1Zgodi se pa, ko se je bil postaral Izak in so mu oči temnele, tako da ni videl, da pokliče Ezava, sina svojega starejšega, ter mu reče: Sin moj! In ta reče njemu: Tu sem.
1[Ny fitaka nataon'i Jakoba hahazoany ny tso-dranon'ny rainy] Ary rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho.
2Nato veli: Glej, postaral sem se in ne vem dne smrti svoje.
2Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako;
3Vzemi torej, prosim, orodje svoje, tul in lok svoj, pa pojdi na polje ter ulovi mi lov;
3koa ankehitriny, masìna ianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho;
4in pripravi mi okusno jed, kakor jo rad imam, ter prinesi mi, da jem in da te blagoslovi duša moja, preden umrem.
4ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento atỳ amiko hohaniko, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5Rebeka pa je slišala, ko je govoril Izak Ezavu, sinu svojemu. Odide torej Ezav na polje lov lovit, da ga prinese.
5Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zananilahy. Ary dia lasa nankany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny.
6V tem ogovori Rebeka Jakoba, sina svojega: Glej, slišala sem očeta tvojega govorečega z Ezavom, bratom tvojim, ko mu je dejal:
6Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zananilahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe:
7Prinesi mi lov ter pripravi mi okusno jed, da jo jem in te blagoslovim pred GOSPODOM, preden umrem.
7Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho.
8Sedaj torej, sin moj, poslušaj glas moj, kar ti jaz velim.
8Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao.
9Pojdi k čredi, vzemi tam ter prinesi mi dva najboljša kozliča, da ju pripravim v okusno jed očetu tvojemu, kakršno ima rad;
9Mankanesa kely any amin'ny ondry aman'osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany;
10potem jo prineseš očetu svojemu ter jedel bo, da bi te blagoslovil, preden umre.
10ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11Jakob pa reče Rebeki, materi svoji: Glej, Ezav, brat moj, je mož kosmat, jaz pa mož gladek.
11Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa;
12Lahko me potiplje oče moj, in zdel se mu bom, kakor da ga zasmehujem, in pripravim nadse prokletstvo, ne pa blagoslova.
12ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano.
13Pa mu reče mati njegova: Nadme pridi prokletstvo tvoje, sin moj; le poslušaj glas moj ter pojdi in mi prinesi!
13Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho.
14Odide torej, vzame in prinese materi svoji; in mati njegova pripravi okusno jed, kakor je imel rad oče njegov.
14Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy.
15Nato vzame Rebeka oblačila Ezava, sina svojega starejšega, najlepša, ki jih je imela pri sebi doma, in obleče Jakoba, sina svojega mlajšega;
15Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy.
16in s kožicami kozličev obleče roke njegove in gladino vratu njegovega.
16Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambolambo amin'ny vozony;
17In dene jed okusno s kruhom, ki ga je bila pripravila, v roko Jakoba, svojega sina.
17dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny.
18In gre k očetu svojemu ter reče: Oče moj! Ta veli: Tu sem, kdo si ti, sin moj?
18Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa ianao, anaka?
19Jakob odgovori očetu svojemu: Jaz sem, Ezav, prvenec tvoj; storil sem, kakor si mi ukazal. Vstani, prosim, sedi in jej od lova mojega, da me blagoslovi duša tvoja.
19Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao nataoko aho; masìna ianao, miarena, dia mipetraha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
20Izak pa reče sinu svojemu: Kako hitro si to dobil, sin moj! In ta reče: Ker je storil GOSPOD, Bog tvoj, da mi je prišlo naproti.
20Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21Tedaj reče Izak Jakobu: Pristopi, prosim, da te otipljem, sin moj, si li ti sin moj Ezav ali ne?
21Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22Pristopi torej Jakob k Izaku, očetu svojemu, ki ga otiplje ter reče: Glas je glas Jakobov, a te roke so roke Ezavove.
22Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tanana dia tànan'i Esao.
23In ni ga spoznal, zato ker so bile roke njegove podobne rokam Ezava, brata njegovega, kosmate; in ga je blagoslovil.
23Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy.
24In reče: Ti tukaj, si li sin moj Ezav? Jakob odgovori: Sem!
24Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25In reče: Podaj mi in jedel bom od lova sina svojega, da te blagoslovi duša moja. In ko mu je podal, pojé, in ko mu je prinesel vina, popije.
25Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro.
26Nato mu veli Izak, oče njegov: Pristopi le ter me poljubi, sin moj!
26Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely ka manoroha ahy, anaka.
27Pristopil je torej in ga poljubil, in ko on začuti duh oblačil njegovih, ga blagoslovi in reče: Glej, duh sina mojega je kakor duh polja, ki ga je blagoslovil GOSPOD.
27Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka nandre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay notahin'i Jehovah.
28Daj ti torej Bog od rose nebeške in od rodovitnih poljan zemlje ter obilost žita in vina.
28Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka.
29Služijo naj ti ljudstva in klanjajo naj se ti narodi; gospodar bodi bratom svojim, in klanjajo naj se ti matere tvoje sinovi. Kdor te proklinja, vsak bodi proklet, in kdor te blagoslavlja, vsak bodi blagoslovljen!
29Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie ianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao.
30Zgodi se pa, ko je nehal Izak blagoslavljati Jakoba in ko je bil komaj Jakob odšel izpred obličja Izaka, očeta svojega, da se Ezav vrne z lova.
30Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo anatrehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza.
31In pripravi tudi on okusno jed in prinese očetu svojemu, ter reče očetu svojemu: Vstani, oče moj, ter jej od lova sina svojega, da me blagoslovi duša tvoja.
31Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy.
32Reče mu pa Izak, oče njegov: Kdo si ti? In odvrne: Jaz, sin tvoj, prvenec tvoj, Ezav.
32Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa ianao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
33Tedaj zatrepeče Izak s trepetom silno velikim ter reče: Kdo pa je tisti, ki je ulovil lov in mi prinesel, in jedel sem od vsega, preden si prišel, in sem ga blagoslovil? Tudi ostane blagoslovljen.
33Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga ianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy.
34Ko je pa slišal Ezav očeta svojega besede, zavpije z vpitjem velikim in silno bridkim ter reče očetu svojemu: Blagoslovi me, tudi mene, oče moj!
34Raha vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô.
35On pa reče: Prišel je brat tvoj po zvijači, in odnesel je blagoslov tvoj.
35Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso-dranonao.
36In reče Ezav: Ni li se prav imenoval Jakob? kajti izpodrinil me je že vdrugič: ob prvenstvo me je pripravil, in glej, zdaj je odnesel blagoslov moj. Nato reče: Nisi li nič blagoslova mi prihranil?
36Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tso-dranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va ianao?
37Odgovarjajoč pa reče Izak Ezavu: Glej, za gospoda sem ti ga postavil, in vse brate sem mu izročil za hlapce, tudi z žitom in vinom sem ga podprl: tebi torej kaj naj še storim, sin moj?
37Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka?
38Reče pa Ezav očetu svojemu: Ali imaš le edin blagoslov, oče moj? Blagoslovi me, tudi mene, oče moj! In Ezav zažene svoj glas ter joka.
38Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany.
39In odgovori Izak, oče njegov, in mu reče: Glej, daleč od rodovitnih poljan zemlje bode bivališče tvoje in daleč od rose nebeške odzgoraj;
39Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony;
40in od meča svojega boš živel, in služil boš bratu svojemu; zgodi se pa, ko boš tako divjal, da otreseš jarem njegov z vratu svojega.
40Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao.
41In sovražil je Ezav Jakoba zaradi blagoslova, s katerim ga je bil blagoslovil oče njegov. In Ezav reče v srcu svojem: Bližajo se dnevi žalovanja za mojim očetom, tedaj umorim Jakoba, brata svojega.
41[Ny nialan'i Jakoba tao amin'ny rainy handositra an i Esao, ary ny nampakaran'i Esao ny zanakavavin'Isimaela ho vadiny] Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho.
42In sporočili so Rebeki besede Ezava, sina njenega starejšega; pošlje torej in pokliče Jakoba, sina svojega mlajšega, ter mu reče: Glej, Ezav, brat tvoj, se tolaži zate s tem, da te umori.
42Ary nisy namambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao.
43Sedaj torej, sin moj, poslušaj glas moj: vstani ter pobegni k Labanu, bratu mojemu, v Haran.
43Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.
44Tam bivaj ž njim malo dni, dokler se ne uleže brata tvojega srd;
44Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao,
45dokler se ne obrne jeza brata tvojega od tebe ter pozabi tisto, kar si mu storil. Potem pošljem in te vzamem k sebi od tam. Zakaj bi naj izgubila vaju oba v enem dnevu?Izaku pa reče Rebeka: Studi se mi življenje moje zaradi hčerá Hetejcev. Če vzame Jakob ženo izmed hčer Hetejcev, kakršni sta oni dve, izmed hčer tega kraja, čemu mi življenje?
45eny, mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro?Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
46Izaku pa reče Rebeka: Studi se mi življenje moje zaradi hčerá Hetejcev. Če vzame Jakob ženo izmed hčer Hetejcev, kakršni sta oni dve, izmed hčer tega kraja, čemu mi življenje?
46Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanakavavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?