1Bila je pa lakota v deželi, razen one prejšnje lakote, ki je bila v dnevih Abrahamovih. Zatorej je šel Izak k Abimeleku, kralju filistejskemu, v Gerar.
1[Ny nivahinian'Isaka tany Gerara] Ary nisy mosary indray teo amin'ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon'i Abrahama. Ary Isaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'ny Filistina, tany Gerara.
2Prikaže pa se mu GOSPOD ter veli: Ne hodi doli v Egipt, ampak bivaj v kraju, ki ti ga povem.
2Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midina any Egypta ianao; mitoera eo amin'ny tany izay holazaiko aminao.
3Kot tujec bivaj v tem kraju, in s teboj bodem in te bom blagoslovil, kajti tebi in semenu tvojemu dam vse te kraje, in izpolnim prisego, ki sem jo prisegel Abrahamu, tvojemu očetu;
3Mivahinia eto amin'ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho; fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto, ka hotoviko ny fianianana izay nataoko tamin'i Abrahama rainao;
4in pomnožim seme tvoje kakor zvezde na nebu, in semenu tvojemu dam vse te kraje; in blagoslavljali se bodo v semenu tvojem vsi narodi zemlje:
4dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany;
5zato ker je Abraham slušal moj glas in je pokoren bil poveljem mojim, zapovedim mojim, naredbam in postavam mojim.
5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
6Bival je torej Izak v Geraru.
6Ary Isaka dia nitoetra tany Gerara.
7In možje tistega kraja so ga vprašali za ženo njegovo, in reče: Sestra je moja; ker se je bal reči: žena moja, češ, da me ne umoré možje tega kraja zaradi Rebeke, ker je lepe postave.
7Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin'ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
8Zgodi se pa, ko je tam preživel mnogo dni, da je gledal Abimelek, kralj filistejski, skozi okno, in je videl, in glej, Izak se je igral z Rebeko, ženo svojo.
8Ary rehefa nitoetra ela teo izy, dia nitsirika teo am-baravarankely Abimeleka, mpanjakan'ny Filistina, ka nahita fa, indro, Isaka nisangy tamin-dRebeka vadiny.
9Zato pokliče Abimelek Izaka ter reče: Glej, ta je vendarle žena tvoja; in kako si rekel: Sestra je moja? Izak pa mu reče: Ker sem menil, da ne umrem zaradi nje.
9Ary Abimeleka dia niantso an'Isaka ka nanao hoe: Efa hita mihitsy fa vadinao izy, ka nahoana no nolazainao hoe: Anabaviko izy? Ary hoy Isaka taminy: Satria hoy izaho anakampo: Fandrao maty aho noho ny aminy.
10Tedaj reče Abimelek: Kaj si nam storil to? Malo, da ni ležal eden izmed tega ljudstva z ženo tvojo, in si nas zapeljal v pregreho.
10Ary hoy Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin'ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao.
11In Abimelek zapove vsemu ljudstvu svojemu, veleč: Kdor se dotakne tega moža ali žene njegove, smrt ga zadene gotovo.
11Dia nandidy ny vahoakany rehetra Abimeleka ka nanao hoe: Izay manendry io lehilahy io na ny vadiny dia hatao maty tokoa.
12In Izak je sejal v tej deželi, in žel je isto leto stotero, tako ga je blagoslovil GOSPOD.
12Dia namafy tamin'izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin'izay taona izay, satria efa notahin'i Jehovah izy.
13In rastel je ta mož in napredoval neprestano, da je postal silno mogočen;
13Ary nanan-karena ralehilahy ka nandroso sy nitombo ambara-pahatongany ho mpanjatobe indrindra;
14in je imel črede ovac in črede goved in mnogo poslov, zato so mu zavidali Filistejci.
14fa nanana fananana be izy, dia ondry aman'osy sy omby ary andevo maro; ka dia nialona azy ny Filistina.
15In vse vodnjake, ki so jih bili izkopali hlapci očeta njegovega v dnevih Abrahama, očeta njegovega, so zasuli Filistejci in napolnili s prstjo.
15Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa.
16In Abimelek veli Izaku: Loči se od nas, ker postal si mnogo močnejši od nas.
16Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Miala atỳ aminay; fa ianao mahery lavitra noho izahay.
17Izak torej odide odondod ter razpne šatore v dolini Gerarski in prebiva tam.
17Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo.
18Izkoplje pa Izak zopet vodnjake, ki so jih bili izkopali v dnevih Abrahama, očeta njegovega, in ki so jih zasuli Filistejci po smrti Abrahamovi, in jih imenuje z imeni, katera jim je dal oče njegov.
18Dia noloaran'Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
19In ko kopljejo hlapci Izakovi v dolini, najdejo tam vodnjak žive vode.
19Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka nahita loharano velona teo.
