Slovenian

Malagasy

Isaiah

37

1In ko je to slišal kralj Ezekija, si raztrga oblačila in se ogrne z raševino in stopi v hišo GOSPODOVO.
1[Ny teny nampitondrain'i Sankeriba fanindroany, sy ny vavaka nataon'i Hezekia ary ny teny nampitondrain'Isaia hanome toky azy] Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon'i Jehovah,
2In pošlje Eljakima, ki je bil nad dvorcem, in Sebna pisarja ter starejšine duhovnikov, odete z raševino, k proroku Izaiju, sinu Amozovemu.
2ary izy naniraka an'i Eliakima, lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan'ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin'Isaia mpaminany, zanak'i Amoza,
3In ti mu reko: Tako pravi Ezekija: Dan stiske in strahovanja in zasramovanja je ta dan, kajti otroci so blizu do poroda, a moči ni za porod.
3ary nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4Morda bo slišal GOSPOD, Bog tvoj, besede Rabsakove, ki ga je poslal kralj asirski, gospod njegov, sramotit Boga živega, in bo kaznoval besede, ki jih je slišal GOSPOD, Bog tvoj. Zato povzdigni prošnjo za ostanke, kar jih še je.
4Angamba ho ren'i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony hihaika an'Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren'i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
5Ko so torej prišli hlapci Ezekija kralja k Izaiju,
5Dia nankany amin'Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka.
6jim reče Izaija: Tako povejte gospodu svojemu: Tako pravi GOSPOD: Ne boj se spričo tistih besed, ki si jih slišal, s katerimi so me preklinjali hlapci kralja asirskega.
6Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin'ny tomponareo hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan'iretsy ankizilahin'ny mpanjakan'i Asyria iretsy Ahy.
7Glej, jaz mu vdahnem duha, da začuje glas in se vrne v deželo svojo, in storim, da pade od meča v deželi svoji.
7Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin'ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8In Rabsak se vrne in najde kralja asirskega, vojskujočega se z Libno; slišal je bil namreč, da je odpotoval od Lahisa.
8Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria fahirano tamin'izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9V tem zasliši, da govorijo o Tirhaku, kralju v Etiopiji: Gre se vojskovat zoper tebe. Ko je to slišal, pošlje poslance k Ezekiju z ukazom:
9Ary ren'i Sankeriba ny amin'i Tiraka, mpanjakan'i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin'i Hezekia nanao hoe:
10Tako govorite Ezekiju, kralju Judovemu, in recite: Naj te ne vara Bog tvoj, ki nanj staviš upanje, govoreč: Jeruzalem ne bo dan kralju asirskemu v roko.
10Izao no holazainareo amin'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda: Aza mety hofitahin'ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Asyria.
11Glej, sam si slišal, kar so storili kralji asirski vsem drugim deželam, pokončavši jih docela, in ti bi se otel?
11Indro, ianao efa nandre izay nataon'ireo mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy? [Heb. nanaovany herema]
12So li mar oteli bogovi narodov tiste, ki so jih pogubili očetje moji, Gozana in Harana in Rezefa in sinove Edena, ki so bili v Telasarju?
12Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan'ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak'i Edena izay tao Telasara ?
13Kje je kralj hamatski in kralj arpadski in kralj mesta Sefarvaima, Hene in Ive?
13Aiza ny mpanjakan'i Hamata sy ny mpanjakan'i Arpada sy ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14In ko Ezekija prejme pismo iz roke poslancev in ga prebere, gre gori v hišo GOSPODOVO in ga razgrne pred GOSPODOM.
14Dia noraisin'i Hezekia tamin'ny tanan'ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon'i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan'i Jehovah.
15In molil je Ezekija h GOSPODU, govoreč:
15Ary Hezekia nivavaka tamin'i Jehovah nanao hoe:
16GOSPOD nad vojskami, Bog Izraelov, ki stoluješ nad kerubi, ti si Bog, ti edini, vsem kraljestvom na zemlji, ti si ustvaril nebesa in zemljo.
16Ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin'ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17Nagni, o GOSPOD, uho svoje in poslušaj, odpri, GOSPOD, oči svoje in glej, in poslušaj vse besede Senaheriba, ki je poslal sramotit živega Boga.
17Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain'i Sankeriba hihaika an'Andriamanitra velona.
18Res je, GOSPOD, opustošili so kralji asirski vse one narode in njih deželo;
18Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan'i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny [Heb. tany]
19in vrgli so njih bogove v ogenj, ker niso bili bogovi, ampak rok človeških delo, les in kamen; zato so jih pogubili.
19ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan'ny tànan'olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
20Sedaj torej, GOSPOD, Bog naš, reši nas iz roke njegove, da bi spoznala vsa kraljestva na zemlji, da si ti GOSPOD, ti edini.
20Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin'ny tànany izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
21Tedaj pošlje Izaija, sin Amozov, k Ezekiju, da mu reko: Tako pravi GOSPOD, Bog Izraelov: Ker si me prosil spričo Senaheriba, kralja asirskega,
21Ary Isaia, zanak'i Amoza, dia naniraka hankany amin'i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin'ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria,
22to je beseda, ki jo je govoril GOSPOD za njega: Zaničuje te, zasmehuje te devica, hči sionska, za teboj maje glavo hči jeruzalemska.
22dia izao no teny nolazain'i Jehovah ny amin'i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
23Koga si sramotil in preklinjal? in zoper koga si zagnal svoj glas in ošabno povzdignil oči svoje? Zoper Svetnika Izraelovega!
23Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin'ny Isiraely.
24Po hlapcih svojih si sramotil Gospoda, ko si govoril: Z množico voz svojih sem prišel na vrh gorá, do najvišje strani Libanona; in posekam na njem visoke cedre in izbrane ciprese njegove, stopim tudi na največjo višino njegovo, v gaj na vrtu njegovem.
24Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, tao afovoan'i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin'ny faran'ny azo iakarana ao aho sy any amin'ny alany midokadoka,
25Jaz sem kopal vodnjake in izpil vode, in s stopalom nog svojih hočem posušiti vse reke v Egiptu.
25Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta. [Heb. Mazora]
26A nisi li slišal, da sem jaz to delal od zdavnaj in snoval od starih časov? Sedaj sem storil, da je prišlo to, da rušiš utrjena mesta v kupe razvalin.
26Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin'ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
27Zato so bili njih prebivalci slabotnih rok, prestrašeni in izbegani; bili so kakor trava na njivi in kakor mehka zelenjava, kakor seno po strehah in žito posmojeno, preden gre v latje.
27Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin'ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
28In sejo tvojo in odhod in prihod tvoj poznam, tudi divjanje tvoje zoper mene.
28Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
29Ker divjanje tvoje zoper mene in lahkoživstvo tvoje je prišlo do ušes mojih, zato denem obroček svoj v tvoj nos in uzdo svojo med ustnice tvoje, in povedem te nazaj po tistem potu, po katerem si prišel.
29Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin'ny lalana izay nihavianao ianao.
30In to ti bodi znamenje: letos boste jedli, kar samo zraste, drugo leto pa, kar po tem priraste, v tretjem letu pa sejte in ženjite in sadite vinograde ter jejte njih sad.
30Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin'ity taona ity ianareo; ary amin'ny taona manaraka dia ny kolokolon'izany, fa amin'ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
31In ohranjenci hiše Judove, kar jih preostane, bodo poganjali zopet korenine spodaj in rodili sad zgoraj.
31Ary izay sisa amin'ny taranak'i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
32Zakaj iz Jeruzalema izide ostanek in s Sionske gore tisti, ki se bodo ohranili; gorečnost GOSPODA nad vojskami stori to.
32Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hanao izany.
33Zatorej pravi tako GOSPOD za kralja asirskega: Ne pride v to mesto in pšic ne sproži sem, tudi ščita mu ne postavi nasproti in nasipov ne napravi zoper njega.
33Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'i Asyria: Tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
34Po istem potu, po katerem je prišel, se vrne, v to mesto pa ne pride, pravi GOSPOD.
34Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
35Kajti branil bom to mesto, da ga rešim, zaradi sebe in zaradi Davida, svojega hlapca.
35Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
36In šel je angel GOSPODOV ter jih pobil v asirskem ostrogu sto in petinosemdeset tisoč. In ko so vstali zjutraj, glej, bili so vsi tisti trupla mrtvih.
36Dia avy Ilay Anjelin'i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin'ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
37Zato se vzdigne Senaherib, kralj asirski, in odide in se vrne ter ostane v Ninivah.In zgodilo se je, ko se je klanjal v hiši Nisroka, boga svojega, da ga Adramelek in Sarezer, sinova njegova, udarita z mečem in pobegneta v deželo Araratsko. In kraljeval je sin njegov Esar-hadon namesto njega.
37Dia niainga Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.
38In zgodilo se je, ko se je klanjal v hiši Nisroka, boga svojega, da ga Adramelek in Sarezer, sinova njegova, udarita z mečem in pobegneta v deželo Araratsko. In kraljeval je sin njegov Esar-hadon namesto njega.
38Ary raha niankohoka tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain'i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin'ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.