in v Jeruzalemu.
9Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10In sedaj, Bog naš, kaj hočemo reči po vsem tem? Kajti zapustili smo tvoje zapovedi,
10Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
11ki si jih zapovedal po hlapcih svojih, prorokih, rekši: Zemlja, v katero greste, da jo posedete, je nečista dežela vsled nečistosti poganskih ljudstev v deželi, vsled njih gnusob, s katerimi so jo napolnili od konca do kraja po svojem oskrunjevanju.
11dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
12Sedaj torej ne dajajte hčer svojih njih sinovom, tudi ne jemljite njih hčer sinovom svojim, niti ne iščite njih miru in blaginje vekomaj, da bodete mogočni in boste uživali dobrino dežele ter jo zapustili v dediščino otrokom svojim vekomaj.
12koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay.
13Po vsem tem pa, kar je prišlo nad nas za huda dela naša in za našo krivdo veliko (ker si ti, Bog naš, nas kaznoval manj, nego zaslužijo krivice naše, in si nam dal toliko rešencev tukaj),
13Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
14bomo li zopet prelamljali zapovedi tvoje in svaštvo sklepali z ljudstvi, ki počenjajo te gnusobe? Bi se li ne srdil nad nami, dokler nas ne bo konec, da ne ostane nikogar in se nihče ne reši?O GOSPOD, Bog Izraelov, ti si pravičen; kajti preostali smo kot rešenci, kakor se danes vidi. Glej, pred teboj smo v krivdi svoji, kajti nihče ne more stati pred teboj zaradi tega.
14fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.
15O GOSPOD, Bog Izraelov, ti si pravičen; kajti preostali smo kot rešenci, kakor se danes vidi. Glej, pred teboj smo v krivdi svoji, kajti nihče ne more stati pred teboj zaradi tega.
15Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin'izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin'ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.