20Ali prepirali so se pastirji gerarski s pastirji Izakovimi, govoreč: Naša je ta voda. Zato je imenoval tisti vodnjak Esek [T. j. prepir.], ker so se sprli ž njim.
20Ary niady tamin'ny mpiandry ombin'Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran'ny lavaka fantsakana dia nataon'Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
21In ko so izkopali drugi vodnjak, so se prepirali tudi za tega; zato ga je imenoval Sitna [T. j. nasprotstvo.].
21Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa izy, ka niadiany indray io; ary ny anarany dia nataony hoe Sitna.
22Premakne pa odondod šatore in izkoplje drug vodnjak, in za tega se niso prepirali; zato ga je imenoval Rehobot [T. j. prostranost.]. Rekel je namreč: Sedaj nam je GOSPOD razširil prostor, da bodimo plodni v tem kraju.
22Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa koa indray; fa io kosa tsy mba niadiany; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Efa nomen'i Jehovah toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eo amin'ny tany.
23Potem gre odondod gori v Bersebo.
23[Ny nifindran'Isaka nankany Beri-sheba, sy ny nanaovany fanekena tamin'i Abimeleka] Dia niakatra niala teo izy ka nankany Beri-sheba.
24Tam se mu prikaže GOSPOD še tisto noč in reče: Jaz sem Bog Abrahama, očeta tvojega; ne boj se, zakaj jaz sem s teboj in te blagoslovim, in pomnožim seme tvoje zaradi Abrahama, svojega hlapca.
24Ary Jehovah niseho taminy tamin'iny alina iny ka nanao hoe: Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao; aza matahotra, fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao noho ny amin'i Abrahama mpanompoko.
25In postavi ondi oltar in kliče ime GOSPODOVO, in razpne ondi svoj šator; in hlapci Izakovi izkopljejo ondi vodnjak.
25Ary nanorina alitara teo izy, dia niantso ny anaran'i Jehovah sady nanorina ny lainy teo koa; ary nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon'Isaka.
26Abimelek pa pride k njemu iz Gerara z Ahuzatom, prijateljem svojim, in Pikolom, poveljnikom vojske njegove.
26Ary Abimeleka mbamin'i Ahozata sakaizany sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin'Isaka.
27In reče jim Izak: Zakaj ste prišli k meni, ko me sovražite in ste me pognali od sebe?
27Fa hoy Isaka taminy: Nahoana ianareo no mankaty amiko, kanefa nankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy niala teo aminareo?
28Oni pa reko: Razvideli smo jasno, da je GOSPOD s teboj; zato smo rekli: Bodi sedaj prisega med nami, med nami in teboj; sklenimo torej zavezo s teboj:
28Ary hoy izy ireo: Efa hitanay marimarina fa momba anao Jehovah, ka dia hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao,
29da nam ne storiš hudega, kakor se nismo doteknili tebe in kakor smo ti le dobro storili in odposlali te v miru. Ti si sedaj res blagoslovljenec GOSPODOV!
29fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nanendrenay anao akory, sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Fa ianao ankehitriny efa notahin'i Jehovah.
30In napravi jim pojedino, in so jedli in pili.
30Dia nanao fanasana ho azy Isaka, ka dia nihinana sy nisotro izy.
31Zjutraj pa vstanejo s svitom ter prisežejo drug drugemu; in Izak jih spremi ter odidejo od njega v miru.
31Dia nifoha maraina koa izy, ka samy nanao fianianana; dia nampandehanin'Isaka ireo, ka dia lasa nody soa aman-tsara izy.
32Zgodi se pa še isti dan, da pridejo hlapci Izakovi ter mu sporočé o vodnjaku, ki so ga bili izkopali, ter mu reko: Našli smo vodo.
32Ary tamin'izany andro izany dia avy ny mpanompon'Isaka ka nanambara taminy ny amin'ny lavaka fantsakana izay efa nohadiny ka nanao taminy hoe: Efa nahita rano izahay.
33In imenoval ga je Siba; zato je ime tistega mesta Berseba do današnjega dne.
33Dia nanao ny anarany hoe Sheba izy; izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Beri-sheba mandraka androany.
34Ko je pa imel Ezav štirideset let, si vzame za ženo Judito, hčer Beerja Hetejca, in Basemato, hčer Elona Hetejca:obe sta pa žalili srce Izaku in Rebeki.
34[Ny nampakaran'i Esao vehivavy Kananita ho vadiny] Ary rehefa efa-polo taona Esao, dia nampakatra an'i Jodita, zanakavavin'i Bery Hetita, sy Basemata, zanakavavin'i Elona Hetita, izy.Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.
35obe sta pa žalili srce Izaku in Rebeki.
35Dia nangidy tamin'ny fanahin'Isaka sy Rebeka indrindra ireny.