Slovenian

Malagasy

Isaiah

1

1Prikazen Izaiju, sinu Amozovemu, ki jo je videl za Judo in za Jeruzalem v dneh Uzija, Jotama, Ahaza in Ezekija, kraljev Judovih.
1Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
2Čujte, o nebesa, in poslušaj, o zemlja, kajti GOSPOD je govoril: Otroke sem vzredil in povišal, oni pa so se uprli zoper mene.
2[Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
3Vol pozna gospodarja svojega in osel gospoda svojega jasli, ali Izrael ne pozna, ljudstvo moje ne ume.
3Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
4Gorje grešnemu narodu, ljudstvu obloženemu s krivdo, zarodu hudodelnikov, otrokom, ki popačeno ravnajo! Zapustili so GOSPODA, zavrgli so Svetnika Izraelovega, odvrnili so se od njega.
4Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
5Čemu naj bi vas še tepel, ko le bolj in bolj odpadate! Vsa glava je bolna in vse srce medlo.
5Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
6Od stopala do temena ni nič zdravega na njem: zgolj rane in proge in vedno novi tvori, ki jih ne iztiskajo in ne obvezujejo in ne mečé z oljem.
6Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
7Dežela vaša je pusta, mesta vaša so požgana z ognjem; zemlja vaša – tujci jo požirajo vpričo vas, in opustošena je že tako, kakor da so jo razdejali tujci.
7Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena]
8In hči sionska je ostala zapuščena kakor koča v vinogradu, kakor hišica na kumarišču, kakor oblegano mesto.
8Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
9Ko bi nam ne bil GOSPOD nad vojskami ostavil ostanka, čeprav majhnega, bi bili kakor Sodoma, bi bili podobni Gomori.
9Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
10Čujte besedo GOSPODOVO, vodniki sodomski, poslušajte Boga našega postavo, ljudstvo gomorsko!
10Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
11Čemu mi daritev vaših množina? pravi GOSPOD; sit sem žgalnih daritev ovnov in masti pitane živine ter krvi juncev in jagnjet in kozlov se ne veselim.
11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
12Ko prihajate, da se prikažete pred obličjem mojim – kdo je zahteval to od roke vaše, da teptate veže moje?
12Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
13Ne prinašajte več daril ničevih! Kadilo mi je gnusoba; ob mlaju in v soboto in kadar sklicujete zbor, ne morem prenašati krivice in hkrati prazničnega zborovanja.
13Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
14Mlaje vaše in praznike vaše sovraži duša moja, zoprni so mi, težko jih prenašam.
14Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
15In ko iztezate roke svoje, skrivam oči svoje pred vami; ko tudi mnogo molite, ne slišim: roke vaše so polne krvi.
15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
16Umijte se, očistite se, odpravite hudobnost dejanj svojih izpred mojih oči, nehajte delati hudo;
16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
17učite se delati dobro, iščite pravice, tlačenemu pomagajte, pravico sodite siroti, potezajte se za vdovo!
17Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
18Pridite vendar, in razložimo si pravdo svojo, pravi GOSPOD. Ako so grehi vaši kakor škrlat, bodo beli kakor sneg; ako so rdeči kakor karmezin, bodo beli kakor volna.
18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
19Če ugodite in boste poslušali, boste uživali dobrote dežele.
19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
20Ako pa se boste branili in se upirali, bodete pokončani z mečem; zakaj usta GOSPODOVA so govorila.
20Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
21O kako se je v nečistnico izprevrglo mesto zvesto! Polno je bilo pravice, pravičnost je stanovala v njem, a sedaj morilci!
21Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
22Srebro tvoje se je izpremenilo v žlindro, žlahtno vino tvoje je z vodo zmešano.
22Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
23Knezi tvoji so uporniki in tovariši tatov; vsak izmed njih ljubi darila in hodi za podkupili, siroti ne sodijo pravice in vdove pravda ne prihaja do njih.
23Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
24Zato pravi Gospod, Jehova nad vojskami, Mogočni Izraelov: Aha, tolažbe si dobodem pri svojih nasprotnikih in maščeval se bom nad svojimi sovražniki.
24Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
25In iztegnem roko svojo proti tebi, da dočista izžgem žlindro tvojo in odpravim vso primes kovine tvoje.
25Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
26In zopet postavim sodnike tvoje, kakor so bili prej, in svetovalce tvoje kakor v začetku. Potem te bodo imenovali Mesto pravičnosti, zvesto mesto.
26Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
27Sion bo odkupljen s sodbo in njegovi, ki se vrnejo, s pravičnostjo.
27Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
28Ali odpadniki in grešniki bodo vsi hkrati strti, in kateri zapuste GOSPODA, poginejo.
28Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
29Zakaj osramočeni bodo spričo malikovalskih hrastov, ki ste jih želeli, in rdečica vas oblije zaradi vrtov, ki ste jih izvolili.
29Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
30Kajti podobni bodete hrastu, ki mu vene listje, in podobni vrtu, ki nima nič vode.In najhrabrejši bode kakor predivo in delo njegovo kakor iskra, in oboje bo gorelo skupaj, in ne bode nikogar, ki bi pogasil.
30Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
31In najhrabrejši bode kakor predivo in delo njegovo kakor iskra, in oboje bo gorelo skupaj, in ne bode nikogar, ki bi pogasil.
31Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.