1Ne raduj se, o Izrael, da bi poskakoval kakor ljudstva; kajti nečistoval si, ko si se izneveril Bogu svojemu, ljubil si ljubovniško plačilo na vseh gumnih.
1Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2Gumno in tlačilnica jim ne dasta živeža in mošta jim bo zmanjkalo.
2Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3Ne bodo prebivali v deželi GOSPODOVI, temuč Efraim se povrne v Egipt, in nečiste jedi bodo jedli v Asiriji.
3Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4Ne bodo GOSPODU darovali vina in njih klalne daritve mu ne bodo prijetne, bodo jim kakor kruh žalujočih; vsi, ki bodo od njih jedli, se onečistijo, kajti njih jed je zanje same, ne pride v hišo GOSPODOVO.
4Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
5Kaj boste počeli v dan prazničnega zbora in v dan praznika GOSPODOVEGA?
5Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?
6Kajti glej, ko se preselijo zaradi razdejanja, jih zbere Egipt, Memf jih pokoplje; njih srebrne dragotine si prilasti kopriva, trnje bode v njih šatorih.
6Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']
7Prišli so dnevi obiskovanja, prišli so dnevi povračila; Izrael bo zvedel. Prorok je blazen, človek, ki ima duha, je zmešane pameti, zato ker je obila krivica tvoja in sovražnost tvoja velika.
7Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
8Efraim gleda po razodetju zraven mojega Boga; na vseh prorokovih potih je ptičarjeva zanka, sovraštvo v hiši Boga njegovega.
8Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]
9Globoko so se popačili kakor v času Gibee. Bog se spomni njih krivice, kaznoval bo njih grehe.
9Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
10Našel sem Izraela kakor grozdje v puščavi; videl sem očete vaše kakor prvino smokovega drevesa v zgodnji dobi njegovi. Oni pa so šli v Baal-peor in se posvetili sramoti in so postali gnusobni kakor tisti, katerega so ljubili.
10Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
11Efraimova slava odleti kakor ptica. Ne bo poroda, ne noseče, ne spočetja;
11Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.
12in ko bi tudi zredili sinove svoje, storim vendar, da bodo brez otrok, da ne ostane moža; kajti gorje jim, kadar odstopim od njih!
12Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy!
13Efraim je, kakor vidim, zasajen kakor Tir na lepem kraju; toda Efraim mora peljati otroke svoje ven k ubijalcu.
13Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
14Daj jim, o GOSPOD – kaj jim hočeš dati? – daj jim nerodovitna telesa in suhe prsi!
14Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.[Na: momba]
15Vsa njih hudobnost izvira v Gilgalu, tako da sem jih tam zasovražil. Zavoljo hudobnosti njih dejanj jih preženem iz hiše svoje; ne bom jih več ljubil; vsi njih poglavarji so odpadniki.
15Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16Efraim je udarjen: njih korenina se je posušila, sadu ne obrodé več; celo ko bi rodili, usmrtim ljubčke njih telesa.Bog moj jih zavrže, ker ga niso poslušali; in klatili se bodo med narodi.
16Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
17Bog moj jih zavrže, ker ga niso poslušali; in klatili se bodo med narodi.
17Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.