Slovenian

Malagasy

Isaiah

2

1Beseda, ki jo je v prikazni slišal za Judo in Jeruzalem Izaija, sin Amozov.
1[Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
2In zgodi se v poslednjih dneh, da bo gora hiše GOSPODOVE trdno postavljena na vrhu drugih gorá in povišana nad hribe, in vsi narodi se bodo stekali k njej.
2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
3In mnoga ljudstva pojdejo, govoreč: Pridite, da gremo na goro GOSPODOVO, v hišo Boga Jakobovega, da bi nas učil o potih svojih in da bomo hodili po stezah njegovih! Zakaj s Siona izide nauk in beseda GOSPODOVA iz Jeruzalema;
3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
4in on bo sodil med narodi in pravico izvršil mnogim ljudstvom. In pokujejo meče svoje v lemeže in sulice svoje v srpe; narod ne dvigne meča nad narod, in več se ne bodo učili bojevati.
4Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
5O hiša Jakobova, pridite in hodimo v svetlobi GOSPODOVI!
5Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
6Kajti zavrgel si, Bog, ljudstvo svoje, hišo Jakobovo, ker so polni razvad z Jutrovega in so vedeži kakor Filistejci in se družijo z otroki tujcev.
6Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
7In njih dežela je polna srebra in zlata in njih zakladom ni konca; polna je tudi njih dežela konj in njih vozom ni konca.
7Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
8Polna je tudi njih dežela malikov; klanjajo se rok svojih delu, temu, kar so njih prstje storili.
8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
9A pripognjen bo človek prostak in ponižan bo mož odličnjak, ker jim ne moreš prizanesti.
9Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
10Zlezi v pečino ter skrij se v prahu izpred groze GOSPODOVE in izpred slave veličastva njegovega!
10Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
11Ponižan bo človek prevzetnih oči in visokost človeška se potlači, in povišan bo GOSPOD sam tisti dan.
11Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
12Kajti GOSPOD nad vojskami ima določen dan proti vsemu, kar je prevzetno in visoko, in proti vsakemu, ki se povišuje, da se poniža;
12Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
13in proti vsem cedram na Libanonu, visokim in ponosnim, in proti vsem hrastom v Basanu
13Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
14in proti vsem visokim goram in proti vsem vzvišenim gričem
14Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
15in proti vsakemu visokemu stolpu in proti vsakemu trdnemu zidu
15Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
16in proti vsem ladjam tarsiškim in proti vsem podobam najmilejšim.
16Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
17Tedaj se potlači prevzetnost človeška in vzvišenost ljudi se poniža, in povišan bo GOSPOD sam tisti dan.
17Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
18In maliki izginejo dočista.
18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
19In pojdejo v skalne brloge in v razpoke zemlje izpred groze GOSPODOVE in izpred slave veličastva njegovega, kadar se vzdigne, da ostraši zemljo.
19Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
20Tisti dan vrže človek krtom in netopirjem malike svoje srebrne in zlate malike svoje, ki so mu jih naredili, da se jim poklanja,
20Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
21da bi zlezel v votline pečin in v skalne razpoke izpred groze GOSPODOVE in izpred slave veličastva njegovega, ko se vzdigne, da ostraši zemljo.Opustite up v človeka, ki mu je dihanje v nosu! kajti koliko ga je ceniti?
21Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
22Opustite up v človeka, ki mu je dihanje v nosu! kajti koliko ga je ceniti?
22Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?