Slovenian

Malagasy

Zechariah

1

1Osmi mesec v drugem letu Darija je prišla beseda GOSPODOVA Zahariju, sinu Berekija, sina Idovega, proroku, govoreč:
1[Fitarihan-teny] Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, nanao hoe:
2GOSPOD se je silno srdil nad očeti vašimi.
2Tezitra indrindra tamin'ny razanareo Jehovah.
3Zato jim reci: Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Izpreobrnite se k meni, govori GOSPOD nad vojskami, in obrnem se k vam, pravi GOSPOD nad vojskami.
3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4Ne bodite kakor očetje vaši, ki so jim glasili prejšnji proroki, govoreč: Tako veli GOSPOD nad vojskami: Izpreobrnite se vendar od hudobnih potov in od hudih dejanj svojih! ali niso poslušali in niso pazili name, govori GOSPOD.
4Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin'ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalanareo ratsy ianareo sy amin'ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5Očetje vaši, kje so? in proroki, žive li vekomaj?
5Ny razanareo - aiza moa ireny izao ? Ary ny mpaminany - moa velona mandrakizay va ireny?
6Toda besede in postave moje, ki sem jih zapovedal hlapcem svojim prorokom, niso li zadele očetov vaših? In izpreobrnili so se in rekli: Kakor je GOSPOD nad vojskami namenil nam storiti, po naših potih in po naših dejanjih, tako nam je storil.
6Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7Štiriindvajseti dan enajstega meseca, ki je mesec Šebat, v drugem letu Darija, je prišla beseda GOSPODOVA Zahariju, sinu Berekija, Idovega sina, proroku, in je rekel:
7[Fahitana voalohany: ny amin'ny mpitaingin-tsoavaly eny amin'ny rotra] Tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahiraika ambin'ny folo (volana Sebata izany) tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak'i Berekia, zanak'Ido, ny tenin'i Jehovah nanao,hoe:
8Videl sem po noči, in glej, mož je sedel na rdečem konju in stal med mirtami, ki so rasle v dolini, in za njim so bili konji rdeči, rjavi in beli.
8Nahita tamin'ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin'ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy. [myrta][Na: amin'ny alokaloka]
9In rečem: Gospod moj, kdo so ti? In angel, ki je govoril z menoj, mi reče: Pokažem ti, kdo so ti.
9Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo.
10In odgovori mož, ki je stal med mirtami, in reče: Ti so, ki jih je GOSPOD poslal, da prehodijo zemljo.
10Ary ralehilahy izay nijanona teny amin'ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin'Jehovah hivoivoy eny amin'ny tany. [myrta]
11In odgovore angelu GOSPODOVEMU, ki je stal med mirtami, rekoč: Obhodili smo zemljo, in glej, vsa zemlja je tiha in počiva.
11Ary namaly Ilay Anjelin'i Jehovah nijanona teny amin'ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin'ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.[myrta]
12Tedaj izpregovori angel GOSPODOV in reče: O GOSPOD nad vojskami, doklej se ne usmiliš Jeruzalema in mest Judovih, na katera si se srdil že sedemdeset let?
12Ary Ilay Anjelin'i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon'ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13In GOSPOD je odgovoril angelu, ki je z menoj govoril, dobre besede, tolažilne besede.
13Dia novalian'i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14Angel pa, ki je govoril z menoj, mi reče: Oglási in reci: Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Vnet sem za Jeruzalem in za Sion z veliko gorečnostjo;
14Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an'i Jerosalema sy Ziona Aho.
15in z velikim srdom se srdim nad lahkoživnimi poganskimi narodi; kajti jezil sem se le malo, oni pa so nesrečo pospeševali.
15Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16Zato pravi tako GOSPOD: Obrnil sem se zopet k Jeruzalemu z mnogim usmiljenjem; hiša moja se bo zidala v njem, govori GOSPOD nad vojskami, in merska vrv bo raztegnjena čez Jeruzalem.
16Koa izao no lazain'i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin'ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
17Dalje še oglási in reci: Tako pravi GOSPOD nad vojskami: Mesta moja bodo zopet imela obilost dobrot; in GOSPOD zopet potolaži Sion in zopet izvoli Jeruzalem.
17Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray.
18In povzdignem oči in vidim, in glej: štirje rogovi.
19In rečem angelu, ki je govoril z menoj: Kaj so ti? In mi reče: To so rogovi, ki so razkropili Judo, Izraela in Jeruzalem.
20Potem mi pokaže GOSPOD štiri kovače.In vprašam: Kaj so ti prišli delat? In mi reče: Oni so rogovi, ki so tako razkropili Judo, da ni nihče več vzdignil glave; ti pa so prišli, da one prestrašijo in da odbijejo rogove narodom, ki so povzdignili rog zoper deželo Judovo, da bi jo razmetali.
21In vprašam: Kaj so ti prišli delat? In mi reče: Oni so rogovi, ki so tako razkropili Judo, da ni nihče več vzdignil glave; ti pa so prišli, da one prestrašijo in da odbijejo rogove narodom, ki so povzdignili rog zoper deželo Judovo, da bi jo razmetali.