Slovenian

Malagasy

Isaiah

28

1Gorje kroni napuha pijancev v Efraimu in venočemu cvetju slavne dike njegove, ki biva na vrhu rodovitne doline njih, ki so ubiti od vina.
1[Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.[Heb. matavy]
2Glej, krepak in močan od Gospoda pride, podoben viharju s točo, vrtincu pogubnemu; podoben povodnji močnih vodá deročih, bo podiral na tla s silo.
2Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
3Krona napuha pijancev v Efraimu bo z nogami poteptana;
3Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
4in venočemu cvetju slavne dike, ki biva na vrhu rodovitne doline, se bo godilo kakor zgodnji smokvi pred poletjem: komaj jo dobi v roke, kdor jo zagleda, jo precej pogoltne.
4Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
5Tisti dan bode GOSPOD nad vojskami za krono slave in za venec dike ostanku ljudstva svojega
5Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
6in za duha pravice njemu, ki bo vodil sodbo, in za junaško moč njim, ki potiskajo boj nazaj do vrat.
6Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
7A tudi ti tavajo od vina in od pijače opojne blodijo: duhovnik in prorok tavata od pijače opojne, vino ju utaplja, blodita vsled pijače opojne; tavajo, ko vidijo prikazen, omahujejo, ko vrše sodbo.
7Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
8Kajti vse mize so polne izbljuvkov in nesnage, mesta čistega ni več.
8Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
9Koga naj bi učil znanja? in komu naj bi podajal poročilo, da ga umeje? Odstavljenim od mleka, odtrganim od prsi?
9Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
10Kajti zapoved je na zapoved, zapoved na zapoved, ukaz na ukaz, ukaz na ukaz, nekoliko tu, nekoliko tam! –
10Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
11Da, po ljudstvu brbljavih usten in tujega jezika bo govoril temu ljudstvu,
11Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,
12on, ki jim je rekel: To je pravi pokoj, pokoja dajte trudnemu; in to je odpočitek! A niso hoteli poslušati.
12Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
13Zato jim bode beseda GOSPODOVA „zapoved na zapoved, zapoved na zapoved, ukaz na ukaz, ukaz na ukaz, nekoliko tu, nekoliko tam“, da gredo dalje ter padejo vznak in se polomijo, se zapleto in ujamejo v mrežo.
13Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
14Zato čujte besedo GOSPODOVO, možje posmehovalci, gospodarji tega ljudstva, ki je v Jeruzalemu:
14Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
15Ker pravite: Sklenili smo zavezo s smrtjo in s peklom smo storili pogodbo; ko pojde bič povodnji mimo, ne zadene nas, zakaj storili smo laž za zavetje svoje in zvijača nam je skrivališče.
15Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][Heb. kotopia]
16Zatorej pravi tako Gospod Jehova: Glej, za podstavo sem jaz položil na Sionu kamen, kamen izkušen, dragocen vogelnik, za temelj najtrdnejši; kdor veruje, se ne prenagli.
16Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
17In pravo sodbo storim za pravilo in pravičnost za tehtnico; in toča iztrebi zavetje laži in vode poplavijo njih skrivališče.
17Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
18Tedaj se ovrže zaveza vaša s smrtjo in pogodba vaša s peklom ne ostane; ko pojde bič povodnji mimo, tedaj vas pogazi.
18Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[Heb. Sheola][Heb. kotopia]
19Kadar pojde mimo, vas prestreže; kajti vsako jutro pojde mimo, po noči in po dnevi; in samo groza vas bode, ko le začujete poročilo.
19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
20Kajti prekratka je postelja, da bi se iztegnil, in odeja preozka, da bi se zavil.
20Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
21Kajti kakor na gori Perazimski vstane GOSPOD, razsrdi se kakor v dolini ob Gibeonu, da opravi dejanje svoje – čudno je dejanje njegovo, in da izvrši delo svoje – neobičajno je delo njegovo.
21Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
22Sedaj torej se ne posmehujte, da se ne utrdijo vezi vaše; zakaj čul sem od Gospoda, Jehove nad vojskami, da je pokončanje trdno določeno nad vso zemljo.
22Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
23Nagnite ušesa in čujte glas moj, poslušajte in čujte govor moj!
23Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
24Ali neprestano orje oratar za setev? brazdi li in vlači vedno zemljo svojo?
24Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
25Ni li tako? Ko je poravnal površje njeno, seje koper ali trosi kumino ali deva vanjo po vrsti pšenico in ječmen na obtaknjeno leho in pirjevico na obmejek njen.
25Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]
26Tako ga poučuje Bog njegov, da prav ravna, in ga uči.
26Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]
27Kajti kopra ne mlatijo z mlatilnico, tudi po kumini ne vlačijo voznega kolesa, temuč s palico otepajo koper in s šibo kumino.
27Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.
28Drobi se li krušno žito? Ne, ne bo ga neprenehoma trl; ko žene kolesa voza svojega in konje svoje čeznje, ga ne razdrobi.Tudi to prihaja od GOSPODA nad vojskami, ki je čudovit v svetu, velik v razumnosti.
28Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
29Tudi to prihaja od GOSPODA nad vojskami, ki je čudovit v svetu, velik v razumnosti.
29Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.