1Sedmi mesec, edenindvajseti dan meseca, je prišla beseda GOSPODOVA po proroku Hagaju, in je rekel:
1[Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
2Govóri Zerubabelu, sinu Sealtielovemu, deželnemu oblastniku na Judovem, in Jozuetu, sinu Jozadakovemu, velikemu duhovniku, in ostanku ljudstva ter véli:
2Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe:
3Kdo je med vami ostal, ki je videl to hišo v prvi slavi njeni? in kakšno jo vidite sedaj? Ni li prav kakor nič v očeh vaših?
3Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
4Sedaj pa bodi močan, o Zerubabel, govori GOSPOD, in bodi krepak, o Jozue, sin Jozadakov, veliki duhovnik! in bodi močno, vse ljudstvo dežele, govori GOSPOD, in delajte! Kajti jaz sem z vami, govori GOSPOD nad vojskami.
4Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
5Beseda, ki sem se ž njo vam zavezal, ko ste šli iz Egipta, velja in duh moj ostane med vami; ne bojte se!
5araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
6Kajti tako pravi GOSPOD nad vojskami: Še enkrat, malo časa še, pa potresem nebo in zemljo in morje in suhoto;
6Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
7in potresem vse poganske narode, in pridejo dragocenosti vseh narodov, in to hišo napolnim s slavo, pravi GOSPOD nad vojskami.
7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
8Moje je srebro in moje je zlato, govori GOSPOD nad vojskami.
8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
9Poslednja slava te hiše bode večja nego prva, pravi GOSPOD nad vojskami; in na tem kraju dam mir, govori GOSPOD nad vojskami.
9Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
10Štiriindvajseti dan devetega meseca v drugem letu Darija je prišla beseda GOSPODOVA proroku Hagaju in je rekel:
10Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe:
11Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Vprašaj vendar duhovnike glede postave in reci:
11Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha maka hevitra amin'ny mpisorona hoe:
12Glej, če kdo nese sveto meso v krilu obleke svoje, pa se dotakne s krilom kruha ali kuhane jedi ali vina ali olja ali kake druge jestvine, postane li to sveto? In duhovniki so odgovorili in rekli: Ne.
12Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
13Še reče Hagaj: Če se kdo, ki se je ognusil z mrtvecem, dotakne vsega tega, bo li ognušeno? In duhovniki odgovore, rekoč: Ognušeno bo.
13Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
14Tedaj odgovori Hagaj in reče: Takšno je to ljudstvo in ves ta narod pred mojim obličjem, govori GOSPOD, in takšno je vse delo njih rok; in kar tam darujejo, je nečisto.
14Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan'ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
15In sedaj, pazite vendar na čas od tega dne in poprej, preden se je kamen na kamen pokladal v templju GOSPODOVEM!
15Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin'ny tempolin'i Jehovah;
16Preden se je to godilo, ko je kdo prišel h kopi žita za dvajset mer, jih je bilo le deset; ko je prišel v tlačilnico, da zajame petdeset veder, jih je bilo le dvajset.
16fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.
17Udaril sem vas s snetjo in strupeno roso in s točo vse delo rok vaših; vendar vas ni bilo k meni, govori GOSPOD.
17Ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin'ny asan'ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
18Pazite vendar na čas od tega dne in poprej, od štiriindvajsetega dne devetega meseca, namreč od dne, ko se je položila podstava templju GOSPODOVEMU, pazite na to!
18Masìna ianareo, hevero ny hatramin'izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin'ny andro fahefatra amby roa-polo amin'ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin'ny andro nanorenana ny tempolin'i Jehovah.
19Ni li seme še v žitnici? Tako tudi trta, smokva, margarana in oljka niso še obrodile; a od tega dne bom blagoslavljal!
19Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo.
20In beseda GOSPODOVA je prišla v drugič Hagaju, štiriindvajseti dan meseca, govoreč:
20Ary tonga fanindroany tamin'i Hagay ny tenin'i Jehovah tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
21Govóri Zerubabelu, deželnemu oblastniku na Judovem, in reci: Jaz potresem nebo in zemljo.
21Lazao amin'i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
22In prevržem prestole kraljestev in uničim moč kraljestvom poganov in prevrnem bojne vozove in nje, ki se na njih peljejo; in konji in njih jezdeci padejo, drug pod mečem drugega.Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, te vzamem, o Zerubabel, sin Sealtielov, služabnika svojega, govori GOSPOD, ter te naredim kakor za pečatni prstan; kajti tebe sem izvolil, govori GOSPOD nad vojskami.
22dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
23Tisti dan, govori GOSPOD nad vojskami, te vzamem, o Zerubabel, sin Sealtielov, služabnika svojega, govori GOSPOD, ter te naredim kakor za pečatni prstan; kajti tebe sem izvolil, govori GOSPOD nad vojskami.
23Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.