Slovenian

Malagasy

Isaiah

36

1In zgodilo se je v štirinajstem letu kralja Ezekija, da je šel Senaherib, kralj asirski, gori zoper vsa utrjena mesta Judova in se jih polastil.
1[Ny nanafihan'i Sankeriba an'i Joda, sy ny teny nampitondrainy ho any amin'i Hezekia, ary ny fitarainan'i Hezekia sy ny teny nasain'Andriamanitra nolazain'Isaia taminy] Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2Pošlje pa kralj asirski Rabsaka iz Lahisa v Jeruzalem proti kralju Ezekiju z mnogoštevilno vojsko. Ta se ustavi pri vodovodu gornjega ribnika ob poti valjalčeve njive.
2Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
3Tedaj pride ven k njemu Eljakim, sin Hilkijev, ki je bil nad dvorcem, in pisar Sebna in Joah, sin Asafov, letopisec.
3Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
4Njim reče Rabsak: Povejte vendar Ezekiju: Tako pravi kralj veliki, kralj asirski: Kakšno upanje je to, na katero se zanašaš?
4Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
5Pravim ti: Tvoj svet in moč za vojskovanje je le prazna beseda. Na koga se torej zanašaš, da si se mi uprl?
5Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
6Glej, zanašaš se na palico iz zlomljenega trsta, na Egipt; katera se mu, ko se kdo nasloni nanjo, zadere v dlan in jo prebode. Tako je Faraon, kralj egiptovski, vsem, ki stavijo upanje vanj.
6Indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona io, dia manindrona ny tànany miboroaka; eny, tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy.
7Ako mi pa porečeš: V GOSPODA, Boga svojega, upamo! ali ni on tisti, čigar višave in oltarje je odpravil Ezekija in je velel Judi in Jeruzalemu: Pred tem oltarjem molite!
7Fa raha hoy ianao amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman'alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan'ity alitara ity no hiankohofanareo?
8A sedaj, naredi vendar stavo z gospodom mojim, kraljem asirskim, in dam ti dvakrat tisoč konj, ako boš imel jezdecev, da jih posadiš nanje.
8Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
9Kako bi torej mogel zapoditi le enega voditelja najmanjših hlapcev gospoda mojega? Ali ti se zanašaš na Egipt zaradi voz in konjikov!
9Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza, nefa matoky an'i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?
10Sem li mar sedaj brez GOSPODA prišel gori zoper to deželo, da jo pogubim? GOSPOD mi je velel: Idi gori v tisto deželo ter pogubi jo!
10Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara ho amin'izany tany izany, ka ravao izy.
11Tedaj reko Eljakim in Sebna in Joah Rabsaku: Govóri, prosim, hlapcem svojim po sirsko, saj razumemo, in ne govori nam po judovsko, ker sliši ljudstvo, ki je na zidovju.
11Dia hoy Eliakima sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy amin'ny mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny manda. [Heb. Aramiana]
12Ali Rabsak reče: Me je li h gospodu tvojemu in k tebi poslal gospod moj, da naj govorim besede te? Ali ne k onim možem, ki sede po zidovju, da jedo blato svoje in pijo vodo svojo z vami vred?
12Fa hoy Rabsake: Moa ho amin'ny tomponao sy ianao va no nanirahan'ny tompoko hilaza izany teny izany, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo? [Heb. ny tainy][Heb. ny amaniny]
13Rabsak torej se ustopi in zavpije z glasom velikim po judovsko in reče: Čujte besede velikega kralja, kralja asirskega!
13Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria.
14Tako pravi kralj: Naj vas ne prekani Ezekija, kajti ne bo vas mogel oteti.
14Izao no lazain'ny mpanjaka: Aza mety hofitahin'i Hezekia ianareo; fa tsy hahavonjy anareo izy tsy akory.
15In ne pregovóri vas Ezekija, da bi upali v GOSPODA, govoreč: Gotovo nas otme GOSPOD; to mesto ne bo dano kralju asirskemu v roko!
15Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
16Ne poslušajte Ezekija! Kajti tako pravi kralj asirski: Pogodite se z menoj za mir in pridite k meni ter jejte vsak svoje trte sad in vsak svoje smokve sad in pijte vsak svojega vodnjaka vodo,
16Aza mihaino an'i Hezekia ianareo; fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadananareo, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
17dokler ne pridem ter vas vzamem v deželo, podobno vaši deželi, v deželo, kjer je obilo žita in vina, kruha in vinogradov.
17mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka.
18Ne zapelji vas Ezekija, govoreč: GOSPOD nas otme. Ali so bogovi narodov oteli vsak svojo deželo iz roke kralja asirskega?
18Aza mety homen'i Hezekia vohony ianareo amin'ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika. Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ireo?
19Kje so bogovi Hamata in Arpada, kje bogovi Sefarvaima? Ali so neki oteli Samarijo iz moje roke?
19Aiza moa ny andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ny andriamanitr'i Sefarvaima? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tanako va ireo andriamaniny?
20Kateri so med vsemi bogovi tistih dežel, ki so deželo svojo oteli iz roke moje, da bi GOSPOD otel Jeruzalem iz roke moje?
20Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ireo tany ireo no efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tanako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tanako?
21A oni so molčali in mu niso odgovorili besede, zakaj kraljev ukaz je velel: Ne odgovarjajte mu!Pride torej Eljakim, Hilkijev sin, ki je bil nad dvorcem, in Sebna pisar in Joah, Asafov sin, letopisec, k Ezekiju z raztrgano obleko in mu naznanijo besede Rabsakove.
21Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.
22Pride torej Eljakim, Hilkijev sin, ki je bil nad dvorcem, in Sebna pisar in Joah, Asafov sin, letopisec, k Ezekiju z raztrgano obleko in mu naznanijo besede Rabsakove.
22Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.