1In sedem žen zgrabi enega moža tisti dan, govoreč: Jed svojo bomo jedle in v obleko svojo se oblačile, samo da se imenujemo po tvojem imenu; odvzemi nam sramoto!
1Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso
2Tisti dan bode Odraslek GOSPODOV v diko in slavo in sad zemlje v odliko in hvalo njim, ki se ohranijo Izraelu.
2Amin'izany andro izany ny rantsan'i Jehovah dia ho tonga fahatsaran-tarehy sy voninahitra, Ary ny vokatry ny tany dia ho rehareha sy firavaka ho an'ny Isiraely sisa afaka; [Na: solofon']
3In zgodi se: Kdor preostane na Sionu in kdor preostane v Jeruzalemu, ga bodo svetega imenovali, vsakega, ki je za življenje zapisan v Jeruzalemu;
3Ary izay sisa any Ziona sy izay mbola mitoetra any Jerosalema dia hatao hoe masina. Dia izay rehetra voasoratra ho isan'ny velona any Jerosalema.
4ko bo Gospod opral nesnago hčer sionskih in kri, v Jeruzalemu prelito, poplaknil izsredi njega z duhom sodbe in z duhom pokončanja.
4Rehefa voasasan'ny Tompo ho afaka amin'ny fahalotoany ireo zanakavavin'i Ziona, Ary rehefa voadion'ny fanahy fitsarana,sy ny fanahy fandringanana Jerosalema, Ho afaka amin'ny ran'olona nalatsany.
5In GOSPOD ustvari nad vsakim prebivališčem gore Sionske in nad zbori njenimi oblak in dim po dnevi in svit plamtečega ognja po noči; zakaj nad vso slavo bo okrilje.In koča bode za senčnico proti vročini po dnevi in za pribežališče in zavetje pred viharjem in pred dežjem.
5Ary Jehovah hamorona rahona sy setroka raha antoandro Sy fahazavan'ny afo midedadeda nony alina Ho eny ambonin'ny fitoerana rehetra any an-tendrombohitra Ziona Sy ho eny ambonin'ny fivoriany rehetra; Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloeloKa hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.
6In koča bode za senčnico proti vročini po dnevi in za pribežališče in zavetje pred viharjem in pred dežjem.
6Ka hisy trano-lay ho fialokalofana amin'ny hainandro raha antoandro Ary ho fialofana sy fierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.