Slovenian

Malagasy

Isaiah

38

1V tistih dneh zboli Ezekija na smrt. In pride k njemu Izaija, sin Amozov, prorok, ter mu reče: Tako pravi GOSPOD: Uredi hišo svojo, kajti v kratkem umreš in ne boš živel.
1[Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanalavan'Andriamanitra ny androny, ary ny fiderana nataony amin'izany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia; ary Isaia mpaminany zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2Tedaj obrne Ezekija obličje svoje v steno in moli h GOSPODU
2Dia nitodika nankany amin'ny rindrina Hezekia ka nivavaka tamin'i Jehovah
3in reče: Ah, GOSPOD, spomni se, prosim, da sem neprestano hodil pred teboj v resnici in z nerazdeljenim srcem in delal, kar je dobro v tvojih očeh! In jokal je Ezekija, silno jokal.
3hoe: Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4Tedaj pride beseda GOSPODOVA Izaiju, rekoč:
4Dia tonga tamin'Isaia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5Pojdi in reci Ezekiju: Tako pravi GOSPOD, Bog očeta tvojega Davida: Čul sem molitev tvojo, solze tvoje sem videl. Glej, dnem tvojim pridenem petnajst let.
5Mandehana, ka lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao,
6In iz roke kralja asirskega otmem tebe in to mesto, in branil bom to mesto.
6sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho.
7In to ti bodi znamenje od GOSPODA, da stori GOSPOD tisto, kar je govoril:
7Ary izao no ho famantarana ho anao avy amin'i Jehovah, hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy:
8glej, onih stopinj senco, ki je šla doli po solnčni uri Ahazovi, pomaknem za deset stopinj nazaj. In vrnilo se je solnce za deset stopinj po solnčnem kazalniku, po katerem je bilo šlo doli.
8Indro, hampiverina ny aloka hàdiny folo Aho araka ny nampidinan'ny masoandro azy teo amin'ny dialin' i Ahaza. Ka dia niverina hàdiny folo ny masoandro, dia ilay efa nidinany. [Heb. ambaratonga]
9Spis Ezekija, kralja Judovega, ko je bil zbolel in ozdravel bolezni svoje:
9Ny teny nosoratan'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, raha narary izy ka sitrana tamin'ny aretiny:
10Rekel sem: V pokojnih mi dnevih moram stopiti v vrata šeola; oropan sem ostanka svojih let.
10Hoy izaho: Amin'izao andro mbola iadanako izao no tsy maintsy idirako amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita; nesorina tamiko ny androko sisa. [Heb. Sheola]
11Dejal sem: Ne bom videl GOSPODA, GOSPODA v deželi živečih; ondi, kjer prebivajo mrtvi, ne bom več ugledal človeka.
11Hoy izaho: Tsy mba hahita an'i Jehovah intsony aho. Eny, tsy mba hahita an'i Jehovah ao amin'ny velona intsony aho; Tsy mba hahita olona intsony aho, fa ho isan'ny mponina any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola]
12Dom moj je razrušen in ga nosijo od mene kakor pastirski šator. Dotkal sem kakor tkalec življenje svoje; od statev me je odrezal. Od dne do noči me boš končal!
12Ny fonenako nesorina ka nafindra tsy ho amiko, tahaka ny lain'ny mpiandry ondry; Ahoroko tahaka ny tenona ny androko, fa efa hotapahiny ho afaka amin'ny haraka izy; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
13Tolažil sem se do jutra – kakor lev je zdrobil vse kosti moje. Od dne do noči me boš končal!
13Nampionona ny foko aho mandra-pahamarain'ny andro; Tahaka ny fanapatapaky ny liona no anapatapahany ny taolako rehetra; Indray andro monja no anaperanao ny aiko.
14Kakor lastovka in žerjav sem cvičal, grulil sem kakor golob. Koprneče so mi zrle oči kvišku: O GOSPOD, v stiski sem, bodi mi porok!
14Ka dia mikoraraika tahaka ny sidintsidina sy ny vano aho. Ary mitolokoloko tahaka ny voromailala. Pahina ny masoko noho ny faniriako ho any amin'ny avo; Jehovah ô, ory loatra aho, aoka hiantoka ahy Hianao.
15Kaj naj rečem? On mi je obljubil in On je tudi izpolnil. Tiho bom hodil vsa leta svoja zaradi bridkosti duše svoje.
15Ahoana no holazaiko? Sady nilaza tamiko Izy no nahatanteraka koa; Handeha mijoretra aho amin'ny taonako sisa rehetra noho ny fangidian'ny aiko. [Na: rehefa afaka]
16O Gospod, ob tem žive ljudje in vsekakor je v tem življenje duha mojega; in me ozdraviš in ohraniš v življenju.
16Tompo ô, izany no iveloman'ny olona, ary amin'izany tokoa no iainan'ny fanahiko, ka dia mahasitrana sy mahavelona ahy Hianao.
17Glej, v mir mi je bilo, da me je zadela bridkost prebridka; ali ti si v ljubezni potegnil dušo mojo iz jame pogube, kajti vse grehe moje si vrgel za hrbet svoj.
17Indro, tonga fiadanana ilay fahoriana mangidy dia mangidy nanjo ahy, ary ny fitiavanao no namonjenao ny fanahiko tsy hankany amin'ny lavaka fahalevonana; Fa narianao teo ivohonao ny fahotako rehetra.
18Saj šeol te ne slavi, smrt te ne hvali; ni upanja v zvestobo tvojo njim, ki se pogrezajo v jamo.
18Fa ny fiainan-tsi-hita tsy mba mahasaotra Anao, ny fahafatesana tsy mahadera Anao; Fa izay midina any an-davaka dia tsy mahazo manantena ny fahamarinanao. [Heb. Sheola]
19Živeči, živeči te bo slavil kakor jaz danes; oče bo sinom oznanjal zvestobo tvojo.
19Ny velona dia ny velona ihany no hidera Anao, tahaka izao izaho anio izao; Ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20GOSPOD je bil pripravljen rešiti me, zato bomo pesmi moje s strunami peli, dokler živimo, v hiši GOSPODOVI!
20Jehovah efa vonona hamonjy Ahy, Ka dia hitendry ny lokangako ao an-tranon'i Jehovah izahay Amin'ny andro rehetra iainanay.
21Izaija pa je bil velel, naj vzemo gručo smokev in jo polože na ulje, in ozdravi.Ezekija pa je vprašal: Kaj je znamenje, da pojdem gori v hišo GOSPODOVO?
21Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy, ary apetaho amin'ny vay izany, mba ho sitrana izy.Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?
22Ezekija pa je vprašal: Kaj je znamenje, da pojdem gori v hišo GOSPODOVO?
22Ary hoy Hezekia: Inona no famantarana fa hiakatra ao an-tranon'i Jehovah aho?