Slovenian

Malagasy

Isaiah

29

1Gorje Arielu [T. j. Božji lev, ali: ognjišče Božje.], Arielu, mestu, v katerem si je David napravil stanišče! Pridenite leto k letu, vrsté naj se zaporedoma prazniki –
1[Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][Heb. nitobian']
2vendar pripravim v stisko Ariela in bo v njem žalovanje in javkanje. In bode mi pravi Ariel.
2Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
3In napravim ostrog okoliinokoli zoper tebe in te tesno obkrožim z vojnimi stražami in naredim nasipe proti tebi.
3Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
4Tedaj boš ponižan govoril na tleh in iz prahu bo zamolklo šumel govor tvoj, in glas tvoj bode kakor kakega duha iz zemlje, iz prahu bo šepetal govor tvoj.
4Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
5In kakor droben prah bode sovražnikov tvojih množica in kakor pleva mimo leteča silnikov množica, in zgodi se naglo, v trenotku.
5Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
6Od GOSPODA nad vojskami pride obiskovanje z gromom in potresom in ropotom močnim, z vrtincem in nevihto in s plamenom požrešnega ognja.
6Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
7In kakor sanje, prikazen ponočna, bode množica vseh tistih narodov, ki se vojskujejo zoper Ariela, in izginejo vsi, ki se bojujejo zoper njega in grad njegov ter ga stiskajo.
7Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
8Bode, pravim, kakor ko se lačnemu sanja, in glej, jé, ko se pa prebudi, je prazna duša njegova; ali kakor ko se sanja žejnemu, in glej, pije, ko se pa zbudi, glej, truden je in duša njegova čuti poželenje: tako bode množica vseh tistih narodov, ki se vojskujejo zoper goro Sionsko.
8Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
9Osupnite in strmíte, zaslepite se in oslepite! Pijani so, ali ne od vina, opotekajo se, a ne od pijače opojne.
9Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
10Kajti oblil vas je GOSPOD z duhom trdnega spanja in je zatisnil oči vaše, proroke, in pokril glave vaše, vidce.
10Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
11Zato vam je vsaka prikazen podobna besedam zapečatenega pisma, katero dado branju veščemu človeku, rekoč: Beri, prosim, to! On pa reče: Ne morem, ker je zapečateno.
11Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
12In dado pismo neveščemu branju, veleč: Beri, prosim, to! pa reče: Brati ne znam.
12Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
13In Gospod je rekel: Zato ker se mi bliža to ljudstvo in me časti z usti in z ustnami, srce pa obrača daleč od mene, in ker je njih strah do mene le zapoved človeška, kakor so se je naučili:
13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
14glej, zato bom še dalje čudno ravnal s tem ljudstvom, čudno in čudovito; in modrost modrijanov njegovih mine in razumnost razumnikov njegovih se skrije.
14Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
15Gorje jim, ki se zagrebajo globoko, da skrijejo svoje naklepe pred GOSPODOM, in katerih dela se vrše v temi in govore: Kdo nas vidi? in kdo nas pozna?
15Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
16O vi popačenci! Lončar naj se šteje ilovici za enakega? da bi reklo delo za mojstra svojega: Ni me naredil! in tvorina za svojega tvorilca: Nima razuma!
16Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
17Ni li še malo časa, le prav malo, in izpremeni se Libanon v rodovitno njivo, in rodovitna njiva se bo štela za gozd?
17Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
18In tisti dan bodo glušci slišali besede pisma, in iz mraka in teme bodo videle slepcev oči.
18Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
19In krotki bodo pomnožili veselje svoje v GOSPODU, in ubožni med ljudmi se bodo radovali v Svetniku Izraelovem.
19Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
20Kajti konec bode silovitniku in zasmehovalec izgine, in iztrebljeni bodo vsi, ki se potegujejo za krivico,
20Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
21ki obsojajo človeka zaradi besede in stavijo zanko njemu, ki med vrati pravdo prisoja, in ki brez vzroka izpodrivajo pravičnega.
21Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
22Zato pravi tako GOSPOD, ki je odrešil Abrahama, za hišo Jakobovo: Odslej ne bo več osramočen Jakob in obličje njegovo odslej ne obledi;
22Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
23temuč ko bo videl, namreč otroci njegovi, rok mojih delo sredi sebe, bodo posvečevali ime moje, da, posvečevali bodo Svetnika Jakobovega in se bali Boga Izraelovega.In kateri so se v duhu motili, zadobe razsodnost, in godrnjači bodo dovzetni za nauk.
23Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
24In kateri so se v duhu motili, zadobe razsodnost, in godrnjači bodo dovzetni za nauk.
24Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.