1Izrael je košata trta, ki je poganjala sadove svoje. Čim obilneje jim je bilo sadu, tem bolj so množili oltarje; čim boljša njih dežela, tem lepše so delali poslikane stebre.
1Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
2Razdeljeno je njih srce, sedaj se bodo pokorili: on razdene njih oltarje, podere njih podobe.
2Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
3Res, sedaj poreko: Nimamo kralja; kajti GOSPODA se nismo bali, in kralj – kaj bo ta nam pomagal?
3Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4Govore prazne besede, prisegajo lažnivo, sklepajo zaveze: zato bo sodba poganjala kakor strupeno zelišče po brazdah na njivi.
4Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
5Prebivalci v Samariji bodo trepetali zavoljo teleta v Betavenu; da, ljudstvo njegovo bo nad njim žalovalo in njegovi mališki duhovniki se bodo zanje tresli, zavoljo slave njegove, ker je šla od njega;
5Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6tudi ono samo prineso v Asirijo v darilo kralju Jarebu. Sram prevzame Efraima in Izrael bo osramočen zavoljo sklepa svojega.
6[Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
7Samarija izgine in njen kralj kakor trska na površju vode.
7Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
8In pokončane bodo višave v Avenu, greh Izraelov; trnje in osat bosta zrasla na njih oltarjih. In poreko goram: Pokrijte nas! in hribom: Padite na nas!
8Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
9Od tistih dni v Gibei si grešil, o Izrael: tam so obstali. Ne zadene li jih v Gibei boj zoper sinove hudobnosti?
9Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10Kakor me bode volja, jih bom strahoval; in ljudstva se zbero zoper nje, kadar jih privežem k njih dvojni pregrehi.
10Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11In Efraim je izučena junica, ki rada vrši žito; jaz ji pa stopim na lepi vrat: Efraimu dam jezdeca, Juda bo oral, Jakob vlačil.
11Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
12Sejte si za pravičnost, ženjite po usmiljenju, preoravajte si novino: kajti čas je, da iščete GOSPODA, dokler ne pride in vam bo dežil pravičnost.
12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.[Na: Miasà tany vaovao ho anareo][Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
13Orali ste krivičnost, pregreho ste želi, sad laži ste jedli; kajti zanašal si se na pota svoja, na množico junakov svojih.
13Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
14Zato nastane bojni hrup med ljudstvi tvojimi, in vse trdnjave tvoje bodo razvaljene, kakor je Salman razdejal Betarbelo v dan boja; mati z otroki vred je bila raztrupana.To vam napravi Betel zavoljo prevelike hudobnosti vaše; ob jutranjem svitu bo docela pokončan kralj Izraelov.
14Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
15To vam napravi Betel zavoljo prevelike hudobnosti vaše; ob jutranjem svitu bo docela pokončan kralj Izraelov.
15Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]