1Daj, da zapojem o ljubljencu svojem, ljubega svojega pesem o vinogradu njegovem: Vinograd je imel ljubljenec moj na griču prerodovitnem.
1[Ny amin'ny Isiraely. tanim-boalobok'i Jehovah, sy ny hanjo azy] Aoka aho hihira ny amin'ny Malalako, dia hiran'ny Malalako ny amin'ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;[Na: ho an']
2Prekopal ga je in mu potrebil kamenje in ga posadil s plemenitimi trtami; in sezidal je stolp sredi njega in tudi tlačilnico je izdolbel v njem. In je čakal, da obrodi grozdje, toda rodil je viniko.
2Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy.
3Sedaj pa, prebivalci jeruzalemski in možje Judovi, sodite vendar med menoj in vinogradom mojim!
3Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin'ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko.
4Kaj bi se še storilo vinogradu mojemu, česar bi ne bil že storil v njem? Zakaj, ko sem čakal, da obrodi grozdje, je rodil viniko?
4Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
5Sedaj torej naj vam naznanim, kaj bom storil vinogradu svojemu: ograjo njegovo odpravim, da se bo paslo po njem, obzidje mu razvalim, da bodo teptali po njem.
5Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy;
6Dam ga v opustošenje: ne bo se obrezaval ne okopaval, a grmovje požene v njem in trnje, vrhutega zapovem oblakom, naj ne izpuščajo dežja nanj.
6Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]
7Vinograd GOSPODA nad vojskami je namreč hiša Izraelova in možje Judovi so rastlina radosti njegove. In ko je čakal pravoljubja, glej krvoprelitje, pravičnosti, a glej tožno vpitje!
7Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]
8Gorje vam, ki stikate hišo s hišo, ki devate njivo k njivi, da ni več prostora za druge, in vi sami prebivate sredi dežele!
8Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
9Meni na ušesa je rekel GOSPOD nad vojskami: Res, mnoge hiše bodo opustošene, velike in lepe, da ne bode prebivalca.
9Izao no ren'ny sofiko avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.
10Zakaj deset oral vinogradov bo dalo le eno vedro in homer [Homer ima deset ef.] semena bo dal efo.
10Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran'ny homera.[Zemeda dia anaram-pandrefesana, tokony ho antsasaky ny akera]
11Gorje jim, ki vstajajo rano zjutraj, da hodijo za pijačo opojno, ki sede pozno v noč, da jih vname vino!
11Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!
12Pri njih pojedinah so strune in harfe, bobnice in piščal in vino; ali dela GOSPODOVEGA ne gledajo in stvaritve rok njegovih ne premišljajo!
12Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
13Zato pojde ljudstvo moje v sužnost, ker nima spoznanja; in imenitniki njegovi bodo stradali in množica njegova bode suha od žeje.
13Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
14Zato poveča pekel [Hebr. šeol.] pohlepnost svojo in razširi žrelo svoje brezmerno, in vanj pade Jeruzalemcev dika in njih množica s hrupom svojim in kdor se raduje med njimi.
14Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[He. Sheola][Heb. azy]
15In pripognjen bo človek prostak in ponižan mož odličnjak in oči prevzetnih se ponižajo.
15Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
16A povišan bo GOSPOD nad vojskami po sodbi, in Bog mogočni, Sveti, se izkaže svetega v pravičnosti. –
16Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17In ovce se bodo ondi pasle kakor na pašniku svojem in tujci se bodo živili na opustošenih njivah bogatinov.
17Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
18Gorje jim, ki vlečejo za seboj krivico z vrvmi ničemurnosti, greh pa kakor z debelo žrdjo!
18Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
19ki govore: Hiti naj, pospeši naj delo svoje, da bomo videli; in približa se naj in pride, kar je sklenil Svetnik Izraelov, da to spoznamo!
19Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
20Gorje jim, ki pravijo hudemu dobro in dobremu hudo, ki imajo temo za luč in luč za temo, ki delajo grenko za sladko in sladko za grenko!
20Lozan'izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy!
21Gorje jim, ki so modri v svojih očeh in razumni sami pri sebi!
21Lozan'izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina!
22Gorje jim, ki so junaki v pitju vina in vrli v mešanju pijače opojne;
22Lozan'izay fatratra nefa amin'ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin'ny fampiharoharoana toaka ihany! [Heb. mahery]
23ki opravičujejo krivičnega zaradi daru in pravičnim jemljejo njih pravico!
23Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin'ny marina!
24Zato kakor pokončuje strnišče ognja jezik in kakor gine suha trava od plamena, tako postane njih korenina kakor trhljad in njih cvet sprhne kakor prašek: ker so zaničevali postavo GOSPODA nad vojskami in zavrgli besedo Svetnika Izraelovega.
24Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
25Zato se je vnel srd GOSPODOV zoper ljudstvo njegovo, in je iztegnil roko svojo in ga udaril tako, da so se potresle gore, in njih trupla so bila kakor smetje po ulicah. Pri vsem tem se ne odvrne jeza Njegova, še je roka Njegova iztegnjena.
25Koa izany no irehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin'ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
26In povzdigne zastavo narodom iz daljave in jih sikajoč pokliče k sebi od kraja zemlje, in glej, hitro, urno pridejo.
26Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo; [Heb. mahery]
27Nobeden ne bo pešal in nobeden se zadeval med njimi, nobeden ne bo dremal, ne spal, tudi se ne bo razvezaval pas ledja njegovega in ne bo se trgalo jermenje obuvala njegovega.
27Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany,
28Njih pšice bodo preostre in vsi njih loki napeti; njih konj kopita bodo podobna skali in njih kolesa podobna vrtincu.
28Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio;
29Njih rjovenje bo kakor levinje, rjoveli bodo kakor mladi levi; in rohneč bodo zgrabili plen in ga odnesli na varno, in nihče jim ga ne iztrga.In rohneli bodo nad Judo tisti dan, kakor ko besni morje; in če kdo pogleda na zemljo, glej, tema in stiska, in svetloba je otemnela vsled oblakov njenih.
29Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
30In rohneli bodo nad Judo tisti dan, kakor ko besni morje; in če kdo pogleda na zemljo, glej, tema in stiska, in svetloba je otemnela vsled oblakov njenih.
30Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.