1Kajti glej, Gospod, Jehova nad vojskami, vzame iz Jeruzalema in od Jude oporo in podporo, vso podporo kruha in vso podporo vode,
1Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
2junaka in vojščaka, sodnika in proroka, vedeža in starca,
2Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
3petdesetnika in veljaka, svetovalca in spretnega umetnika in izvedenca v čarovništvu.
3Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
4In dati jim hočem dečke za kneze, in razposajenci jim bodo gospodovali.
4Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
5In zatirali se bodo v ljudstvu med seboj, vsak svojega bližnjega; prešerno se bo vedel deček proti starcu in nizki proti imenitnemu.
5Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
6Ako zgrabi brat brata v svojega očeta hiši, rekoč: Obleko imaš, vodnik nam bodi in ta razsip bodi pod tvojo roko!
6Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
7zažene on svoj glas tisti dan in poreče: Ne morem biti ranocelnik, zakaj še kruha ni v hiši moji, ne obleke; nikar me ne stavite za vodnika ljudstvu!
7Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
8Kajti Jeruzalem je porušen in Juda je padel, ker njih jezik in njih dejanja so zoper GOSPODA, da dražijo oči slave njegove.
8Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
9Pogled njih obraza priča zoper nje, in greh svoj razglašajo kakor Sodomljani, ga ne skrivajo. Gorje njih duši, ker pripravljajo hudo sami sebi.
9Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
10Recite o pravičnem, da mu bode dobro; kajti uživali bodo dejanja svojega sad.
10Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
11Gorje krivičnemu! hudo mu bode, ker se mu povrne, kar so zaslužile roke njegove.
11Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
12Oni, ki tlačijo ljudstvo moje, so otroci, in ženske mu gospodujejo. O ljudstvo moje! oni, ki te vodijo, te zapeljujejo ter v zmešnjavo spravljajo stezo potov tvojih.
12Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
13GOSPOD je nastopil, da začne pravdo, stoji, da sodi ljudstva.
13Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
14GOSPOD se bliža, da bo sodil ljudstva svojega starejšine in kneze njegove: Vi ste, ki ste popasli ta vinograd, rop siromakov je v hišah vaših.
14Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
15Zakaj tarete ljudstvo moje ter razbijate siromakom obličje? govori Gospod, Jehova nad vojskami.
15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
16Še pravi GOSPOD: Ker so hčere sionske prevzetne ter hodijo z napetim grlom in drzno migajoč z očmi in vedno stopajo z drobnimi stopinjami in rožljajo z obročki na nogah:
16Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
17zato udari Gospod hčere sionske s plešo na temenu, in GOSPOD ogolí njih sramoto.
17Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
18Tisti dan jim pobere Gospod lepotino obročkov na nogah in načelke in lunice,
18Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
19ušesne zvončke, zapestne verižice, zastore,
19Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
20oglavnice, drobilke na nogah, pasove, vonjalnice, amulete,
20Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
21prstane in nosne obročke,
21Na ny peratra, na ny kavin'orona,
22praznična oblačila in plašče, ogrinjače in mošnje,
22Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
23ogledala, tenčice, turbane in lahka krila.
23Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
24In zgodi se, da bode namesto dišave smrad po plesnobi in namesto pasa vrv in namesto spletenih las pleša in namesto dičnega plašča raševnik, opeklina namesto lepote.
24Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
25Možje tvoji padejo od meča in junaki tvoji v vojski.In vrata hčere sionske bodo žalovala in plakala, ko bo opustošena sedela na tleh.
25Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
26In vrata hčere sionske bodo žalovala in plakala, ko bo opustošena sedela na tleh.
26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,